FENITRA 10 MAMPAHOMBY NY FANDRAKOFANA ALA AN’I MADAGASIKARA

Mpisehatra miisa 100 mahery no niara-namaritra ny sata mifehy ny karazana fomba fanao mahomby, mba hanamorana ny fandrakofana ala an’i Madagasikara. Andao ary hiarahantsika mampihatra izany !

TSINDRINA ETO MBA AFAHANAO MAHAZO NY ANTONTAN-TARATASY FENO MOMBAN’IREO FENITRA 10 IREO

(Marihina fa ny voambolana nampiasaina eto dia voambolana tena ahazoan’ny olona rehetra ny tiana ho lazaina)

Hamehana nasionaly – Ny fihenan’ny ala sy ny fahapotehan’ny tontolo iainana dia mampatahotra, ary misy fiantraikany lehibe (fikorontanana, fahasimban’ny tany, hain-tany, tondra-drano, sns), izay vao mainka nanamafy ny fiovan’ny toetr’andro. Tsy maintsy ho lasa Nosy Maitso indray ny Nosy Mena: iarahan’ny manam-pahefana, ny firaisamonim-pirenena, ny mpandraharaha, ny mpiaramiombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ary ny ampahany betsaka amin’ny mponina izany faharesen-dahatra izany. Ary mihamaro hatrany ny mpisehatra manohana izany.

Fanamby hatrehina – Indrisy anefa fa maro ny hetsika fambolen-kazo tsy nahomby, noho ny tsy fahampian’ny fandraisana anjaran’ny vondrom-piarahamonina, ny teknika mifanaraka amin’izany, ny famatsiam-bola, ny drafitra ary ny fanaraha-maso. Matetika ny fambolen-kazo dia tsy mifandray amin’ny zava-misy eo amin’ny tontolo manodidina hanantanterahana azy akory. Tsy ampy ny fandrindrana sy fifampizarana vaovao, be loatra ny mpisehatra miainga amin’ny tsy misy no sady tsy mijery ny angon-drakitra efa misy sy ny traikefan’ireo zokiolona.

Fomba fiasa iombonana – Manoloana ireo fanamby ireo, dia nanambatra tao anatin’ny antontan-taratasy iray ny foto-kevitra fototra rehetra ho an’ny hetsika fandrakofana ala mahomby ny mpikambana ao amin’ny hetsika Alamino. Ireo fitsipika ireo dia fitambaran’ny fahalalàna sy ny traikefan’ny mpisehatra maro samihafa.

Torolàlana mora ampiarina sy mivoatra – Ny fenitra tsirairay dia miendrika ho hetsika fototra. Ity antontan-taratasy ity dia natao ho an’ny mpisehatra marobe, na manam-pahaizana manokana na ireo vao hanao fambolen-kazo. Ny dingana sasany dia mety ho tsotra kely ho an’ny manam- pahaizana, saingy zava-dehibe ny teboka rehetra. Mangataka ireo mpitarika tetikasa izahay mba “hanisy marika” ireo dingana izay narahiny tamin’ity antontan-taratasy ity, araka izay azo atao, ary hizara ny valiny aminay hanatsarana azy ity.

Manao antso avo amin’ireo mpitarika tetikasa fambolen-kazo rehetra izahay mba hanaraka ireo fenitra 10 ireo, izay tena ilaina mba hahombiazan’ny fanamaitsoana ny firenentsika.

