FENITRA 10 MAMPAHOMBY NY FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA

Mpisehatra miisa 100 mahery no niara-namaritra ny sata mifehy ny karazana fomba fanao mahomby, mba hanamorana ny fandrakofana ala an’i Madagasikara. Andao ary hiarahantsika mampihatra izany !

TSINDRINA ETO MBA AFAHANAO MAHAZO NY ANTONTAN-TARATASY FENO MOMBAN’IREO FENITRA 10 IREO

(Marihina fa ny voambolana nampiasaina eto dia voambolana tena ahazoan’ny olona rehetra ny tiana ho lazaina)

Laharam-pahamehana nasionaly ny fandrakofana ala an’i Madagasikara – Tsy takona afenina ny voka-dratsin’ny faharinganan’ny ala sy ny fahasimban’ny sahanala ankehitriny (fikaohan’ny riaka ny tany, fihangazanan’ny
tany, hain-tany, tondra-drano, sns.) ary mbola manampy trotraka izany ny fiovaovan’ny toetrandro. Manoloana ireo lokanady ireo dia efa misy fahatongavan-tsaina faobe ny amin’ny hamerenana ho Nosy maitso indray ny Nosy mena. Samy
mahatsapa arak’izany ny tomponandraiki-panjakana sy ny manam-pahefana, ny firaisamonimpirenena, ny orinasa, ireo mpiombonantoka teknika sy mpamatsy vola ary ny ampahany betsaka amin’ireo mponina. Mihamitombo ireo vinanin-kevitra
sy asa santatra ary mihamaro ihany koa ny mpisehatra manana risi-po hirotsaka.

Betsaka ireo olana sedraina – Maro ireo tetikasa fandrakofana ala no tsy nahomby noho ny tsy fanomezan-danja ny tranga misy eny ifotony, ny tsy fampandraisana anjaran’ny vondron’olona ifotony, ny teknika tsy mifanaraka
amin’ny zava-misy, ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola, ny tsy fametrahana drafitra maty paika ary indrindra ny tsy fanaraha-maso. Tsy mifandraika amin’ny zava-misy marina eny an-toerana sy ny zava-kendrena matetika ilay tetikasa.
Tsy ampy ihany koa ny fandrindrana sy fanaparitahana ireo toro sy angom-baovao ka tsy mampiasa izany ireo mpisehatra fa miainga amin’ny tsy misy. Mila atao vaindohan-draharaha arak’izany ny fitrandrahana ireo torohay misy, izay
ahitana ireo traikefa mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony

Fomba fiasa iombonana – Manoloana ireo fanamby ireo dia nanapa-kevitrao ireo mpikambana ao amin’ny hetsika Alamino ny hanangona ireo fenitra fototra tokony harahina mba hahombiazan’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara.
Dimy volana izay no nifampizara sy niaraka nikaon-doha ireo mpisehatra isan-tsokajiny ka nanambatra ireo fahalalany sy traikefany, tamin’ny alalan’ny atrikasa, fakan-kevitra, dinidinika izay nahafahana namoaka ny marimaritra iraisana
mahakasika ireo fenitra tokony arahana. Miantso ireo mpisehatra voakasik’izany izy ireo ankehitriny mba hanaraka an-tsakany sy an-davany ireto fenitra 10 ireto, izay tsy azo ihodivirana amin’ny fahombiazan’ny fandrakofana ala ny
Nosintsika.

Torolàlana mora ampiarina sy mivoatra – Ity torolalana ity dia natao ho fitaovana mora ampiasaina ho an’ireo mpitondra tetikasa sy ny daholobe, na ireo manana traikefa izany na ireo izay vao hampaniry hazo. Miendrika
fafana asiana marika ireo fenitra tsirairay. Izany no mahatonga ny teboka maro amin’ireo voalaza etsy ambany ho efa mahazatra ireo izay efa manana traikefa saingy ireo voalaza rehetra ireo dia manandanja avokoa. Mangataka ireo
manana tetikasa fandrakofana ala izahay mba hametraka marika betsaka amin’ireo fafana, arakaraky ny zava-misy ary ampita aminay ny tokony hanatsarana ity antontan-kevitra ity aorian’ny asa vita. Ny ezaky ny tsirairay mitambatra
no mitondra any amin’ny fandrakofana ala izay ilaina amin’ny fanarenana ny asa fototra tanterahan’ny ala sy ny sahanala, ho tombontsoan’ny firenena.

