Initiative Alamino

ALAMINO dia fandraisana andraikitra iray mampivondrona mpisehatra maherin’ny 250 avy amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina ary ny fiarahamonim-pirenena, mba hiaro ny ala sy hanamaitso indray an’i Madagasikara.

Anisan’ny laharam-pahamehana raisiny amin’izao fotoana izao ny ady amin’ny doro tanety sy ny fambolen-kazo manara-penitra amin’ny ambaratonga lehibe. Natomboky ny INDRI, ity hetsika ity dia mikendry ny hamantatra vahaolana azo ampiharina sy handrindra ny asa, mba hananganana sehatra an-tanety salama, mamokatra ary mitondra fanambinana.