1. MIROTSAKA AN-TSEHATRA MAHARITRA

Tsy voafetra amin’ny fanatsatohana zanakazo ihany ny fambolen-kazo! Zava-dehibe ihany koa ny fiomanana, ny fikarakarana ary ny fanaraha-maso. Araka izany, dia tsy maintsy :

    • Faritana ny tanjona : fambolen-kazo ho an’ny famokarana ve ilay hatao (hazo sy angovo, hazo ilaina amin’ny fanorenana, voankazo, sns.), sa ho an’ny fiarovana (tany, toeram-pitsangatsanganana, loharanon-drano, morontsiraka, sns) ary/na famerenana sy fiarovana ny ala voajanahary sy ny zavamananaina ? sns. sy/na ho an’ny fanarenana sy fikajiana ireo ala sy ny karazajavamananaina.
    • Soritana ny drafi-panajariana sy fikojakojana ny toerana (fisafidianana ny zanakazo ho volena, fanomanana ny tany, fomba Manangana drafitra fampandrosoana sy fikojakojana ny toerana (safidy karazana, fanomanana ny tany, fomba fambolen-kazo, fandaminana sy hakitroky ny hazo, fanondrahana, fiarovana amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna, afo sy biby fiompy, famoronana sy fikojakojana aroafo). Fantaro ireo olona tokony ilaina amin’ireo dingana tsirairay ireo.
    • Tandrovana ny faharetana ara-bolan’ny tetikasa, na amin’ny alalan’ny tombom-barotra ara-toekarena (famokarana voankazo, vokatra, famokarana kitay na hazo ho an’ny fanamboarana zavatra), na amin’ny alalan’ny famatsiam-bola maharitra.
    • Mampiasa vola azo antoka amin’ny alàlan’ny fisorohana ny tetikasa fambolen-kazo tsy misy tanjona sy ho an’ny serasera fotsiny.
    • Omanina hatrany am-boalohany ny loharanom-mbola ampy ho an’ny fikojakojana, fanaraha-maso ary fanombanana ny tetikasa, miaraka amin’ny tondro fanombanana ny taham-pahaveloman’ireo zavamaniry mandritra ny taona maromaro.

2. AMPIFANDRAISINA AMIN’NY TONTOLO HANAOVANA AZY NY FAMBOLEN-KAZOAMPIFANDRAISINA

Ny toerana hambolena hazo dia ao anaty faritra iray… tsy maintsy raisina an-tsaina izany. Ny ala dia singa iray lehibe amin’ny mozaikan’ny tontolo iainana. Ny fambolen-kazo dia tsy maintsy mifameno amin’ny sahanasa hafa manodidina, mba hahafeno ny filàna ara-tontolo iainana, ara-toekarena ary ara-tsosialy eo an-toerana. Noho izany, dia ilaina ny :

    • Manome lanja ny asa eo an-toerana: fambolena, fiompiana, jono,fizahan-tany, asa tanana, fitaterana, famokarana angovo, sns.
    • Mandray anjara amin’ny fikojakojana na famerenana amin’ny laoniny ireo anjara asa lehiben’ny tontolo iainana : loharanon-drano,kalitaon’ny tany, fikojakojana ny zavamananaina.
    • Mihevitra ny fiarovana ny ala efa misy sy ny mety hisian’ny fanavaozana ara-boajanahary ny ala, na fanampiana ny fanavaozana voajanahary.
    • Miaro ny karazam-biby (varika, vorona, sns.) izay mitana anjara toerana lehibe amin’ny fanaparitahana ny masomboly ary mandray anjara amin’ny famerenana amin’ny laoniny ho azy ny ala sy ny tontolo iainana.
    • Miomana araka izay tratra amin’ny mety hisian’ireo trangan-javatra lehibe mety hahazo ny faritra voakasika: fiovaovan’ny toetr’andro, tsy fandriampahalemana, fifindra-monina, tetikasa lehibe, sns.

