Fisoloana vava momba ny lalambe Antananarivo – Toamasina

INDRI dia mitana anjara toerana manan-danja eo amin’ny fisoloana vava manodidina ity tetikasa ity.

Manetsika ireo mpisehatra izahay, mandray anjara amin’ny fanairana momba ireo loza ara-tontolo iainana sy ara-tsosialy, ary manolotra vahaolana azo raisina. Efa nahafahana nitondra fanavaozana mivaingana io asa fisoloana vava io, indrindra tamin’ny fanavaozana ny fandinihana ny zotra, mba hiarovana bebe kokoa ny ala voajanahary fototra sy ireo tontolo iainana tena ilaina eto amin’ny firenena.