1. Firotsahana an-tsehatra maharitra

Ireo mpiantsehatra amin’ny fandrakofana ala dia mila mahatsapa fa ny asa dia tsy mijanona fotsiny amin’ny fambolen-kazo. Ny fanomanana, ny fikojakojana, ny fanaraha-maso ary ny fitantanana maharitra ireo velaran-tany voavoly dia mitaky fifantohana avokoa
:

    • Faritana ny tanjona sy ny vokatra andrasana : fambolen-kazo ho an’ny famokarana (kitay sy saribao, trano sy fanaka, voankazo, sns.), fambolen-kazo ho an’ny fiarovana ny nofon-tany, sahan-driaka, loharano, moron-dranomasina,
      sns. sy/na ho an’ny fanarenana sy fikajiana ireo ala sy ny karazajavamananaina.
    • Mizaha ireo toerana vinavinaina anatanterahana ny tetikasa fandrakofana ala (iarahana miasa amin’ireo ministera, kaominina, fikambanana eny ifotony, saritanim-panajarian’ny kaominina, sns.)
    • Fantarina ny toetoetry ny faritra iasana (tany, karazan-javamaniry, karazam-biby, sori-drefitany, toetrandro) sy ny loharano anondrahana ny pepiniera
    • Faritana ny anjara asa sy andraikitr’ireo mpisehatra isan-tsokajiny voakasika mandritry ny tetikasa
    • Mampiasa ny tetika sy ny fomba rehetra hampahomby ny voly hazo ho tonga ala, mba hialana amin’ny voly hazo miendrika fitsangatsanganana
    • Faritana ny arofenitra feno amin’ny fanomanana, ny fambolena sy ny fikojakojana ireo zana-kazo, hatrany amin’ny fanatrarana ny tanjona, miaraka amin’ireo paikadim-piarovana maharitra isorohana ny fanapahana tsy ara-dalàna,
      ny afo sy ny fanimbàn’ny biby fiompy
    • Faritana anatina fe-potoana voafetra ny drafi-pitantanana ireo velaran-tany voavoly, ahitana ireo asa fikojakojana, ireo tompon’andraikitra, ireo vokatra voaangona (voankazo, kitay, hazo ho an’ny trano sy fanaka, vokatra
      avy amin’ny ala ankoatra ny hazo), ny fiodinan’ny fe-potoa-panapahana ny hazo, ny lasitra fiharian-karena
    • Miantoka ny faharetan’ny tetikasa, amin’ny alalan’ny tombony amin’ny fiharian-karena na amin’ny alalan’ny famatsiam-bola maharitra
    • Manao ny fanaraha-maso sy ny tombanezaka ireo asa, miaraka amin’ireo tondrom-pahombiazana mazava, ho fanajana ny arofenitra sy ny fanatrarana ny tanjona

 

2. Fomba fiasa mifantoka amin’ny sahanala

Ny sahanala dia mamaritra toerana izay hisian’ny fambolena, fiompiana, rano, tendrom-bohitra sy vato, lohasaha ary indrindra ny ala. Noho izany ny fandrakofana ala dia sainina ho famenon’ny asa rehetra atao ao anatin’io sahanala io. Ny kendrena dia hananana
sahanala mahatanteraka ny anjara asany amin’ny fanomezana ireo tolotra ilaina avy amin’ny rohivoahary eo amin’ny lafiny ekolojika, fiharian-karena, sosialy. Ilaina ny :