3. JERENA NY TOMBONTSOAN’NY OLONA ENY IFOTONY

Rehefa mamboly hazo, dia mila raisina an-tsaina ny mety ho sakana, ny fitakiana ary filàna eo an-toerana. Ity dingana ity dia tena ilaina satria mampandray anjara ny vondrom-piarahamonina sy ny mpisehatra hafa. Ilaina izany ny:

    • Maka ny hevitra sy mifanakalo hevitra amin’ireo mponina eny an-toerana dieny vao manomboka ny tetikasa. Manao ahoana ny toe-java-misy eo aminy ? Inona no ilainy sy ny zavatra andrasany? Tsy maintsy mandray anjara amin’ny famaritana ny tetikasa sy ny tanjona izy ireo.
    • Maka hevitra any amin’ireo mpisehatra ifotony hafa : manam-pahefana eo an-toerana, ONG, sehatra tsy miankina, firaisamonimpirenena, mpitondra ara-panahy sy ara-drazana.
    • Manamarina fa ny fambolen-kazo dia ahitana taratra ireo fifampidinihana ireo, mamaly ny filana voafaritra (fahasalamana, fidiram-bola mendrika, fanjarian-tsakafo, loharanon-drano, sns.), ary
      mampiroborobo ny fahalalàna eo an-toerana.
    • Manome antoka fa ho zaraina ara-drariny eo amin’ny mponina ny tombontsoa azo avy amin’ny tetikasa.
    • Manao izay hahazoana antoka fa manana fahalianana amin’ny fambolen-kazo ny fokonolona, mba hahafahan’izy ireo mandray anjara tsara sy mazoto mikarakara ny voly.

4. OMENA ANJARA ANDRAIKITRA NY MPONINA ENY IFOTONY

Ny fandrafetana, ny fanatanterahana sy ny fanaraha-maso ny asa fandrakofana ala dia mitaky fampandraisana anjara mavitrika ireo vondron’olona ifotony, ireo mpisehatra sy ireo tompon’andraiki-panjakana sy manampahefana eo anivon’ny kaominina, amin’ny alalan’ny tantsoroka mifanaraka amin’izany, izay omena azy ireo. Ilaina ny :

    • Mamantatra ireo rafitra eny ifotony izay azo ampandraisana anjara, na ara-panjakana na tsia, mahasolontena ireo mponina eo an- toerana (tanora, vehivavy, foko samy hafa).
    • Mandresy lahatra ny ben’ny tanàna, ny sefom-pokontany, ny olobe eo an-tanàna sy ny raimandreny ara-drazana sy ara-panahy, ny tanora sy ny mponina mba hahatsapa ny lokanadin’ny fandrakofana ala, amin’ny alalan’ny fitsidihana fifampizarana.
    • Mampandray anjara mavitrika ireo mpisehatra amin’ny asa fanentanana, fitantanana ireo tanin-jana-kazo (izay tokony ampanakaikezina ny mponina sy ny toeram-pambolen-kazo), sy fandrafetana ary fitantanana ny tetikasa fandrakofana ala rehetra.
    • Manolotra ireo enti-manana ho an’ny eny ifotony (fitaovana, zana-kazo, sns.) ho fanohanana azy ireo. Ilaina arak’izany ny famindram-pitantanana sy famindrana andraikitra izay ekena sy ankatoavin’ny fokonolona.

5. AROVANA NY MOMBA NY FANANAN-TANY

Ny mpisehatra manao tetikasa fambolen-kazo dia tsy maintsy miantoka fa ny mponina sy ny mpisehatra eo an-toerana dia hisitraka ny tombontsoa azo avy amin’ny fambolen-kazo atao. Misy vahaolana azo heverina manoloana ny olana ara-tany :

