« Hampiray ireo mpisehatra amin’ny ranomasina eto madagasikara » Resadresaka miaraka amin’i Vatosoa Rakotondrazafy

Mirefy 5 600km ny morontsiraka manan-karena @rohivoahary mamokatra (haran-dranomasina, Ala Honko, bozaka). Arak’izany, afaka mandray anjara feno amin’ny fihariana manga i Madagasikara, toy ny jono maharitra, fiompiana trondro ary fizahan-tany maharitra sy mikajy ny tontolo iainana. Marefo anefa ny sisin-tany malagasy ary betsaka ireo singa mamaritra izany : fanapotehana sy ny fanimbana mihoampampana, izay toeram-ponenan’ireo vondron’olona ifotony ihany koa, anisan’ireo tena marefo eto amin’ny firenena. Na dia misy aza ny fahavitrihan’ny mpisehatra, hita taratra ny tsy fisian’ny vina iraisana ho amin’ny hoavin’ny sahanala an-dranomasina eto Madagasikara.

Manoloana izao toe-javatra izao, INDRI dia nanomana asa santatra nasionaly izay mitondra ny lohahevitra hoe : Agora Manga. Ny tanjon’izany dia ny hikarakarana fifampiresahana eo amin’ny sehatra nationaly ho an’ireo mpisehatry ny ranomasina ; izany no atao dia ny hisitrahana ny fitantanana mahomby ny loharanon-karena an-dranomasina. Ny traikefa azontsika nandritra ny roa taona momba ny sahanala an-tanety niarahana tamina mpisehatra miisa 300 tamin’ny asa santatra Alamino mikasika ny fanamatsoina nasionaly no entina hanatanterahana izany hetsika izany. 

Mizara amintsika ny lalana nodiaviny sy ny mahazava-dehibe ny Agora Manga i Vatosoa Rakotondrazafy, mpisehatra matihanina mahakasika ny lokanady an-dranomasina ary miandraikitra ny asa santatra. Izany no ataony mba hamaliany sahady ireo fanamby lehibe miandry antsika momba ny morontsiraka sy ny tontolo an-dranomasina ankehitriny. 

Manana traikefa amin’ny fiarovana ny morontsiraka sy ny ranomasina ianao ankehitriny, inona no nandrisika anao hirotsaka amin’io sehatra io ?

Raha tany am-boalohany dia tsy manam-pahaizana manokana momba ny ranomasina aho, tamin’ny taona 2013, dia voasafidy aho handray anjara tamin’ny fiofanana momba ny fitantanana ny ranomasina, niaraka tamin’ny Oniversiten’ny Halifax tany Canada. Tamin’izay no  nahatsapako fa tiako ny hirotsaka amin’io sehatra io ary tena manan-danja ho an’ny fireneko izany.

Heritaona taorian’izay, dia nanao asa fikarohana niaraka tamin’ny firenena mikambana aho, mahakasika ny paikady hanatsarana ny fitantanana ny jono eto Madagasikara. Tsapako tamin’izay  fa manan-danja ny fampandraisana anjara ny vondron’ny mpanjono amin’ny fiarovana sy fitandroana ny rohivoahary amorontsiraka. Satria voafetra ny enti-manana tamin’izany, dia resy lahatra aho fa paika mahomby ny fanamafisana ny anjara andraikitry ny vondron’ny mpanjono mba izy ireo no mpiambina sy mpiaro ny ranomasina. 

Izay indrindra ny fijery nohezahiko noentina nanomboka tamin’ny 2015 amin’ny maha- mpandrindra ny MIHARI ahy : tambajotra mampivondrona ny vondrom-piarahamonina amorontsiraka, izay “Lamina enti-Mitantana ny Morontsiraka sy An-dranomasina” (LMMA).

Inona avy ireo zavatra notontosainao amin’ny maha mpandrindra ny MIHARI anao ?