    • Miainga amin’ny antonta-kevitra misy, mahakasika ny drafi-panajariana tany (famaritana ny faritra iasàna, drafi-pitantanana ny sahanala, sns.)
    • Mandrindra ny fandrakofana ala mba hifanaraka tsara amin’ireo zava-misy efa eo an-toerana (fambolena, fiompiana, fizahantany, fotodrafitrasa, sns.) manaraka ny drafi-panajariana tany
    • Mandray anjara amin’ny fitazomana sy/na famerenana amin’ny laoniny ireo anjara asa telo lehiben’ny sahanala : loharanon-drano, kalitaon’ny tany, karazajavamananaina.
    • Mahafehy sy mahazo tsara ireo lokanady sy ny asa eo amin’ilay toerana voakasika (momba ny ala, filàna angovo, fambolena, fiompiana, jono, asa tanana, karazajavamananaina, sns.)
    • Manome lanja ny fiarovana ireo ala tavela sy ny mety ho fampodiana voajanahary ny ala ny paikadim-panarenana ny sahanala
    • Manamafy ny fiarovana ireo karazam-biby (gidro, vorona, sns.) izay manana anjara asa lehibe amin’ny fanaparitahana ny voa, ary manarina ny ala sy ny sahanala amin’ny fomba voajanahary
    • Maminavina sy manombana mialoha ireo trangan-javatra mety hisy fiantraikany eo amin’ny drafi-panatanterahana ny tetikasa (fiovan’ny toetrandro, tsy fandriampahalemana, fifindra-monina)

 

3. Fijerena ny tombontsoan’ny olona eny ifotony

Mialohan’ny asa rehetra, mila mijery sy mifantoka amin’ireo sakana, fangatahana sy filana eny ifotony mifandray amin’ny fandrakofana ala, ahafahan’ny vondrom-piarahamonina sy ireo mpisehatra eny ifotony mirotsaka an-tsehatra sy mandrisika maharitra azy
ireo. Ilaina ny :

    • Maka ny hevitra sy mifanakalo hevitra amin’ireo mponina eny an-toerana dieny amboalohan’ny tetikasa mikasika ny zava-misy iainan’izy ireo, ny filany, ny hetahetany ary mampiditra izany ao amin’ny famaritana sy ny tanjon’ny
      tetikasa
    • Maka hevitra any amin’ireo mpisehatra ifotony hafa (tompon’andraiki-panjakana sy manampahefana eny ifotony, vondrona sy fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana na ONG, sehatra tsy miankina, vondron’ny firaisamonimpirenena,
      raiamandreny ara-panahy sy ara-drazana)
    • Mampifanaraka ny tanjona sy paika miainga amin’ireo fakan-kevitra ireo, mamaly ireo filana fototra voafaritra (fiadanan-tsaina, fidiram-bola ampy, fahampiana ara-tsakafo, fisitrahana fanabeazana, sns.) sy ny fanomezana
      lanja ny fahaizana sy fahalalana eny ifotony
    • Zaraina ara-drariny ireo tombotsoa azo avy amin’ny tetikasa sy ny fisitrahan’ireo mponina eny an-toerana izay nandray anjara mavitrika tao anatin’ny tetikasa
    • Atao izay hisitrahan’ireo olona nandray anjara tamin’ny fandrakofana ala, tombontsoa azo tsapain-tanana, mba hampavitrika azy ireo , raha tetikasa ifarimbonana amin’ny vondrom-piarahamonina ifotony

 

4. Fandraisan’anjara mavitriky ny eny ifotony

Ny fandrafetana, ny fanatanterahana sy ny fanaraha-maso ny asa fandrakofana ala dia mitaky fampandraisana anjara mavitrika ireo vondron’olona ifotony, ireo mpisehatra sy ireo tompon’andraiki-panjakana sy manampahefana eo anivon’ny kaominina, amin’ny alalan’ny
tan-tsoroka mifanaraka amin’izany, izay omena azy ireo. Ilaina ny :

    • Mamantatra ireo rafitra eny ifotony izay azo ampandraisana anjara, na ara-panjakana na tsia, maha solontena ireo mponina eo an- toerana (tanora, vehivavy, foko samy hafa)
    • Resena lahatra ireo ben’ny tanàna, ny sefom-pokontany, ny olobe eo an-tanàna sy ny raimandreny ara-drazana sy ara-panahy, ny tanora sy ny mponina mba ahahatsapa ny lokanadin’ny fandrakofana ala, izany dia atao amin’ny
      alalan’ny fitsidihana fifampizarana
    • Mampahalala ny vahoaka sy ny mpisehatra ireo fitsipika sy lalàna mifehy ny ala sy ny fandrakofana ala, ka miara-miasa amin’ny tompon’andraiki-panjakana mba hisian’ny fampiharana ny lalàna
    • Mampandray anjara mavitrika ireo mpisehatra amin’ny asa fanentanana, fitantanana ireo pepiniera (izay tokony ampanakaikezina ny mponina sy ny toeram-pambolen-kazo), sy fandrafetana ary fitantanana ny tetikasa fandrakofana
      ala rehetra
    • Atolotra ny eny ifotony ireo enti-manana (fitaovana, zana-kazo, sns.) mba ho fanohanana azy ireo. Ilaina arak’izany ny famindram-pitantana sy famindrana andraikitra izay ekana sy ankatoavin’ny fokonolona
    • Mametraka fitaovana fitantanana tetikasa sy fitantanana ala iarahan’ny rehetra mitantana ary mahavahaolana sy mifanandrify amin’ny lokanady eny ifotony. Voakasik’izany ny fitantanana ny disadisa