    • Raha mety, dia mambole hazo eo amin’ny taninao manokana na koa eo amin’ny tany tsy misy olana ara-taratasy ka mazoto ho amin’izany ny tompon-tany.
    • Amin’ny toe-javatra rehetra, hamarino hoe iza no tompon’ny tany hambolena ny hazo.
    • Raha ilaina sy azo atao dia miaraha miasa amin’ny manam-pahefana mba handaminana ny sata mifehy ny tany. Raha natao ho an’ny vondrom-piarahamonina ny tetikasa, dia zava-dehibe ny fanampiana azy ireo hisitraka ny zony amin’ny tany.
    • Raha toa ka tsy misy inon’inona azo atao, dia ilaina ny mitady vahaolana hafa ahafahan’ny vondrom-piarahamonina mitazona ny tombontsoa azo avy amin’ny fambolen-kazo. Mila “sécurisation d’usage” na fiarovana ny fampiasana ny tany izany, izay tena ilaina mba hanentanana ny vondrom-piarahamonina sy hisorohana ny tsy fahazoany tombontsoa amin’ny fambolen-kazo.
    • Fakafakana tsara ny fahefana manatanteraka ny fanomezana an’ireo vondron’olona ireo kara-tany hoan’ireo tany nambolena hazo, alohan’ny hanomezana toky azy ireo, hisorohana ny tsy fifankahazoana miteraka tsy fahatomombanan’ny asa.

6. OMANINA TSARA NY FAMBOLEN-KAZO

Hampahomby azy, dia tokony atao amin’ny fiantombohan’ny vanim-potoanan’ny orana ny fambolen-kazo. Izany dia mitaky tetiandro maty paika izay tsy maintsy arahina, ary tsy maintsy omena fotoana tsara ny fanatanterahana ireo dingana tsirairay : ny fisafidianana ny tany, ny fanomanana ny tanin-jana-kazo, ny fifampiresahana amin’ny mpisehatra eny ifotony, ny fanomanana ny olona sy ny fitaovana, sns.

    • Faritana mazava ny tetiandro voarindra izay miantoka fa ho voatsatoka amin’ny fiantombohan’ny vanim-potoanan’ny orana ny zanakazo. Hajao io tetiandro io dia hahomby ny tetikasanao !
    • Faritana mazava tsara ny toerana ho rakofana ala. Toerana misy tany azo ambolena tsara sy toetrandro sahaza azy no safidiana, toerana akaiky loharano hahamora ny fanondrahana azy. Alaina sy tehirizina ireo fangitra ara-jeôgrafika anaovana ny fanaraha-maso.
    • Voa na zavamaniry tsara kalitao no safidiana. Ataovy azo antoka ny fiavian’ny masomboly, hajao ny fitsipiky ny fitsimohany, alamino mialoha ny zavamaniry ao amin’ny taninjanakazo, ataovy izay
      hahatsara ny fitaterana ny zavamaniry ho any amin’ny toerana fambolen-kazo mba tsy hanimba na hahamaina azy.
    • Omanina ireo fitaovana sy ny isan’ny olona ilaina mialoha (fitaovana, fanondrahana, daba-pako, fitaterana ireo mpandray anjara, rano fisotro, sakafo, sns.)
    • Dinihana mialoha ireo fomba hanangonana ny fako indrindra fa ireo harona plastika avy ampiasaina tamin’ny zana-kazo, na mampiasa fonosana mora levona na azo averina ampiasaina.

7. SAFIDIANA TSARA NY KARAZAN-KAZO HOVOLENA

Ny fisafidianana ny karazan-kazo dia dingana lehibe. Miankina amin’izany manko ny fitomboan’ny taha-pahaveloman’ny zana-kazo ho velona sy ny fanatrarana ny tanjon’ny tetikasa fambolen-kazo : fanohanana ny mponina eny ifotony, famerenana amin’ny laoniny ny tontolo iainana sy ny zavamananaina, ny fahazakana ny toetr’andro, sns. Ilaina ny :