Tany am-piandohana dia naniry ny ho lasa mpisolovava aho mba ahafahako manohana sy miaro ireo olona tena marefo. Saingy tsy voafantina tamin’ny fifaninana hiditra ho mpianatra lalàna aho, ary nanaraka ny fiofanana momba ny jeografia.  Tanteraka ny nofinofiko tamin’ny nandraisana ahy tao amin’ny MIHARI tamin’ny 2015 mba hitondra avo ny feon’ireo mpanjono madinika. Fotoana iray nanararaotako nitaky ny fanatsarana ny fari-piainan’ireo olona ireo, izay anisan’ireo mponina marefo maneran-tany. Toy ny lasa mpisolovava ireo mpanjono madinika aho. 

Etsy andaniny dia ilaina ny fampifandraisana ireo mponina miaina amin’ny toerana saro-dalana sy mitoka-monina, amin’ireo mpisehatra hafa (manam-pahefana, Vondrona sy fikambanana misehatra amin’ny fiarahamonina sy asa sosialy, sehatra tsy miankina, …) ahafahana manohana sy mitondra ny hevitr’izy ireo. Ankilan’izay, eo koa ny famporisihana ny fivondronan’ ny vondrom-piarahamonina, ahafahan’izy ireo mifandrindra ary miara-mitantana ny loharanon-karena amorontsiraka sy an-dranomasina ary manosika azy ireo hanangana ny Lamina enti-Mitantana ny Morontsiraka sy An-dranomasina « LMMA » na “Locally Managed Marine Area” amin’ny teny anglisy. 

Tamin’ny izaho vao niditra tao amin’ny MIHARI tamin’ny 2015 dia 50 ny LMMA niforona, vokatry ny fiaraha-miasan’ny ekipa sy ireo vondron’ny mpanjono dia efa mahatratra 200 izany  manerana ny  faritra amorontsiraka 13. Nahazoko traikefa sy fahaiza-manao maro izany ! Ho ahy ireo mpanjono ireo dia mitovy amin’ireo olona manana mari-pahazaina ambony amin’ny ranomasina. Tena maro be ny zavatra fantany sy hainy rehefa eny ambony lakana izy ireo.  

Inona ny fiovana nentin’ireo LMMA (Lamina enti-Mitantana ny Morontsiraka sy An-dranomasina) sy ny MIHARY ?

Tsara ny mahafantatra fa mananosarotra ny zava-misy teny am-piandohana. Tandidomin-doza ireo rohivoahary noho ny toetrandro, ny fitrandrahana ny harena an-dranomasina mihoampampana, ny disadisa eo amin’ireo mpanjono madinika sy ny mpisehatra eo amin’ny jono vaventy, sns.

Mihamihemotra ireo vatohara sakana ary 20% ny velaran-tany misy honko no potika sy rava nandritra ny 20 taona. Ireo mponina amin’ny morontsiraka izay miankin-doha sy mivelona amin’ny ranomasina dia tafiditra ao anaty fahantrana ary tena marefo. Manoloana izany zava-misy izany dia ohatra mivaingana ny fahombiazan’ ny fiaraha-miasan’ny tambajotra MIHARI amin’ny vondrom-piarahamonina. Ny fitomboan’ny isan’ireo LMMA nanomboka ny taona 2015 dia nitondra fiovana goavana. Mihamaro ireo vondrom-piarahamonina manaraka ny fepetra eo an-toerana, mametraka sompitra mandritra ny fotoana voafaritra, mametra ny vanim-potoana fanjonoana mba hanavaozana ireo tahiry, mikajy sy mamboly honko.   

Izany fahombiazana izany no nahatonga an’i Madagasikara azo atao ohatra eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Voninahitra ho ahy ny nahazoako ny Whitley Award tamin’ny 2019, izay marim-pankasitrahana ho an’ireo mpiaro mahery fo ary natolotro ho an’ny vondrom-piarahamonina LMMA an’i Madagasikara izay misy ireo mpiambina sy mpiaro ny ranomasina.

Inona ireo fanamby mila tratrarina ?

Dingana tsy azo ihodivirana mitondra amin’ny fahombiazana ny tanterahin’ny tambazotra MIHARI izay mampivondrona ireo vondron’ny mpanjono ary manamora ny fandrindrana eo amin’ireo vondrona ireo ary ireo vondrona sy fikambanana misehatra eo amin’ny fiarahamonina sy asa sosialy voakasik’izany.

