Iza izahay

Miasa ho an’ny fiarovana ny zavaboary malagasy izahay, sady mamolavola filama-pihariana maharitra ho an’ny mponina eny ifotony 

Ny Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation (INDRI)

dia ivontoeram-pahaiza-manao, fiaraha-misaina ary adisisika, naorin’ny mpitarika malagasy 12 avy amin’ny fiarahamonim-pirenena sy ny sehatra tsy miankina tamin’ny taona 2020.

Ny tanjonay : i Madagasikara miharina. Ny hany vahaolana dia ny fahatongavana amin’ny fivoarana maitso sy mampiaty. Miara-miasa amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ireo tontolo goavana eto amin’ny firenena izahay : tontolo an-tanety, an-dranomasina ary an-tanàn-dehibe.

Ny asanay dia ny manorina firaisan-kina mahomby miaraka amin’ireo mpisehatra fototra, amin’ny alalan’ny fiaraha-misaina sy ny fanetsiketsehana ireo mpisehatra rehetra isam-paritra, mba hamolavolana paikady misy fiantraikany goavana, ary manamorana ny fampiharana azy ireny avy eo.

Ny Indri koa dia anaran’ny gidro lehibe indrindra eto Madagasikara, mari-pamantarana manokana sy manan-kasina any anaty ala, heverina ho toy ny fanahy mpiaro sy manam-pahendrena. Ny feony mahery, izay re any amin’ny kilometatra maro, dia mahatonga azy ho mpitily voajanahary mahavita manome fampitandremana sy manetsika eo amin’ny faritra misy azy.

imùa4
Madagascar a l’un des taux de pauvreté les plus élevés au monde

Ny tantaranay

INDRI dia teraka avy tamina fifanakalozan-kevitra nahaliana nisy tamin’ny taona 2019. Ireo mpanorina dia samy efa nitarika tetikasa maro teto Madagasikara, na teo amin’ny sehatra tsy miankina, na teo amin’ny fiarahamonim-pirenena, na ny vondrona tsy miankina amin’ny fanjakana (ONG). Fantatray fa tsy ampy ny tetikasa mitsitokatokana. Noho izany, natsanganay tamin’ny 2020 ny INDRI, niaraka tamina fanamby mazava : ny hampifandray ny tetikasa sy ny hevitra mba hamolavolana paikady nasionaly mahomby sy tena ampiharina. 

Ny zavatra hitanay

Anisan’ireo firenena manana taha-pahantrana ambony indrindra maneran-tany i Madagasikara. Ny fanimbana ny tontolo iainana amina velarana lehibe dia mamparefo ny hoavin’ny firenena. Misy ny ezaka fanarenana, saingy matetika ireny no mitsitokotoko loatra.

Raha tsy misy vina iraisana sy fandrindrana mahomby, dia tena atahorana ny faharavana tanteraka. Kanefa, manana ny ampy rehetra i Madagasikara mba ho lohalaharana amin’ny fivoarana maitso sy mampiaty. 

Chez INDRI, nous en sommes convaincus : des approches fragmentées, basées sur des projets isolés, ne suffiront pas
Notre façon de travailler

Ny setriny avy aty aminay

Izahay ato amin’ny INDRI dia mihevitra fa tsy ampy ny fampitomboana ireo tetikasa mitsitokatokana. Manerana an’i Madagasikara dia efa misy hatrany ny hetsika sy vahaolana mipoitra avy eny ifotony. Kanefa, mijanona ho mitsitokotoko izy ireny, hany ka tsy mahavita mitazona maharitra ilay hery manetsika ny fampandrosoana. Ny anjara asanay dia ny mampifandray ireny hetsika ireny, manorina vina iombonana ary mamoaka paikady iraisana izay afaka mitondra fiovana maharitra amin’ny asehatra lehibe. 

Ireo soatoavinay

Fahasahiana

Tapa-kevitra izahay ny hanao ny fanamby amin'ny tontolo voajanahary eto Madagasikara. Manana fahasahiana hiresaka momba ireo lohahevitra manahirana izahay, hanao ny fifanakalozana rehetra ilaina, handinika ny fahadisoanay, ary hiatrika ireo lohahevitra manan-danja, amin'ny alalan'ny fifanakalozan-kevitra marina.

Fanoloran-tena

Nanolo-tena izahay ny hitondra fanovana eo amin'ny tontolo iainana eto Madagasikara, hanaja ny teny natao tamin'ireo mpiantsehatra matoky anay, ary hanao izay rehetra azonay atao hanarenana ny tontolo iainana eto amin'ny firenena.

Fampiasana zava-baovao

Omenay lanja ny fampiasana zava-baovao isaky ny afaka mamaha olana izany, na eo amin'ny fitantanana anatiny izany, na amin'ny fanetsiketsehana ny fiaraha-misaina, na amin'ireo vahaolana ara-tekinika aroso ho tombontsoan'i Madagasikara.

Fizarana

Miasa ao anatin'ny fahalala-tànana sy ny fifanampiana izahay. Ataonay laharam-pahamehana ny fampivondronana ny ezaka, ny hevitra, ny fahaiza-manao ary ny tahirin-kevitra, amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa akaiky amin'ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpiantsehatra rehetra eto an-toerana sy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena.

Ny vinanay

Madagascar devient un leader de la croissance verte et inclusive. La société civile, le secteur privé et le gouvernement unissent leurs forces pour mettre le pays sur la voie de la prospérité.

Ireo olom-pamaritra anay

fijerena amin'ny tambajotra sosialy
+ 0 M
toekam-pianakaviana kendrena ho amin'ny tetezamita mankany amin'ny fandrahoan-tsakafo madio amin'ny taona 2030
0 M
an'ireo ala voalohany voatahiry

0 ha
fampidinana avy amin'ny tranomboky nomerika INDRI Connect
+ 0 K

Manohana anay izy ireo

3702263c3d16e6c105bef8f9bacc818eae79dd53
7157756b723cca0c8924e7ac24a415ec3d3ef138
Logo Darwin Initiative x UKID
ac3756314c553148229f4a7b15438abbb82c4767
ea6cee3bf4d94bfafb61fa70949da39512789dc0
07f23ee1ba2a859d8d85ff8b94fd6b418517f7f4
bfba3af1ed6937a7e6cdb15615272665ac5b5d01
Logo – Excelsior Impact Fund
Logo – Confédération suisse 2
4025d30e24ff3577de1b0e1e66628a4eaf465861

Mifandraisa aminay

Andao isika hiara-hamolavola ny hoavin’i Madagasikara.