 

5. Ezaka eo amin’ny filaminan’ny fananan-tany

Ny tetikasa fandrakofana ala dia mila miantoka ny asan’ireo mpampiasa vola sy ireo mpandray anjara eny ifotony mba tsy ho very an-javony, noho ny antony fananan-tany. Ilaina ny fanarahana ireto dingana ireto :

    • Mamantatra ny satan’ ny tany izay hanatanterahana ny fandrakofana ala
    • Raha ilaina, atomboka ny fikarakarana ny antotan-taratasy sy ireo fepetra manaraka ny lalànan’ny fananantany, iarahana amin’ireo ratsamangaikin’ny ministera miandraikitra ny fananan-tany, ny tontolo iainana sy ny fandrakofana
      ala
    • Ho an’ny tetikasa fandrakofana ala sahanin’ny tantsaha na ny vondron’olona, manome tan-tsoroka azy ireo amin’ny fahazoana tany ara-dalàna
    • Raha tsy misy ny taratasy manamarina mazava ny fananan-tany, dia miaraka mikaroka vahaolana amin’ireo mpisehatra eny ifotony, hitazomana ny tombontsoa azo avy amin’ny fandrakofana ala (fiarovana ny fampiasan-tany)
    • Fakafakana tsara ny fahefana manatanteraka ny fanomezana an’ireo vondron’olona ireo kara-tany hoan’ireo tany nambolena hazo, alohan’ny hanomezana toky azy ireo, hisorohana ny tsy fifankahazoana miteraka tsy fahatomombanan’ny
      asa

 

6. Drafim-pambolena maty paika

Misy dingana maromaro ny fikarakarana ny zana-kazo sy ny fotoam-pambolena, ary mila arahana an-tsakany sy an-davany ireo dingana ireo mba ahitam-bokatra sy hanatrarana ireo tanjona napetraka. Ilaina ny :

    • Mamaritra mazava tsara ny toerana ho rakofana ala, alaina sy tehirizina ireo fangitra ara-jeôgrafika anaovana ny fanaraha-maso.
    • Mamaritra sy manaraka tetiandro voarindra mifanaraka amin’ny vanim-potoanan’ny orana, hampitomboana ny tahan’ny fahaveloman’ireo zana-kazo.
    • Mametraka drafim-panajarina sy fanomanana ny toerana hambolena (fisafidianana ny karazan-kazo, fiasana ny tany, fambolena, ny elanelana eo amin’ireo hazo sy ny isan’ny hazo isaky ny hektara, fanondrahana, fiarovana,
      fanaovana sy fikojakojana ireo aro afo)
    • Mamaritra fomba fiasa hamokarana zana-kazo sy/na masomboly
    • Mamboly karazan-kazo tsara kalitao : miantoka ny fiavian’ny masomboly, manala mialoha ireo zana-kazo marefo dieny eo amin’ny pepiniera, maka fepetra hiarovana ireo zana-kazo mandritry nt fitanterana
    • Manomana ireo fitaovana sy ny isan’ny olona ilaina mialoha (fitaovana, fanondrahana, daba-pako, fitaterana ireo mpandray anjara, rano fisotro, sakafo, sns.)
    • Dinihina mialoha ireo fomba anangonana ireo fako indrindra fa ireo sase plastika avy nampiasaina tamin’ny zana-kazo, na mampiasa fonosana mora levona na azo averina ampiasaina.

