Ny fomba fiasanay

Tsy mianina amin’ny fanohanana ireo orinasa fotsiny ny INDRI. Manomboka sy manohana tetikasa miatrika ny fanamby ara-tontolo iainana sy ara-piaraha-monina amin’izao vanim-potoana izao izahay. Fantaro ny fomba ahafahanay manova ny fahitana ho fiantraikany hita maso.

Ireo dingana amin’ny lalantsain’ny fiovana

Manao fanadihadiana stratejika

Atombokay amin’ny fahatakarana lalina ny fanamby tsirairay izany. Angoninay ireo ita efa misy, ary tsoahanay ny lesona avy amin’ireo traikefa lasa teto Madagasikara sy tany an-kafa. Ny anjara asanay dia ny mandamina ita, izay matetika tsy voalamina, mba hamoahana ny tena manan-danja : ny sakana, ny mety, ary izay afaka hanova marina ny toe-javatra. Ity fanadihadiana ity no fototra hahafahana mamantatra ireo vahaolana azo tsapain-tànana sy mitarika ny hetsika iombonana.

Manetsika ny fiaraha-misaina

Rehefa mazava ny fanamby, dia manorina fiaraha-miasa mafy orina izahay, mampivondrona ireo mpisehatra fototra voakasika : mpitondra fanjakana, sehatra tsy miankina, mpikaroka ary ny fiarahamonim-pirenena.

Manangana sehatra hifanakalozan-kevitra izahay, ahafahan’ny tsirairay mifanakalo hevitra, mizara ny traikefany ary mandray anjara amin’ny fitadiavana vahaolana iombonana. Io asa iombonana io dia ahafahana mihoatra ny sakana misy sy mamoaka soso-kevitra azo tanterahina, tohanan’ny rehetra, ary afaka mitondra fiovana tena izy eo amin’ny sehatra nasionaly.

Miserasera mba hanentana sy hanetsika

Abaribarinay ho hita maso sy azo takarina ny lokanady mba hiteraka fahavononana handray andraikitra. Izahay dia miainga avy amin’ireo soso-kevitra niarahana natsangana ka mamolavola hafatra mazava, mora azo sady manentana. Mampiasa ny tamba-tserasera, ny tambajotra sosialy ary sesiezaka voatily manokana izahay mba hahakasika ny vahoaka, ny mpisehatra eny ifotony ary ny mpanapa-kevitra. Tsotra ny tanjonay : ho mpisehatra lehibe amin’ny adihevitry ny besinimaro ary hanome ny tsirairay ny fitaovana hahafahany mihetsika.

Mitondra ny adisisika mba hamadika ny fanapahan-kevitra ho asa

Mitondra soso-kevitra mazava any amin’ireo rafi-panjakana izahay mba hampivoarana ny politika sy ny fomba fanao. Satria hatrany am-boalohany dia efa novolavolaina niaraka tamin’ny mpiatsehatra ireo soso-kevitra ireo, ka dia eken’ny rehetra, mifanaraka amin’ny zava-misy, ary mora tanterahina.

Fanampin’izany, manentana ireo olona sy fikambanana manana hery mahataona izahay : olona sy vondrona manana fanoloran-tena ary afaka mampandroso fanapahan-kevitra eo amin’ny sehatra lehibe. Mety ho mpitondra fanjakana izany, na mpisehatra amin’ny toekarena, na olona fanta-daza. Rehefa miara-mitondra ny soso-kevitra izy ireo, dia vao mainka azo antoka ary manafaingana kokoa ny fankatoavana azy. Farany, miara-miasa amin’ireo mpanapa-kevitra izahay mba hanamorana ny fampiharana ireo fepetra noraisina sy hiantohana ny fanaraha-maso izany ao anatin’ny fotoana maharitra.

Madagascar a l’un des taux de pauvreté les plus élevés au monde

Fiantraikany maharitra sy midadasika ho an’ny fivoarana maitso sy mampiaty

Ny tanjonay : handray anjara amin’ny fanarenana sy ny fanovana maharitra an’i Madagasikara. Ny dingana tsirairay dia manamafy ny fahafahan’ireo mpisehatra hiara-miasa sy hanatanteraka ireo fanamby izay miha-sarotra hatrany.

Kendrenay ny hisian’ny fiantraikany maharitra : fampandrosoana mahazaka sedra, toekarena matanjaka sy maitso kokoa, ary fiarahamonina mampiaty kokoa.