FAMPAHOMBIAZANA NY FANDRAKOFANA ALA : MANARAKA IREO FENITRA 10 NY ORINASA BONDY

Tao anatin’ny 60 taona lasa izay, dia 44%-n’ny ala voajanaharin’i Madagasikara no potika. Manoloana ny mety ho trangana haintany eto amin’ny firenena, dia maro ireo tetikasa sy hetsika fambolen-kazo natao hamadihana ny rasa. Indrisy anefa, fa raha te handrakotra ala indray ny firenena, dia tsy ampy ny fanatsatohana hazo fotsiny. Ny fambolen-kazo dia fandraisana andraikitra goavana, izay tsy voafetra eo amin’ny fambolena ilay hazo anaty tan ihany. Manomboka amin’ny fikarakarana izany asa izany, izay mitohy amin’ny fizahana ny toerana hambolena hazo, ny fijerena tsara ireo zana-kazo ho safidiana, ny asa iarahana amin’ny vondrona olona ifotony ary mazava ho azy, ny fanaraha-maso izay tena zava-dehibe. Mba tena hahomby ireo tetikasa fambolen-kazo, dia namolavola antontan-kevitra ny ONG INDRI, izay niaraha-novolavolaina tamin’ireo mpiantsehatra miisa zato izay mpikambana ao amin’ny vovonana Alamino. Tsy inona izany fa ny FENITRA 10 MAMPAHOMBY NY FANDRAKOFANA ALA ETO MADAGASIKARA.

Manana tombony ny vovonana Alamino noho ny fananany ho mpikambana ireo tanora mavitrika avy ao amin’ny Bôndy, izay orinasa miompana amin’ny fambolen-kazo sy fanamaitsoana ny Nosy. Nanolo-tena sy nanapa-kevitra ny hampihatra ireo Fenitra 10 izy ireo raha vao nivoaka ireo fenitra ireo, ary efa manaraka azy ireo ny orinasa mandritra ny fotoam-pambolen-kazo 2022-2023. Mizara amintsika momba izany i Andrianina Razafimbelo, izay injeniera momba ny ala ao amin’ny Bôndy.

Inona no nanosika anareo hampihatra ireo Fenitra 10 ?

Azo tanterahina ve izy ireo, ary inona no hitanareo mampiavaka sy mahatsara azy ?

Nanomboka oviana no nampiharanareo ireo Fenitra 10 ary teboka firy no efa fenonareo ?

Inona ireo olana nosedrainareo tamin’ny fampiharana azy ireo ary nanao ahoana ny fiatrehana izany ?

Inona àry ny hafatrareo ho an’ireo fikambanana na vondrona te hanatanteraka fambolen-kazo ?

Raha te hamaky ireo FENITRA 10 MAMPAHOMBY NY FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA, araho ity rohy ity : https://indri.solutions/2022/03/01/10-principes-mg/

Post a comment