Drafitra stratejika: 2025-2030

TSINDRIO ETO HISINTONANA NY DRAFITRA STRATEJIKA

Tonga ny fotoana ! Faly sy mirehareha ny INDRI manolotra ny Drafitra stratejika ho an’ny 2025-2030. Taorian’ny iray taona mahery niasana, dia indro ny vokany. Tsy fitarihan-dalana fotsiny ho an’ny asantsika ho avy ity drafitra ity, fa porofo koa ny faharesentsika lahatra hanova ny lasitra fanaon-draharaha.

Mampiseho ny fanoloran-tenantsika iombonana sy ny finiavantsika hiatrika ireo fanamby ara-tontolo iainana mahazo an’i Madagasikara ity tahirin-kevitra ity. Lalan-kombana sady be fiantraikany no ho takatra izy, miorina amin’ny fahaiza-manao, ny fanaovan-kabary mitambatra ary ny fanentanana.

Mahatsiaro tsy mahandry hanohy ity dia ity izahay ka mbola hiezaka mafy hatrany hampiavaka ny INDRI ho mpitarika ny fanovana mitondra soa ho an’i Madagasikara.