Fambolena an-tanàn-dehibe sy faritra maitso eto Antananarivo : inona ireo fanamby ary manao ahoana ny fampandrosoana azy ?

Tanatin’ny taona maro izay, dia betsaka amin’ireo toeram-pambolena an-tanàn-dehibe sy ny faritra maitso no simba. Izany dia noho ny fandrosoana haingana loatra sy tsy manara-dalàna, fa eo ihany koa ny tsy fahampian’ny vola sy ny fandrindrana ny tanàna, ary ny fitomboan’ny fanotofan-tany izay tsy ara-dalàna ny ankamaroany. Kanefa ireo faritra ireo dia tena manan-danja ho an’ny mponina. 

Ny fambolena an-tanàn-dehibe dia zava-dehibe. Loharanom-bola ho an’olona maro izy io no sady mandray anjara amin’ny famatsiana ara-tsakafo ary amin’ny fanadiovana sy ny fandehan’ny rano. Anisan’ny mampiavaka ny tanàna ihany koa izany.

Ny faritra maitso indray dia manan-danja noho izy manatsara ny fiainan’ny olona. Ankoatran’ny maha fanaingoana sy fanomezany endrika tsara ny tanàna, dia tena ilaina izy ireo ahafahan’ny mponina mifampizara fotoana mamy eo aminy.
Sandrina Randriamananjara Andriamanjato, Talen’ny fanajariana ny tanàna ao amin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra (CUA) sady mpiara-manorina ny INDRI dia mizara amintsika bebe kokoa momba ny fanamby momba izany tontolo izany sy ny asan’ny CUA hitandroana ireo faritra maitso sy ny famoronana faritra vaovao.

Amin’ny maha Talen’ny fanajariana ny tanàna anao, dia miandraikitra ny momba ny voly an-tanàn-dehibe sy ny faritra maitso eto Antananarivo ianao. Afaka fintininao ve ny mombamomba izay ?

Raha ny ara-tantara no jerena, dia tanàna voahodidina tanimbary i Antananarivo. Ny voly an-tanàn-dehibe dia anatin’ny tontolon’ny renivohitra, ny tantarany ary ny fomba amam-panaony. Noho ny fandrosoan’ny tanàna sy ny fihitarany, dia mihena nefa izany tontolo maitso izany. Izany toe-javatra manahirana izany no mahatonga ny kaominina hanao ezaka amin’ny fiarovana ireo toeram-pambolena an-tanàn-dehibe ireo. Raha ny resaka fandrindrana indray, dia nanomboka nanatanteraka paikady hiarovana sy hametrahana fepetra manome lanja ny fambolena izahay amin’ireo toerana ireo, izany hoe ny drafi-panajariana dia mametraka ireo faritra ireo ho toeram-pambolena eto Antananarivo ary tsy azo hanorenana eo aminy. Izany dia hanampy ireo toerana ireo hijanona ho faritra mando sy tahirin-drano, ahafahany ihany koa hijanona ho loharanom-bola ho an’ny olona maro, ary hitazomana ny tontolo an-tanàn-dehibe araka ny fahafantarantsika azy, izay anisan’ny mampiavaka ny renivohitra.  

Momba ny fambolena an-tanàn-dehibe, inona no maha zava-dehibe azy ary manao ahoana ny fivoarany ?

Karazam-pambolena roa no hita eto Antananarivo : ny fambolena izay atao an-tendrombohitra sy ny fambolena eny amin’ny lemaka.  Ankehitriny ny fambolena izay eny amin’ny lemaka dia iharan’ny fanotofan-tany sy ny fihitaran’ny tanàna izay tena mila fehezina. Ankilan’izay koa, dia ifaharan’ny rano maloto izy ireo ka mahatonga ireo vokatra volena eo aminy tsy azo hohanina. Amin’izao fotoana izao koa dia lasa fivoahan-drano maloto ny lakandrano, izay mitarika olana ho an’ny fahadiovana. Manoloana izany, dia tsy maintsy ampifanarahana amin’ny zava-misy ny fotodrafitrasa mba handrindrana ny fikorian’ny rano. Manao ezaka momba ny resaka fanadiovana mihitsy moa ny kaominina hampisaraka ny lalana fivoahan’ny rano maloto sy ny lakandrano.

Inona kosa no ataonareo momba ny fambolena an-tanàn-dehibe ?

Miara-miasa akaiky amin’ireo mpamokatra izay miasa amin’ny toerana voatokana ho an’izany izahay. Raha eo anivon’ny taninjanakazonay eo Antanimena fotsiny izao, dia manana foibe fanangonana sy fivarotana vokatra eto an-toerana ho fanohanana ireo tantsaha ireo izahay. Manao ezaka koa izahay ny tsy hahatonga ireo faritra ireo ho simban’ny fanotofan-tany. 

