Fitomboana maitso sy mahafaoka

Tamin’ny taona 2025, napetrakay ho ivon’ny adihevitra nasionaly ny fitomboana maitso sy mahafaoka.

Tamin’ny alalan’ny fihaonambe iraisam-pirenena, ny fanetsiketsehana ny Gen Z, ny fisoloana vava momba ireo tetikasa lehibe ara-drafitrasa sy ny fitantanana ny ala, ny fandrindrana ny sehatry ny fandrahoan-tsakafo madio, ny toekarena manga ary ny fanavaozana an-tanàn-dehibe, dia nandray anjara tamin’ny famolavolana lamina nasionaly iray goavana nefa mifanaraka amin’ny zava-misy izahay.