 

7. Fisafidianana ny karazan-kazo mety

Ireo karazan-kazo (an-tanety na ala honko) hambolena dia safidiana manokana ahafahana mampiakatra ny tahan’ny fahombiazan’ny fambolena sy ny tombon-tsoa eo amin’ny lafin’ny fiarahamonina, fiharian-karena sy ny tontolo iainana. Ilaina ny mampifanaraka
ireto tanjona ireto, arakaraka ny zava-misy :

    • Mampifanaraka ny tanjon’ny tetikasa sy ny filàn’ny vondron’olona eny ifotony (toy ny hazo atao fanaka, ireo hazo fihinam-boa, hazo kitay sy saribao, hazo haingam-pitombo)
    • Misafidy karazan-kazo mahazaka ny fiovan’ny toetrandro sy toe-tanin’ny faritra anatanterahana ny fambolena
    • Misoroka ny fambolena karazan-kazo mora miparitaka manodidina ny faritra arovana (Akasia mangium, kesika, mimoza, sns)
    • Mamboly karazan-kazo maro ary omena vahana ireo karazan-kazo zanatany.
    • Miomana mialoha amin’ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro arakaraka ny toerana ho rakofana ala, ohatra amin’ny alalan’ny fambolena karazan-kazo mahazaka ny fiakaran’ny hafanana, fidinana na fiakaran’ny rotsak’orana.
    • Amin’ireo faritra kaohan’ny riaka (sahan-driaka tsy misy zava-maniry, lavaka, atsanga), misafidy ireo karazan-kazo afaka mitazona sy manarina ny tany ary mamerina ny tsiron-tany (vétiver, volobe, sns.)

 

8. Mpiantsehatra voahofana

Ireo mpandrindra sy tompona tetikasa dia miantoka ny fahazoan’ny mpiantsehatra rehetra fahalalana, fiofanana sy ny fahaiza-manao ilaina, mandritra ny asa rehetra kasaina atao. Ilaina ny :

    • Eo amin’ny fananganana ny tetikasa, miantso sy misafidy ary mampiasa olona niofana sy mahafehy ny dingana rehetra amin’ny asa fandrakofana ala, manomboka amin’ny fandrafetana izany mba amaliana ny filàna sy ny olàn’ny
      sahanala voakasika.
    • Mikatsaka ireo fahaiza-manao ilaina amin’ny fahombiazan’ny tetikasa sy miantoka ny fahaiza-manaon’ireo mpiantsehatra izay nisitraka fiofanana, tafiditra ao anatin’izay ireo vondron’olona sy mpisehatra eny ifotony
    • Mikaroka na mamorona fitaovana enti-mampiofana mifanaraka amin’ny vondron’olona kinendry, indrindra ireo tohan-tserasera an-tsary manoloana ny tsy fahafahana mamaky teny sy manoratra
    • Arakaraka ny filàna, mandrafitra fampiofanana ho an’ny mpampiofana entina mizara ny fahalalana sy fahaiza-manao eny ifotony.
    • Manome lanjany fiofanana ahitana ny fikarakarana, fanaraha-maso sy fanaovana tomban’ezaka, ary ny fahazoana ny tombontsoa omen’ny ala araka ny haben’ny sahanala

 

9. Fomba fiasa voarindra

Ireo mpisehatra amin’ny fandrakofana ala (tompon’andraikim-panjakana, firaisamonimpirenena, vondrona sy fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana na ONG, sehatra tsy miankina, mpiara-mombon’antoka teknika sy mpamatsy vola, sns.) dia tsy maintsy manome
lanja ny fandrindrana ireo asa rehetra, mizara ireo fomba fanao mahomby sy mandray anjara amin’ny famahana ireo sakana eny ifotony sy eo amin’ny sehatra nasionaly. Ilaina ny :

