INDRI dia miantehitra amina ekipa feno fanoloran-tena izay mitarika famakafakana stratejika, manetsika ny fiaraha-misaina ary mitarika adisisika mba hanolorana vahaolana mivaingana ho an’ny sehatra nasionaly.
INDRI dia mikatsaka fiovan-drafitra, ka amin’izany izy dia miankina amin’ny fanetsiketsehana ireo mpiatsehatra maro samihafa : manam-pahefana, sehatra tsy miankina, fiarahamonim-pirenena, mpikaroka, ary mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.
Ny fitomboana ara-kalitao no hany fomba hanarenana an’i Madagasikara. INDRI dia manohana ny sehatra tsy miankina, ny Fanjakana, ny mpiantsehatra rehetra, ho amin’ny fanarenana ara-toekarena, ara-tsosialy ary ara-tontolo iainana an’i Madagasikara.
Mba hisian’ny firoborobona maharitra dia zava-dehibe ny fiarovana ny ala sisa tavela, sy ny fanarenana amina velarana midadasika ireo tany simba. Izany dia mandalo amin’ny fampivelarana ireo lalam-pihariana ara-toekarena manaja tontolo iainana (fizahan-tany ara-tontolo iainana, fambolena ekolojika).
Ny morontsirak’i Madagasikara dia miatrika fanamby goavana manoloana ny fiovan’ny toetrandro, ny fitrandrahana tafahoatra ireo harena an-dranomasina, sy ireo olona 3 tapitrisa miakina amin’ny harena an-dranomasina. Etsy an-kilan’izany anefa, ny toekarena manga dia otri-karena lehibe misy lalam-pihariana mendrika manana hoavy mamiratra. INDRI dia mikendry ny hamolavola paikady mahomby hampivelarana io lalam-pihariana io.
Mitombo haingana ny tanàn-dehibe eto Madagasikara ary goavana ny lokanady amin’izany. Raha ny renivohitra fotsiny dia mitombo 200.000 isan-taona ny mponina. Mikatsaka ny hanetsika ireo mpisehatra an-tanàn-dehibe ny INDRI, ka hamantatra ny vahaolana azo tsapain-tanana amin’ny fivezivezena, ny fitantanana ny fako ary ny fanatsarana ny fonenana amin’ny tanàn-dehibe malagasy.
Nandritra ny 5 taona, ny INDRI dia nahazo traikefa maro tamin’ny fifanakalozan-kevitra tamin’ireo manam-pahefana. Ny adisisika ataonay dia ny fitondrana vahaolana sy paikady mifototra amin’ny zava-misy marina sady tohanan’ny tsikeran’ireo mpiantsehatra.
Maka ny toeran’ny mpanolo-tsaina sy mpanohana ireo manam-pahefana izahay amin’ny famolavolana sy fampiharana ireo politika mifandraika amin’ny fampandrosoana.
Amin’ny alalan’ireo fantson-tserasera ananany, ny INDRI dia manana fahafahana mandray anjara amin’ny adihevitry ny besinimaro sy mampahafantatra amin’ny vahoaka sy ny mpiantsehatra ny fanamby lehibe amin’ny hoavin’i Madagasikara, ny paikady sy ny vahaolana azo tanterahina.
Satria maro ny ezaka miverina miainga hatrany eo amin’ny pejy fotsy nefa efa misy ny ita azo ampiasaina, INDRI dia miezaka manangona ny tahirin-kevitra ka manome izany ho an’ny rehetra. Ny INDRIConnect dia manangona sy manaparitaka ireo loharano stratejika, mba hanamorana ny fahazoana fahalalana sy hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny samy mpiantsehatra.










Andao hiara-hanova ny ho avin’i Madagasikara.