Momba izay indrindra, maro no mitaintaina manoloana ireo fanotofan-tany maro. Isan-taona, dia mampihena ny toeram-pambolena izy ireo ary mampitombo ny tondra-drano. Inona no ataon’ny CUA hamahana izany olana izany ?

Zavatra roa samihafa aloha ny fanotofan-tany sy ny fanadiovana. Ny fanotofan-tany dia teknika fanorenana toy ny rehetra ihany, izay ahafahana manova ny tany na faritra iray ka mahatonga izany tany izany ho azo onenana. Raha ny eto Antananarivo, ny fanotofan-tany dia mamadika ireo tanimbary taloha sy faritra mando ho lasa tany feno azo anorenana. Ilaina izany raha hanao fanitarana satria efa vitsy ireo tany azo anorenana. Ilaina ihany koa ny fanotofan-tany indraindray raha te hanitatra ny tanàna sy hampitombo ny asa eo aminy, trano fonenana sy fotodrafitrasa hafa. 

Kanefa noho ireo vokatra ratsy maro aterak’ireo fanotofan-tany, dia voararan’ny lalàna izy ireo nandritra ny filan-kevitry ny minisitra. Ny hevitra dia io didim-panjakana io dia tokony hamela ny tanàna sy ny tompon’andraiki-panjakana rehetra hametraka paikady ahafahana mamaritra ny laharam-pahamehana sy ahafahana mampiasa vola avy eo. Mba hahafahana manafoana io didim-panjakana io dia ilaina aloha ny mamaritra ny laharam-pahamehana mba ahafahana mampandroso ny sehatra sasany. Mba tsy hampitombo ny tondra-drano, dia mila manao fotodrafitrasa manonitra ny sasany. Fotodrafitrasa nefa midika hoe fampiasam-bola, izany hoe vola ; mila tadiavina izany ny fomba ahafahan’ny tanàna mivelatra fa anaty rafitra voafaritra tsara. 

Inona koa ny paikady hafa entinareo hanenana ny tondra-drano ?

Sedra lehibe ny tondra-drano. Miaina ny fiovan’ny toetrandro i Antananarivo, izay nampitombo ny tondra-drano nandritra ny taona maro izay. Ankilan’izay, dia misedra ny tsy fahampian’ny fotodrafitrasam-panadiovana isika. Tsy niomana ny handray ny rano raisiny ankehitriny ny tanàna : tsy ampy ny lakandrano fototra, faharoa ary fahatelo, ary tsy ampy koa ireo dobo izay afaka mizaka ny rano izay manentsina ny tanàna mandritra ny fotoanan’ny orana. 

Izany rehetra izany dia mitaky asa lehibe izay mila vola be, vola izay tsy ananan’ny CUA. Kanefa dia tokony hatsaraina fotsiny ny lakandrano misy. Indrisy anefa fa mihavitsy ireo lakandrano ireno eny amin’ny kartie noho ny fanorenana tsy ara-dalàna sy ny tsy fahalalàn’ny maro ny maha zava-dehibe azy ireo. Manoloana izany, dia manao asa fanadiovana sy fikojakojana ireo lakandrano ny CUA. Soa anefa fa manana fitaovana izahay vokatr’ireo fiaraha-miasa maro, izay ahafahanay manatanteraka ireo asa ireo.

Ampatsiahivina fa ny fahavalo voalohany ho an’ireo lakandrano ireo dia ny fako izay tsy mampikoriana tsara ny rano. Iadiana amin’izany, dia manentana foana ireo mponina eny anivon’ny fokontany maro izahay mba hanary ny fakony eny amin’ny dabam-pako fa tsy hanary izany any amin’ny lakandrano. Mbola betsaka ny tokony atao hamahana ny olan’ny fanadiovana eto Antananarivo.

Momba ireo faritra maitso, tsikaritra fa nampiasa vola ny tanàna, marimarina kokoa eo Ambohijatovo. Afaka hazavainao ve ny tanjon’ny kaominina momba izay ? Inona no maha zava-dehibe an’izany manoloana ireo fanamby maro ?

Anisan’ny laharam-pahamehan’ny Ben’ny Tanàna ny faritra maitso. Anatin’ny fandaharan’asany ny hoe “Antananarivo, tanàna maitso”. Ny vina dia ny fampandrosoana ny tanàna izay miompana amin’ny fametrahana ny faritra maitso ho laharam-pahamehana, voalohany indrindra noho ny antony ara-endrika satria ny tanàna tsara endrika dia ahafahan’ny olona miaina tsaratsara kokoa. 

