Ny tanjonay

Hahatonga an’i Madagasikara ho firenena mandroso, amin’ny alalan’ny vahaolana ara-toekarena, ara-tontolo iainana ary ara-tsosialy, eny amin’ny tontolo an-tanety, an-dranomasina ary an-tanàn-dehibe.

Tontolo an-tanàn-dehibe

Hahatonga ny tanàn-dehibe ho herin’ny fivoarana maitso sy mampiaty, amin’ny alalan’ny paikady mahomby ho an’ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe mampiaty, amin’ny sehatra toy ny fivezivezena, ny fanodinana fako ary ny fanarenana trano fonenana.

Tontolo an-tanety

Miaro ny ala, manarina ny tany, ary manao ny fanamaitsoana ny nosy ho fanoitra amin’ny fampandrosoana ara-tontolo iainana, ara-tsosialy ary ara-toekarena.

Tontolo an-dranomasina

Manome lanja ny otri-karen’ny morontsirak’i Madagasikara mirefy 5 000 km, amin’ny alalan’ny toekarena manga izay miaro ny zava-manan’aina, sady mamorona asa sy fanararaotra maharitra.

Madagascar a l’un des taux de pauvreté les plus élevés au monde

Ny zava-misy hitanay

Anisany manana taha-pahantrana ambony indrindra maneran-tany i Madagasikara. Ny fanimbana ny tontolo iainana amin’ny velarana midadasika be dia mamparefo ny hoavin’ny firenena. Misy ny ezaka fanarenana saingy mazàna dia miparitaka izy ireny.

Raha tsy misy vina iraisana sy fandrindrana mahomby dia tena atahorana ny faharavana tanteraka. Kanefa, manana ny ampy rehetra i Madagasikara mba ho lohalaharana amin’ny fivoarana maitso sy mampiaty. 

Ny setriny avy aty aminay

Izahay ato amin’ny INDRI dia resy lahatra fa tsy ampy ny fomba fiasa mifototra amin’ny tetikasa mitokana irery. Marina fa ilaina ny tetikasa satria mitondra lesona sarobidy avy eny ifotony. Saingy raha tsy misy ny fiaraha-misaina sy ny vina ary ny paikady ho an’ny sehatra nasionaly, ny tetikasa fotsiny dia tsy afaka mampizotra ny firenena amin’ny lalana tokony ho izy. Ny fomba fiasanay dia ny manorina fiaraha-miasa mafy orina, manangona ny hevitra, mamolavola vina sy paikady iombonana, mba ho azo hampiharana amin’ny sehatra goavana ireo vahaolana mahomby.

Chez INDRI, nous en sommes convaincus : des approches fragmentées, basées sur des projets isolés, ne suffiront pas
Notre façon de travailler

Ny fomba fiasanay

Ny INDRI dia ivon-toeram-pahaiza-manao, fiaraha-misaina sy adisisika. Manao fanadihadiana stratejika izahay. Mamoaka paikady iraisan’ny Fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ny fiarahamonim-pirenena ary ny mpikaroka ihany koa. Manao adisisika mahomby izahay ary manetsika ireo hery mahataona mba hanovana ny toe-javatra misy.

Ireo hetsika tanterahinay

INDRI dia mitarika hetsika mampivondrona rafi-panjakana, sehatra tsy miankina ary fiarahamonim-pirenena manodidina ireo vahaolana azo tsapain-tànana ho an’i Madagasikara. Ny hetsika ataonay dia mikendry ny hamadika ny hevitra ho asa goavana ho an’ny fivoarana maitso sy mampiaty. Raha atao mivainga dia manao asa voafaritra tsara izahay : hiarovana ny ala, hanohanana ireo lalam-pihariana manana ny hoaviny, hanafainganana ny fiovàna mankany amin’ny fomba fandrahoan-tsakafo madio, na koa handraisana anjara amin’ny famolavolana fandaharan’asa nasionaly momba ny politika ara-toekarena. Ny hetsika tsirairay dia mifototra amin’ny fikarohana, ny fiaraha-misaina ary ny adisisika mahomby.

Ny sanda manokana entinay

Mihoatra ny lojika “tetikasa” izahay ary mifantoka amin’ny fanovan-drafitra manontolo eo amin’ny sehatra nasionaly.

Ireo tarehimarika manan-danja

fahitana teny amin’ny tambajotra sosialy
+ 0 M
tokantrano kendrena ho amin'ny tetezamita mankany amin'ny fandrahoan-tsakafo madio amin'ny 2030
0 M
ala voajanahary fototra voatahiry
0 ha
fampidinana tao amin’ny tranomboky nomerika INDRI Connect
+ 0 K

Ny tamba-jotra sosialinay

Midira ho isan’ireo 44000 mpanaraka anay

Fandrahoan-tsakafo madio eto Madagasikara

Fandrahoan-tsakafo madio eto Madagasikara : fanaovan-tsonia fiaraha-miasa ho amin’ny hetsika manerana ny firenena

Fantatrao ve

Fantatrao ve fa manodidina ny 97 % amin’ny tokantrano malagasy no mbola mampiasa arina fandrehitra amin’ny fandrahoan-tsakafo?

Sokatra malagasy tandindomin-doza

Fa maninona no isan’ny biby tandindomin-doza indrindra eran-tany ny sokatra malagasy ?

Lahatsoratra farany

des-propositions-collectives-fortes-pour-faire-face-au-fleau-des-feux

Tolotra iombonana mafy hiatrehana ny lozan’ny afo

RAHA TE HAHAZO NY ANTONTAN-KEVITRA FENO AMIN’NY TENY MALAGASY Fepetra 11 hiadiana amin’ny dorotanety mizara amin’ny lafiny lehibe 4, manomboka...

nous-devons-envisager-le-pire-profitons-en

Mila eritreretina ny ratsy indrindra, ka hararaotintsika izany

Ny tsy fitovian-tsosialy, ny vaindohan-draharaha ara-toetrandro, ny fianjeran’ny zavamananaina samihafa, ny fandrahonana mihatra amin’ny demokrasia… ny lisitr’ireo fanamby atrehintsika sy...

10

Rafitra fitantanana ny fitarainana sy famahana ny fifandirana

Tsindrio eto hisintonana ny antontan-taratasy. Eo amin’ny asantsika miaraka amin’ny Critical Ecosystem Partnership Fund (CEPF), dia manome Rafitra fitantanana ny...

Miresaka momba anay ry zareo

Mifandraisa aminay

Andao hiara-hanova ny hoavin’i Madagasikara.