    • Mandinika ny filan’ny mponina eny ifotony (toy ny hoe : hazo mampidi-bola, hazo fihinam-boa, hazo kitay sy saribao, sa hazo haingam-pitombo ve no ilainy).
    • Misafidy hazo mahazaka ny toetr’andro sy mifanaraka amin’ny toerana hambolena hazo. Tandremo : ny kininina dia mitroka rano be, ary ny hazo sesika sy ny akasia dia misandrahaka vetivety ka tsy tsara volena akaiky faritra arovana.
    • Araka izay azo atao, dia aleo hazo zanatany no volena, izany hoe hazo avy eto Madagasikara. Ity teboka ity dia zava-dehibe hanarenana ny rohivoahary sy hamerenana ny karazanjavamananaina.
    • Miomana mialoha amin’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro arakaraka ny toerana ho rakofana ala, ohatra amin’ny alalan’ny fambolena karazan-kazo mahazaka ny fiakaran’ny hafanana sy ny haintany.
    • Amin’ireo faritra kaohan’ny riaka (sahan-driaka tsy misy zava-maniry, lavaka, atsanga), misafidy ireo karazan-kazo afaka mitazona sy manarina ny tany ary mamerina ny tsiron-tany (vétiver, volobe, sns.)

8. HOFANINA TSARA IREO MPISEHATRA

Zava-dehibe ny fanetsehana ireo mana-pahaizana ara-teknika sy ny fanofanana araka ny tokony ho izy ny olona rehetra voakasik’ilay tetikasa fambolen-kazo. Ilaina izany:

    • Ny maka ny hevitry ny mana-pahaizana hahafahana manomana fandrakofana ala mifanaraka amin’ny toetrandro sy ny toetany eo an-toerana sy ny filana eny ifotony eo am-panomanana ny tetikasa.
    • Ny mampiofana ireo mpandray anjara rehetra amin’ny tetikasa fambolen-kazo, anisan’izany ny mponina eny ifotony.
    • Raha ilaina, dia hofanina ireo mpampiofana eny ifotony izay hizara ny fahalalàny amin’ny olona tsirairay.
    • Ny mizara ireo teknika fanatsatohana zanakazo anatin’ny fiofanana omena, fa eo ihany koa ny teknika fikarakarana sy fanaraha-maso. Manentana momba ny mahazavadehibe ny hazo sy ny ala.
    • Ny mampiasa fitaovana ho an’ny fanofanana mifanaraka amin’ireo olona hofanina, anisan’izany ny sary raha sendra tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy ireo.

9. MIARA-MIASA AMIN’NY MPISEHATRA HAFA

Ireo mpisehatra fototra (manam-pahefana, firaisamonim-pirenena, ONG, sehatra tsy miankina, mpamatsy vola) dia tokony miara-miasa akaiky. Izany dia mampisy fandrindrana mahomby sy fifampizarana fomba fanao tsara, ary afaka manampy amin’ny famahana ny sakana eo amin’ny sehatra eo an-toerana sy eo amin’ny firenena. Ilaina ny :

    • Miara-miasa akaiky amin’ireo tompon’andraikim-panjakana eny ifotony (kaominina, fokontany, ireo mpitondra ara-pinoandrazana), mamolavola ny tetikasa sy manara-maso izany (ohatra : ahafahana miaro ny faritra voavoly hazo amin’ny afo)
    • Mampahafantatra ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana (DREDD) momba ny tetikasa hanatsara ny mety hisian’ny fiarovana ny toerana ary hisian’ny fanaraha-maso.
    • Mifampiresaka amin’ny mpisehatra voakasiky ny fambolen-kazo ao amin’ny fairtra, hifampizara vahaolana sy hanatsara ny tetikasa.
    • Mandray anjara amin’ny dinika momba ny fanamaitsoana, toy ny vovonana Alamino ohatra izay misokatra ho an’ny rehetra.