    • Miara-miasa akaiky amin’ireo tompon’andraikim-panjakana eny ifotony (kaominina, fokontany, ireo mpitondra ara-pinoandrazana), mamolavola ny tetikasa sy manara-maso izany (ohatra : ahafahana miaro ny faritra voavoly
      hazo amin’ny afo)
    • Miserasera sy mampahafantatra ireo fitaleavam-paritry ny ministera voakasika, momban’ireo asa fandrakofana ala kasaina rehetra, ahafahana manao fanaraha-maso mirindra manerana ny Nosy
    • Mifampizara ireo lesona azo tsoahina sy ireo fomba fanao mahomby miaraka amin’ireo mpisehatra hafa
    • Mandray anjara amin’ireo asa santatra fikaonandoha sy fisaintsainana iombonana eny ifotony na amin’ny sehatra nasionaly, arakakaraky ny fahafahana sy ny fahefa-manao, mikendry fomba fiasa voarindra ho amin’ny fandrakofana
      Ala sy ny famerenana indray ny Nosy ho maitso

 

10. Fampiasana mahomby sy fanatevenana ny toro sy angom-baovao efa misy

Tsy tokony hiainga amin’ny tsy misy ireo mpisehatra amin’ny fandrakofana ala. Ny mifanohitra amin’izany aza no tokony hatao, dia fanomezan-danja ireo traikefa azo tamin’ireo asa efa nisy, sy fampiasana ireo torolalana sy atontan-kevitra efa misy. Ilaina ny:

    • Mijery sy maka lesona amin’ireo tetikasa sy asa santatra efa nisy sy an-dalam-panantanterahana eo amin’ny toerana iasana, mamakafaka ireo fahombiazana sy ireo lesoka, ary mandravona ireo lesona notsoahana tamin’ny alalan’ireo
      traikefa ireo.
    • Mitrandraka ireo torolalana fototra sy ireo antotan-kevitra novolavolain’ireo tompon’andraikim-panjakana sy ireo mpisehatra marolafy, manakim-po amin’ity lohahevi-dehibe ity (hita ao amin’ny loharanon-kevitra ao ambany)
    • Manome domberina momban’ny traikefa azo tamin’ny firotsahana an-tsehatra, ireo mpamolavola ireo torolalana ireo, entina manatsara hatrany ireo loharanon-kevitra efa misy
    • Manampy ny mpandrindra ny tetikasa, amin’ny fampitomboana ireo fizaran-kevitra sy fitrandrahana ireo tahirin-kevitra momba ny fandrakofana ala eto Madagasikara

 


 

TAHIRIN-KEVITRA ILAINA

Fanarenana ny sahanala sy ny ala

Torolalana amin’ny fambolen-kazo

Fisafidianana ny karazan-kazo

Hazo atao angovo

Resaka fananan-tany

Tahirin-kevitra hafa

 

Havaozina hatrany ity lisitra ity, mandefàsa mailaka aty aminay, raha toa ka mahatsikaritra tsy fahampiana na mahita tahirin-kevitra vaovao :  lrakotomalala@indri.solutions

 


 

FANDRAKOFANA ALA MAHOMBY : OLONA MIISA 100 NO NANOLON-TENA

Ireo fenitra miisa10 momban’ny fahombiazan’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara ireo, dia tohanan’ny :

 

Vahinala Baomiavotse Raharinirina
Ministre de l’Environnement et du Développement Durable

Hortençia Antoinesie Haingosoa
Vice Ministre Chargée de la Reforestation auprès du Ministère de l’Environnement et du Développement Durable

Samantha Ambler
Forest Restoration Specialist, SEED Madagascar

Lalao Aigrette
Responsable Technique de programme Mangrove, Blue Ventures

Tahiana Andriaharimalala
Directeur du Centre National de Formation d’Étude et de Recherche en Environnement et Forestier (CNFEREF)

Michelle Andriamahazo
Chargée d’Etudes au Service Environnement Climat et Réponses aux Urgences, Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage

Tiana Andriamanana
Directrice exécutive de Fanamby

Monique Andriamananoro
Programme RINDRA – secteur Environnement et Développement Durable

Gérard Andriamandimby
Directeur du Réseau SOA

Laza Andriamboavonjy
Head of Environmental Conservation and Sustainable Livelihoods, SEED Madagascar

Joary Niaina Andriamiharimanana
Responsable de la composante « Amélioration des conditions cadre administratifs et technique », Programme PAGE/GIZ

Ando Andrianarivelo
Présidente de la Gasy Forestry Student’s Association

Rado Andrianindrianarivelo
Président de Regeneration Land

Seheno Andriantsaralaza
Madagascar Manager, Lemur Conservation Network

Philippe Bamigbade
Chef de Projet à Madagascar, Forests4Future – GIZ

Nigar Barday
Directeur Général de la Société Industrielle Barday (SIB)

