Sehatra tsy miankina sy fanohanana ireo start-ups

INDRI dia manohana ireo mpandraharaha sy start-ups mirotsaka amin’ny asa mitondra fiantraikany tsara eo amin’ny tontolo iainana sy ny fiarahamonina.

Amin’ny fanohanana ireo orinasa ireo, ny INDRI dia mandray anjara amin’ny fanamafisana ny anjara toeran’ny sehatra tsy miankina ho moteran’ny fitomboana maitso sy mahafaoka eto Madagasikara. Ny tanjona dia ny hampiroborobo vahaolana vaovao, maharitra ary mahavita manambatra fahombiazan-toekarena sy tombontsoa iombonana.