10. AMPIASAINA SY ZARAINA NY TAHIRIN-KEVITRA

Tsy tokony miainga amin’ny tsy misy ny mpisehatra amin’ny fandrakofana ala. Ny tokony atao aza dia ny mampiasa ireo torolalana sy antontan-kevitra efa misy sy manome lanja ny traikefa voaangona. Noho izany, dia ilaina ny:

    • Mijery sy maka lesona amin’ireo tetikasa sy asa santatra efa nisy sy an-dalam-panantanterahana eo amin’ny toerana iasana, mamakafaka ireo fahombiazana sy ireo lesoka, ary mandravona ireo lesona notsoahana tamin’ny alalan’ireo traikefa ireo.
    • Mitrandraka ireo torolalana fototra sy ireo antotan-kevitra novolavolain’ireo tompon’andraiki-panjakana sy ireo mpisehatra marolafy.
    • Mizara amin’ireo mpanoratra ireo torolalana ny hevitrao mba ahafahana manatsara hatrany ireo antontan-kevitra misy. Ohatra, aza misalasala mandefa fanehoan-kevitra amin’ny INDRI momba ny fenitra 10 (alamino@indri.solutions).
    • Zarao ny traikefanao manokana hanampiana ireo mpandray anjara hafa. Avoahy ny angona anananao (lesona azo, fampahalalana azo ampiharina, torohevitra, sns.)

 


 

TAHIRIN-KEVITRA ILAINA

Fanarenana ny sahanala sy ny ala

Torolalana amin’ny fambolen-kazo

Fisafidianana ny karazan-kazo

Hazo atao angovo

Resaka fananan-tany

Tahirin-kevitra hafa

 

Havaozina hatrany ity lisitra ity, mandefàsa mailaka aty aminay, raha toa ka mahatsikaritra tsy fahampiana na mahita tahirin-kevitra vaovao :  lrakotomalala@indri.solutions

 


 

FANDRAKOFANA ALA MAHOMBY : OLONA MIISA 100 NO NANOLON-TENA

Ireo fenitra miisa10 momban’ny fahombiazan’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara ireo, dia tohanan’ny :

 

Vahinala Baomiavotse Raharinirina
Ministre de l’Environnement et du Développement Durable

Hortençia Antoinesie Haingosoa
Vice Ministre Chargée de la Reforestation auprès du Ministère de l’Environnement et du Développement Durable

Samantha Ambler
Forest Restoration Specialist, SEED Madagascar

Lalao Aigrette
Responsable Technique de programme Mangrove, Blue Ventures

Tahiana Andriaharimalala
Directeur du Centre National de Formation d’Étude et de Recherche en Environnement et Forestier (CNFEREF)

Michelle Andriamahazo
Chargée d’Etudes au Service Environnement Climat et Réponses aux Urgences, Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage

Tiana Andriamanana
Directrice exécutive de Fanamby

Monique Andriamananoro
Programme RINDRA – secteur Environnement et Développement Durable

Gérard Andriamandimby
Directeur du Réseau SOA

Laza Andriamboavonjy
Head of Environmental Conservation and Sustainable Livelihoods, SEED Madagascar

Joary Niaina Andriamiharimanana
Responsable de la composante « Amélioration des conditions cadre administratifs et technique », Programme PAGE/GIZ

Ando Andrianarivelo
Présidente de la Gasy Forestry Student’s Association

Rado Andrianindrianarivelo
Président de Regeneration Land

Seheno Andriantsaralaza
Madagascar Manager, Lemur Conservation Network

Philippe Bamigbade
Chef de Projet à Madagascar, Forests4Future – GIZ

Nigar Barday
Directeur Général de la Société Industrielle Barday (SIB)

Olivier Behra
Secrétaire Général, L’Homme et l’Environnement

Stephen Boucher
Fondateur et Directeur du think tank Dreamocracy

Jean-Marc Bouvet
Directeur Régional, Afrique Australe et Madagascar, CIRAD

Anthony Bracke
Coordinateur, Analalava Tia Fandrosoana (ATF)

Michaela Braun
Directrice du Programme de Protection et exploitation durable des ressources naturelles (PAGE), GIZ

Christian Camara
Représentant permanent, Missouri Botanical Garden (MBG)