Mba handrosoana kokoa dia mila ampitomboina ny fifampiresahana andraisan’ireo manam-pahefana, sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola, anjara. Tao anatin’izay taona maromaro izay, dia hitako fa maro ireo lohahevitra manan-danja tsy voaresaka, ohatra amin’izany ny fahazoan-dalana hanjono eo amin’ny toerana voafaritra, ny famaritana ireo fepetra mifehy ireo fitaovana fanjonoana vaventy, ny fanajana sy fampiharana ny fepetra misy, ny fanamorana ny fitadiavan’ireo mpanjono madinika lalam-barotra, sns. Izany rehetra izany dia noho ny tsy fahampian’ny fifampiresahana eo amin’ny vondrom-piaramonina ifotony sy ny mpisehatra isan-tsokajiny.  

Tsapa fa tsy ampy ny sehatra ivondronan’ireo mpisehatra marolafy mahakasika ny morontsiraka sy an-dranomasina, ary tsy izaho irery no mahatsapa izany ! Manantena aho fa amin’ny Agora manga izay atomboky ny INDRI tsy ho ela  dia afaka manampy ireo mpisehatra isika. 

Inona no atao hoe Agora Manga ?

Niainga tamin’ny zava-misy izay nozaraiko taminareo teo, ny tanjon’ny Agora Manga, dia ny hampivondrona sy hampitovy ny tadin-dokanga eo amin’ireo vondrom-piarahamonina, ireo mpamatsy vola, ireo vondrona sy fikambanana misehatra eo amin’ny fiarahamonina sy asa sosialy, ireo solotenam-panjakana sy manam-pahefana, ireo mpisehatra matihanina sy ivotoeram-pikarohana, ny sehatra tsy miankina sy ny firaisamonim-pirenena, hiaraka hanangana sy hikaon-doha. Amin’izao fotoana izao dia mbola tsy misy izany fampivondronana izany, ka izany indrindra no itondrana sy anoloran’ny INDRI izany, izay hanananay traikefa : mampivondrona sy mandrindra ireo mpisehatra marolafy miaraka amin’ny fomba fiasa vao entina manetsika ny asa saina iombonana.

Hamoaka vina iombonana momban’ny fiharian-karena manga eto Madagasikara no lokanady. Amin’ny fomba ahoana ny hanatsarana ny fitantanana ny loharanon-karena amorontsiraka sy an-dranomasina ho tombony ho an’ny tontolo iainana, ho an’ireo vondrom-piarahamonina, ho an’ny sehatra tsy miankina sy ho an’ny firenena amin’ny ankapobeny ? Sehatra ihany koa ahafahan’ireo mpisehatra an-dranomasina mizara ireo fomba fanao mahomby sy manambatra ary mampitovy tadin-dokanga ny ezak’izy ireo. Amin’ny maha-piaraha-miasa akaiky amin’ny tambazotra MIHARI, ny asa santatra dia mikendry ihany koa ny hanamafy ireo fifanakalozana sy ny fiaraha-miasa eo anivon’ireo vondrom-piarahamonina ifotony sy ireo mpisehatra hafa (manam-pahefana, sehatra tsy miankina…)

Efa nanana traikefa mafonja niarahana tamin’ny asa santatra Alamino izahay, ny Agora des Paysages et des Forêts de Madagascar izay natombokin’ny INDRI tamin’ny 2019, izay mampihatra ny fomba fiasa amin’ny fanetsehana ireo mpisehatra, izay vinavinainay tontosana eny amin’ireo faritra manamorona ranomasina miaraka amin’ny Agora Manga. Mahatsapa izahay fa mahomby ny lasitra Agora, mamaly ireo tena filana. Efa nahatratra tanjona maro izay mahavelom-bolo tokoa ny Alamino, tsy arakaraky ny maha asa santatra vao misandratra azy. Mahavelom-panatenana ahy izany. Resy lahatra aho fa ny Agora Manga dia ho fanoitra enti-mandroso manoloana ireo fanamby lehibe izay nanahirana anay tany aloha. 

Aiza ho aiza ny famoronana izany Agora Manga izany ? 

