INDRI dia mamolavola tsikelikely fandaharanasa iray natokana ho an’ny sehatra an-tanàn-dehibe, indrindra eto Antananarivo.
Ny tanjona dia ny hanetsika ny faharanitan-tsaina iombonana mba handinihana ireo fanamby mifandraika amin’ny fivezivezena, ny toeram-ponenana ary ny fanajariana ny tanàna, ary hanolorana vahaolana azo tanterahina ho fanatsarana ny fomba fiasan’ny tanàna sy ny kalitaon’ny fiainan’ny mponina ao amin’ireo tanàna malagasy.