Ny tanàna misy faritra maitso dia mahasalama kokoa noho ny asan’ny zavamaniry ao aminy fa eo ihany koa noho ireo hetsika maro azo atao amin’ireny faritra maitso ireny, satria lasa azo atao ny fitsangatsanganana amina toerana madio anatin’ny tanàna na koa hoe ny fanatanjahantena. Amin’izay lafiny izay dia antenaina fa hihatsara tsikelikely ny fiainan’ny tsirairay eo amin’ny tanàna. 

Manana fomba maro izahay ho fampitomboana ny faritra maitso : ao ny vola manokan’ny kaominina amin’ny alalan’ny zaridaina lehibe, izay nahavitanay ny zaridainan’Anosy sy Ambohijatovo. Eo ihany koa ny tetikasa madinika iarahana amin’ny fokontany sy ireo fikambanan’ny mponina izay ahafahanay mamorona faritra maitso kely anatin’ny kartie, izay ny mponina ihany no mikarakara azy. Ary ny farany dia ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny tsy miankina : misy ny orinasa sasany miara-miasa amintsika mba hahafahany mamorona toerana maitso manodidina ny faritra iasany, ka tanjona hatrany ny hahatonga ny tanàna ho kanto sy ho azo onenana kokoa. Ary tena hankamamianay izany.

Voakarakaran’ireo mponina tsara kosa ve ireo faritra maitso eny anivon’ny fokontany ?

Tsapanay hoe liana amin’ny faritra maitso ny mponina fa tsy voatery mahay mikarakara izany anefa izy ireo. Izay indrindra no antony hanomezanay azy ireo tosika teknika ahafahany mikarakara tsara ireo faritra ireo. Mila fotoana koa anefa izany ary manao fanentanana maro izahay. Arakaraky ny fokontany kosa ny hoe mety sy tsy mety. Misy fokontany mahavita mamokatra zana-kazo avy amin’izay nomena azy tamin’ny voalohany. Ary ny sasany kosa nefa dia mandao mihitsy ireo faritra maitso satria mila fotoana be ny fanondrahana sy ny fikarakarana azy. Miankina tanteraka amin’ny fandraisan’izy ireo an’ireny tetikasa kely ireny izany ilay izy. Fa na eo aza izany, dia tohizanay foana ny ezaka ary misokatra ho an’ny rehetra izay manana tetikasa izahay. 

Inona kosa no olana sy sakana amin’ny famoronana faritra maitso an-tanàn-dehibe, ohatra hoe ny tsy fahampian’ny tany sy ny vola ?

Marina tokoa fa ny tany an-tanàn-dehibe no tany manana sanda ara-bola lehibe. Noho izay antony izay no tsy mampazoto ny olona hanao faritra maitso. Sady misedra fibodoan-toerana be koa ny tanàna, izany hoe ireo tsy mazoto mihitsy ireo olona ny hamboly eo amin’ireo toerana malalaka an-tanàn-dehibe fa aleony mametraka toeram-pivarotana kely. Ankoatra izay, dia olana iray koa ny fiarovana. 

Miresaka betsaka momba ny fandraisana ny tanàna ho toy ny an’ny tena aho, satria ny faritra maitso dia fananana iombonana ary fanamby lehibe izany eto an-tanàn-dehibe. Misy mangalatra ireo zavamaniry, misy manimba ny faritra maitso, ka tsy maintsy miaro ny faritra maitso tsy ankiato izahay. Kanefa tsy manakana ny maro koa izany hiaro ireo faritra maitso, ary mifanampy mihitsy aza ny mponina sy ny kaominina hampaharitra azy ireo.

Ahoana no ahafahan’ny manam-pahefana an-toerana sy ny mponina miara-miasa amin’ny famoronana sy ny fikarakarana ny faritra maitso sy ny toeram-pambolena an-tanàn-dehibe ?

Miezaka ny manararaotra ny tolotra misy rehetra izahay : ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina, amin’ny fokontany, ny fikambanan’ny mponina… Manao fanomezana zanakazo koa izahay indraindray. Niara-niasa tamin’ny masoivohon’i Japon izahay nisy fotoana nahafahanay nanome zanaka serizy japoney tamin’ireo nangataka izany. Manao hetsika vitsivitsy toy izany izahay ary misokatra ho an’olon-drehetra izay liana, araka izay tratranay. 

Mazava ho azy fa tsy manome izany izahay raha tsy fantatray mazava fa hampiasaina amin’ny rariny ireo zavamaniry fa tsy ho amidy eny an-tsena. Izany hoe misy ny fanaraha-maso rehefa manome zavamaniry ho an’ny olona iray izahay, dia mijery ifotony fa tena voavoly ilay izy ary hahazoan’ny fiaraha-monina tombony. Tsy manome zavamaniry ho an’ny zaridaina manokana izahay, satria ny laharam-pahamehana dia ny hahasoa ny tombontsoan’ny tsirairay.