Romain Cogne
Délégué National, Planète Urgence

Emmanuel Cotsoyannis
Directeur Général du fond Miarakap

Frédéric Debouche 
Président fondateur de Graine de Vie

Gaëtan Etancelin
Directeur de SOPRAL

Sariaka Falianja
Vice-présidente du CA et Présidente de la Commission Environnement et Développement Durable, Groupement des Entreprises Franches et Partenaires (GEFP)

Claude Fanohiza
Directeur Exécutif, Fondation Tany Meva

Max Fontaine
Fondateur et Gérant, Bôndy

Eric Gateau
Président, AMADA Madagascar

Yves Guicquéro
Directeur Madagascar, Agence Française de Développement

Harrisson Hamill
Directeur Exécutif, Dry Forest

Evah Haririsoa
Coordonnatrice de programme environnement et changement climatique, SAF / FJKM

Michael Harison
Ancien Directeur Général de l’ONE (Office National de l’Environnement)

Mahefatiana Heriantenaina
Président National de l’organisation paysanne FEKRITAMA

Claire Kaboré
Représentante à Madagascar, Gret

Marie Christina Kolo  
Coordinatrice et Gérante, Green N Kool

Michel Laloge
Chef de Coopération, Délégation de l’Union Européenne à Madagascar

Adrien Lepage
Coordinateur et Représentant d’Agrisud International

Adrian Levrel
Directeur Pays, Insuco

Richard Lewis
Directeur du Programme Madagascar, Durrell Wildlife Conservation Trust

Hermany Manahadraza
Président National du Réseau MIHARI

Tiana Manantsoa
Directeur Général de l’ONG Tandavanala

Rina Mandimbiniaina
Madagascar conservation Coordinator, Rainforest Trust

Lauréat Mandresilahatra
Coordinateur National, Cœur de forêt Madagascar

Andry Manoby
Président de l’Association des Techniciens pour le Développement du Sud (ATDS)

Francois-Xavier Mayer
Administrateur trésorier, Confédération du Tourisme de Madagascar

Carlo Merla
Chef d’Equipe FANAINGA – Appui à la société civile malagasy

Jean-Philippe Palasi
Directeur Exécutif, INDRI

Karine Rabefaritra
Communicante, Co-fondatrice de l’Agence Solutio et de l’Agence Dujardin Delacour & Cie

Ravonantenaina Rabekijana
Responsable communication, Association MANA

Henintsoa Rabemananjara
Conseiller Technique, ProSol – GIZ

Liva Raharijaona
Directeur exécutif, Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar (FAPBM)

Corrine Rahoeliarisoa
Coordinatrice Nationale, Coalition Nationale de Plaidoyer Environnemental (CNPE)

Serge Rajaobelina
Président de Sahanala

Fanjanirina Rajaonarivelo
Coordonnatrice Régionale, DELC Mizàna Maitso

Fredy Rajaonera
Directeur Général Adjoint, Chocolaterie Robert (Groupe Ramanandraibe)

Sahondra Rajoelina
Directrice pays, Conservation International (CI)

Mamy Rakotoarijaona
Directeur Général, Madagascar National Parks (MNP)

Naly Rakotoarisendra
Présidente de l’Association Fakotôry

Léonard Rakotomalala
Directeur Exécutif, ONG SAHA

Linjasoa Rakotomalala
Chercheuse et Chargée de Mission, Paysages Terrestres et Forêts, INDRI

Hajasoanirina Rakotomandimby
Président, Coalition Paysanne de Madagascar (CPM)

Sarobidy Rakotonarivo
Chercheuse en socio-economie de l’environnement, École Supérieure des Sciences Agronomiques, Université d’Antananarivo

Jean Rakotondralandy
Responsable QHSSE, LABO OI

Vatosoa Rakotondrazafy
Coordinatrice Nationale des Paysages Terrestres et Marins, INDRI

Andrianamenosoa Rakotondrasoa
Coordinateur des Opérations, Nitidae

Rodin Rakotoniarivo
Coordonnateur Technique National, SAGE Fampandrosoana Maharitra