Olivier Behra
Secrétaire Général, L’Homme et l’Environnement

Stephen Boucher
Fondateur et Directeur du think tank Dreamocracy

Jean-Marc Bouvet
Directeur Régional, Afrique Australe et Madagascar, CIRAD

Anthony Bracke
Coordinateur, Analalava Tia Fandrosoana (ATF)

Michaela Braun
Directrice du Programme de Protection et exploitation durable des ressources naturelles (PAGE), GIZ

Christian Camara
Représentant permanent, Missouri Botanical Garden (MBG)

Romain Cogne
Délégué National, Planète Urgence

Emmanuel Cotsoyannis
Directeur Général du fond Miarakap

Frédéric Debouche 
Président fondateur de Graine de Vie

Gaëtan Etancelin
Directeur de SOPRAL

Sariaka Falianja
Vice-présidente du CA et Présidente de la Commission Environnement et Développement Durable, Groupement des Entreprises Franches et Partenaires (GEFP)

Claude Fanohiza
Directeur Exécutif, Fondation Tany Meva

Max Fontaine
Fondateur et Gérant, Bôndy

Eric Gateau
Président, AMADA Madagascar

Yves Guicquéro
Directeur Madagascar, Agence Française de Développement

Harrisson Hamill
Directeur Exécutif, Dry Forest

Evah Haririsoa
Coordonnatrice de programme environnement et changement climatique, SAF / FJKM

Michael Harison
Ancien Directeur Général de l’ONE (Office National de l’Environnement)

Mahefatiana Heriantenaina
Président National de l’organisation paysanne FEKRITAMA

Claire Kaboré
Représentante à Madagascar, Gret

Marie Christina Kolo  
Coordinatrice et Gérante, Green N Kool

Michel Laloge
Chef de Coopération, Délégation de l’Union Européenne à Madagascar

Adrien Lepage
Coordinateur et Représentant d’Agrisud International

Adrian Levrel
Directeur Pays, Insuco

Richard Lewis
Directeur du Programme Madagascar, Durrell Wildlife Conservation Trust

Hermany Manahadraza
Président National du Réseau MIHARI

Tiana Manantsoa
Directeur Général de l’ONG Tandavanala

Rina Mandimbiniaina
Madagascar conservation Coordinator, Rainforest Trust

Lauréat Mandresilahatra
Coordinateur National, Cœur de forêt Madagascar

Andry Manoby
Président de l’Association des Techniciens pour le Développement du Sud (ATDS)

Francois-Xavier Mayer
Administrateur trésorier, Confédération du Tourisme de Madagascar

Carlo Merla
Chef d’Equipe FANAINGA – Appui à la société civile malagasy

Jean-Philippe Palasi
Directeur Exécutif, INDRI

Karine Rabefaritra
Communicante, Co-fondatrice de l’Agence Solutio et de l’Agence Dujardin Delacour & Cie

Ravonantenaina Rabekijana
Responsable communication, Association MANA

Henintsoa Rabemananjara
Conseiller Technique, ProSol – GIZ

Liva Raharijaona
Directeur exécutif, Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM)

Corrine Rahoeliarisoa
Coordinatrice Nationale, Coalition Nationale de Plaidoyer Environnemental (CNPE)

Serge Rajaobelina
Président de Sahanala

Fanjanirina Rajaonarivelo
Coordonnatrice Régionale, DELC Mizàna Maitso

Fredy Rajaonera
Directeur Général Adjoint, Chocolaterie Robert (Groupe Ramanandraibe)

Sahondra Rajoelina
Directrice pays, Conservation International (CI)

Mamy Rakotoarijaona
Directeur Général, Madagascar National Parks (MNP)

Naly Rakotoarisendra
Présidente de l’Association Fakotôry

Léonard Rakotomalala
Directeur Exécutif, ONG SAHA

Linjasoa Rakotomalala
Chercheuse et Chargée de Mission, Paysages Terrestres et Forêts, INDRI

Hajasoanirina Rakotomandimby
Président, Coalition Paysanne de Madagascar (CPM)