Inona avy ireo fomba fiasa amin’ny fambolen-kazo no mahomby indrindra amin’ny famerenana amin’ny laoniny ny faritra simba amin’ny faritra an-tanàn-dehibe ?

Ny fambolen-kazo amin’ny tontolo an-tanàn-dehibe aloha dia mitaky ny fisian’ny tany, izay mbola sarotra. Miasa betsaka amin’ny lalam-pirenena izahay, izany hoe manodidina ny lalana ohatra na fotodrafitrasan’ny Fanjakana na ny sisa tavela amin’ny seha-panjakana. Amin’ny toe-javatra rehetra, dia ny fanentanana eny ifotony no tena ataonay. Miezaka ny mijery ny fahavononan’ny mponina izahay, satria tsy misy dikany ny fambolen-kazo raha misy ny fanimbana na halatra. 

Voalohany indrindra, misy io fomba fiasa io ary avy eo, mazava ho azy, misy ny fikarakarana sy fanadiovana. Mandefa ekipa ny CUA hikarakara, handavaka sy hamboly eo amin’ireo toerana ireo. Manatanteraka fambolen-kazo na miaraka amin’ny mponina izahay, na izahay irery fa mandray anjara ny fokontany. Tsy manao fambolen-kazo betsaka an-tanàn-dehibe izahay satria tsy ampy ny toerana. 

Ny tena zava-dehibe, dia anatin’ny ny fandrindrana ny tanàn-dehibe dia manomana ny fahazoana tany lehibe mihitsy izahay ahafahana mamboly hazo ao an-tanàna. Ka anatin’ny drafitra efa omanina izany (ny PADARM manodidina ny rocade Iarivo sy ny PRODUIR, ao amin’ny boriborintany voalohany sy ny fahefatra), dia ahitana faritra azo hambolena hazo.

Ahoana no ahafahan’ny faritra maitso na ny toeram-pambolena an-tanàn-dehibe mandray anjara amin’ny fanalefahana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro, indrindra ny tondra-drano ho an’Antananarivo ?

Ny toeram-pambolena an-tanàn-dehibe dia toerana ahafahan’ny rano miangona mandritra ny fiakaran’ny rano. Zava-dehibe ny fitandroana azy ireo ahafahany mitazona izay asa izay indrindra amin’ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo. 

Ny momba ny faritra maitso indray, ny mahatsara azy dia ny fitomboan’ny alokaloka eto an-tanàna, izay manalefaka ny fiantraikan’ny hafanana indrindra mandritra ny haintany. Tamin’ny taona lasa, dia niaina haintany goavana i Antananarivo ary fantatsika fa hitombo ny fiovaovan’ny toetrandro. Manoloana izany, dia zava-dehibe ny fisian’ny hazo satria manalefaka ny fiakaran’ny maripana ety amin’ny tanàna, izay tsy ahitana afa-tsy biriky, betao sy vera. Izany dia ahafahantsika miaina tsara sy mananao tontolo iainana tsara kokoa, ary rivotra madio kokoa.

Anisan’ireo mpiara-manorina ny INDRI ianao, azonao lazaina aminay ve ny tena maharisika anao amin’ny fomba fiasa INDRI eto Madagasikara?

Ny tena maharisika ahy amin’ny INDRI, dia ny fahasamihafan’ny mpikambana, ny fomba fiasa ary ny asa atao, indrindra indrindra ny fisafidianana ny fanetsiketsehana ny fahiratan-tsaina iombonana. INDRI dia anisan’ireo vovonana mampiseho fa tsy afaka tantanana irery ity firenena ity. Raha ny tokony ho izy aza, dia tena mila fifampizarana tsara i Madagasikara, hahafahana mamoaka ny tena maha-izy azy sy ny lalana tokony izorana. Isaky ny misy fanamby, dia tokony iarahana jerena ny paikady raisin’ireo mpisehatra. 

Tena io toe-tsaina mandray anjara io, io fiaraha-miasa maharitra io no ahafahantsika rehetra mivoatra. Ary eto no misy ny fifanakalozana fahalalana, kolontsaina ary soatoavina izay ahafahan’ny firenena sy ny mponina ao aminy hahavita mihoatra ny zavatra iainantsika ankehitriny. Izao no lanjan’ny INDRI ho ahy: miompana amin’ny fifanomezan-tanana, manome fanohanana maharitra ho an’ny mpisehatra ary manamora ny adihevitra tena ilaina. Ity karazana fomba fiasa ity dia heveriko fa hanampy antsika handeha lavitra amin’ny sehatra rehetra.

Post a comment