Rivoarilala Rakotoniriana
Président de l’association GOSOC Komanga

Barijaona Ramaholimihaso
Conseiller du Directeur Général, Banque BNI Madagascar

Gérard Rambeloarisoa
Coordinateur de l’Approche Paysage, CRS Madagascar

Niandry Ramboason
Leader et Directeur de programme, Renirano by Madagascar Will Rise

Vony Raminoarisoa
Directeur Exécutif, ASITY Madagascar

Zina Raminosona
Chief Executive Officer, KAKI Agency

Heriniaina Randriamalala
Programmes Executive Officer, YMCA Madagascar

Sandrina Randriamananjara Andriamanjato
Trésorière, Association des Professionnels de l’Urbain (APUM), Présidente, Association Fonenana Mendrika

Jules Randrianarivelo
Président de l’association KOLOHARENA

Dauliviet Randrianasolomahatratra
Assistant Technique des Opérations, PADAP

Tsiry Randrianavelo
Fondateur et Président du Conseil d’Administration, Move up Madagascar

Tsilavina Ranoelimanana
Président Fondateur, Association Ank’izy

Eric Raparison
Coordinateur national, plateforme solidarité des intervenants sur le foncier (SIF)

Miora Rapatsalahy
Gérante et Présidente, Tour Malin Madagascar et ANTSO RE (Association Nationale pour le Tourisme Solidaire et Responsable)

Hariliva Rasoariinorolalao
Chef de Division bovin à viande, Ministère de l’Agriculture et de l’Elevage

Lovy Rasolofomanana
Directeur Pays, World Conservation Society (WCS)

Voary Rasoloson
President & Co-founder, Association Voarin’i Tsiazompaniry

Saroy Rasoloson
Membre du Conseil d’Administration, L’Homme et l’Environnement

Romuld Ratefiarivony
Membre Comité Central, FFKM

Nanie Ratsifandrihamanana
Directrice Pays, WWF Madagascar

Jonah Ratsimbazafy
Président du Groupe d’Etude et de Recherche sur les Primates de Madagascar (GERP)

Jean-Solo Ratsisompatrarivo
Chef de Projet, Pact

Mimie Ravaroson
Co-fondatrice, Latérite Rouge

Mbolatiana Raveloarimisa
Fondatrice de Wake Up Madagascar, Secrétaire Exécutive de la Coalition des Radios

Dominique Raveloarinanja
Responsable Partenariats et Suivi et évaluation, Mentor E.C.C.E.

Julie Razafimanahaka
Directrice Exécutive, ONG Madagasikara Voakajy

Angeline Razafimbololona
Présidente, Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly (TTMN)

Mirado Razafindrakoto
Chef de service des Études Environnementales, Ministère de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers

Hélène Razafindrasoa
Présidente, Federasiona ny Vehivavy Tantsaha eto Madagasikara (FVTM)

Ndranto Razakamanarina
Président du Conseil d’Administration, Alliance Voahary Gasy

Erik Reed
Natural Resource Management Specialist, Banque Mondiale

David Roger
Directeur Général du cabinet de conseil BuyYourWay

Voahangy Soarimalala
Coordinateur scientifique, Association Vahatra

Zoralien Tombofeno
Président, FIkambanana VElona Hampandroso Iharana (FIVEHI)

Julio Vahatriniaina
Directeur de l’ONG Vahatra

Clémentine Voninavoko
Coordinatrice nationale adjointe, Programme de Lutte Antiérosive (PLAE)

Evrard Wendenbaum
Président et Fondateur, Naturevolution

Lucienne Wilmé
Coordinatrice Nationale du Programme Madagascar, World Ressource Institute (WRI)

Harimpitia Zafindranoro
Directeur Régional, Fonds de Développement Agricole Région SAVA

Post a comment