Sarobidy Rakotonarivo
Chercheuse en socio-economie de l’environnement, École Supérieure des Sciences Agronomiques, Université d’Antananarivo

Jean Rakotondralandy
Responsable QHSSE, LABO OI

Vatosoa Rakotondrazafy
Coordinatrice Nationale des Paysages Terrestres et Marins, INDRI

Andrianamenosoa Rakotondrasoa
Coordinateur des Opérations, Nitidae

Rodin Rakotoniarivo
Coordonnateur Technique National, SAGE Fampandrosoana Maharitra

Rivoarilala Rakotoniriana
Président de l’association GOSOC Komanga

Barijaona Ramaholimihaso
Conseiller du Directeur Général, Banque BNI Madagascar

Gérard Rambeloarisoa
Coordinateur de l’Approche Paysage, CRS Madagascar

Niandry Ramboason
Leader et Directeur de programme, Renirano by Madagascar Will Rise

Vony Raminoarisoa
Directeur Exécutif, ASITY Madagascar

Zina Raminosona
Chief Executive Officer, KAKI Agency

Heriniaina Randriamalala
Programmes Executive Officer, YMCA Madagascar

Sandrina Randriamananjara Andriamanjato
Trésorière, Association des Professionnels de l’Urbain (APUM), Présidente, Association Fonenana Mendrika

Jules Randrianarivelo
Président de l’association KOLOHARENA

Dauliviet Randrianasolomahatratra
Assistant Technique des Opérations, PADAP

Tsiry Randrianavelo
Fondateur et Président du Conseil d’Administration, Move up Madagascar

Tsilavina Ranoelimanana
Président Fondateur, Association Ank’izy

Eric Raparison
Coordinateur national, plateforme solidarité des intervenants sur le foncier (SIF)

Miora Rapatsalahy
Gérante et Présidente, Tour Malin Madagascar et ANTSO RE (Association Nationale pour le Tourisme Solidaire et Responsable)

Hariliva Rasoariinorolalao
Chef de Division bovin à viande, Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage

Lovy Rasolofomanana
Directeur Pays, World Conservation Society (WCS)

Voary Rasoloson
President & Co-founder, Association Voarin’i Tsiazompaniry

Saroy Rasoloson
Membre du Conseil d’Administration, L’Homme et l’Environnement

Romuld Ratefiarivony
Membre Comité Central, FFKM

Nanie Ratsifandrihamanana
Directrice Pays, WWF Madagascar

Jonah Ratsimbazafy
Président du Groupe d’Etude et de Recherche sur les Primates de Madagascar (GERP)

Jean-Solo Ratsisompatrarivo
Chef de Projet, Pact

Mimie Ravaroson
Co-fondatrice, Latérite Rouge

Mbolatiana Raveloarimisa
Fondatrice de Wake Up Madagascar, Secrétaire Exécutive de la Coalition des Radios

Dominique Raveloarinanja
Responsable Partenariats et Suivi et évaluation, Mentor E.C.C.E.

Julie Razafimanahaka
Directrice Exécutive, ONG Madagasikara Voakajy

Angeline Razafimbololona
Présidente, Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly (TTMN)

Mirado Razafindrakoto
Chef de service des Études Environnementales, Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers

Hélène Razafindrasoa
Présidente, Federasiona ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara (FVTM)

Ndranto Razakamanarina
Président du Conseil d’Administration, Alliance Voahary Gasy

Erik Reed
Natural Resource Management Specialist, Banque Mondiale

David Roger
Directeur Général du cabinet de conseil BuyYourWay

Voahangy Soarimalala
Coordinateur scientifique, Association Vahatra

Zoralien Tombofeno
Président, FIkambanana VElona Hampandroso Iharana (FIVEHI)

Julio Vahatriniaina
Directeur de l’ONG Vahatra

Clémentine Voninavoko
Coordinatrice nationale adjointe, Programme de Lutte Antiérosive (PLAE)

Evrard Wendenbaum
Président et Fondateur, Naturevolution

Lucienne Wilmé
Coordinatrice Nationale du Programme Madagascar, World Ressource Institute (WRI)

Harimpitia Zafindranoro
Directeur Régional, Fonds de Développement Agricole Région SAVA

Post a comment