Enim-bolana izahay no efa nihetsiketsika, manomana ny fanatontosana azy ! Ary mbola ho atokana ho amin’ny fanomanana ny enim-bolana manaraka ahazoana antoka fa mafy orina ny fototra. Efa nahatontosa resadresaka niarahana tamina mpisehatra isan-tsokajiny mihoatra ny 20 izahay, misehatra sy manam-pahaizana manokana momba ny lokanady an-dranomasina (manam-pahefana, sehatra tsy miankina; vondrona sy fikambanana misehatra amin’ny fiarahamonina sy asa sosialy, vondrom-piarahamonina ifotony, firaisamonim-pirenena sy ivotoeram-pikarohana). Asa santatra manome vahana ireo mpisehatra an-dranomasina ny Agora Manga. Ny dingana voalohany noho izany dia manao izay ahazoana tsara ny filan’izy ireo, ireo fanamby atrehan’izy ireo, ahafahana mamaritra ny anjara asan’ity Agora Manga hatsangana ity.

Ireo resadresaka natao ireo dia nampiray hevitra fa tena ilaina ny fananganana ny Agora Manga. Ireo olona noresahana, dia nanambara fa anisan’ireo olana fototra ny tsy fisian’ny serasera sy fandrindrana eo anivon’ireo mpisehatra isan-tokajiny. Notaterina taminay fa samy maka ho azy ny tsirairay, tsy misy mihintsy ny vondrona mahefa izay mampiray sy manamora ny fifampiresahana eo amin’ny mpisehatra rehetra. 

Hamenoana ireo resadresaka ireo, nihaona tamin’ny Minisitry ny Jono, Andriamatoa Mahatante Tsimanaoraty Paubert izahay ny 24 may 2022. Manohana tanteraka ny fanombohana ny asa santatra izy, nizara ny fomba ahazoan’ny ministera tohana avy amin’ny asa santatra ho tombontsoan’ny firenena. Mampivondrona ireo mpisehatra an-dranomasina rehetra voakasika eto Madagasikara manoloana ny vina sy paikady iombonana, ahafahana manampy ny fitantanana maharitra ireo karazan-javamananaina sy ireo loharanon-karena an-dranomasina.

Mandeha tsara ny raharaha ! Tamin’ny alalan’ny Whitley Award izay azoko ny taona 2019, efa nahazo famatsiam-bola 70 000£ ny Agora Manga izay manampy betsaka anay amin’ny fanombohana azy. Ny voalohan’ny volana may, nanampy anay hampitombo isa ny mpiara-miasa vaovao io famatsiam-bola io, tsy iza fa i Ndriamanja Jéremie izay biolojista sy mpahay ranomasina : manam-pahaizana manokana momba ny lokanadin’ny morontsiraka sy an-dranomasina ary efa nanampy betsaka tamin’ity dingana fanomanana ny Agora Manga ihany koa izy.

Inona avy ireo dingana manaraka ?

Eo am-pananganana ny kisarin’ny mpisehatra rehetra voakasiky ny Agora Manga izahay amin’izao fotoana izao, manao izay hirotsahan’izy ireo sy handraisany anjara tsikelikely amin’ny asa santatra. Mitohy hatrany ny resadresaka amin’ireo mpisehatra ireo, ary mbola eo am-panatontosana ny fakan-kevitra any amin’ireo faritra amorontsiraka ahafahana mamaritra ny filan’izy ireo sy ireo fanamby mampiavaka ny faritra tsirairay.

Nahafaly ahy tokoa ny nihaona tamin’ireo mpisehatra an-dranomasina sy ireo vondron’ny mpanjono madinika ! Isan’ireo zavatra tsara indrindra niainako, ny nahafahako nanohana sy nitondra ny hevitr’izy ireo nandritra ny enin-taona niarahana tamin’ny MIHARI. Amin’ny alalan’ny Agora Manga, hiasa sy hanohana azy ireo indray aho ary amin’ity indray mitoraka ity dia hampivelatra ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny. 

Hanomboka ny novambra 2022 ny fanatontosana ny Agora Manga, manasa ireo mpisehatra an-dranomasina mikasa ny hampandroso ity seham-pihariana ity ny tenako hirotsaka handray anjara ao anatin’ny asa santatra !

Post a comment