Madagasikara : Inona ireo tombana sy azo ambara momba ny COP 26 ?

Madagasikara : Inona ireo tombana sy azo ambara momba ny COP 26 ?

Dinidinika niarahana tamin’i Vatosoa Rakotondrazafy

Firenena fahaefatra ianjadian’ny fiovan’ny toetrandro ary tena tandidomin-doza i Madagasikara. Mila mihetsika sy mandray andraikitra ny olom-pirenena rehetra mba hiatrehana izany lokanady izany, ary ihany koa, mamporisika ireo firenena hafa mba hiray hina momban’io lohahevitra io. Mifototra amin’izay lokanady izay ny dian’ireo delegasiona malagasy nandritra ny COP 26 tany Glasgow ny volana novambra lasa teo. 

Isan’ireo delegasiona ireo i Vatosoa Rakotondrazafy, izay “Coordinatrice Nationale des Paysages Terrestres et Marins” eo anivon’ny “think tank malagasy INDRI” . Mizara amintsika ny fomba fijeriny mikasika ireo fifampirarahana, ny fahadisoam-panantenana fa ihany koa ireo izay nahavelom-bolo nandritra io fihaonana io. 

Nanao ahoana ny fahitanao ny COP 26, raha sambany no nanatrehanao izany fikaonan-doha iraisam-pirenena izany ? 

Tena nanamarika be ahy ny zava-nisy! Maro be ireo olona nanatrika ary somary nananosarotra ny rindran-damina, amin’ny fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana noho ny valanaretina Covid. Olo-manan-kaja, solontenam-panjakana, vondrona sy fikambanana misehatra eo amin’ny fiarahamonina sy ny asa sosialy ary orinasa avy amin’ny firenena maro no mifamezivezy hanatrika ireo hetsika isan-karazany izay mifanindry an-dalana nandritra ny fihaonana. Maro ireo zavatra nilaina natrehina sy natao ary norenesina. Ho ahy manokana dia fotoana sarobidy nisoloko tena an’i Madagasikara tany, nifankafantarana tamina mpisehatra hafa ihany koa, fa indrindra fotoana fanararaotana hijerena ny mety tombony ho an’i Madagasikara.

Inona ny tena nanamarika anao nandritra ny fanatrehanao ireo hetsika tany Glasgow ?

Nanamarika ahy ny hamaroan’ny solontenana avy amin’ireo firenena mandroso, izay anisan’ireo mahatonga ny fiovan’ny toetrandro. Faniriako ny hahita solontena maro avy amin’ny firenena tatsimo izay tena ianjadian’ny fiovan’ny toetrandro sy ireo tandidomin-doza ary ireo iharan’izany.

Araka ny vokam-pikarohana navoakan’ny ONG Global Witness dia nahatratra 503 ireo mpanao adisisika amin’ny angovo anaty tany no nasaina nandritra ny COP 26. Mbola betsaka noho ny fitambaran’ny delegasiona avy amin’ireo firenena valo izay tena iharan’ny fiovan’ny toetrandro izany ! Faniriako tokoa raha tena voasolotena avokoa ireo vondron’olona avy aty amin’ny firenena tatsimo. 

Arak’izay indrindra, manana traikefa sy niasa manodidina izay vondron’olona eny ifotony izay ianao, ahoana no ahafahana mitondra ny hevitr’izy ireo eo amin’ny sehatra tahaka itony ? 

Manao izay ho afako aho hitondrana ny hevitr’ireo vondron’ny mpanjono madinika nanomboka ny taona 2015, tamin’ny alalan’ny  fidirako tao amin’ny tambazotra MIHARI, amin’ny maha-Mpandrindra nasionaly ahy nandritra ny 6 taona ary amin’ny maha-Filohan’ny Filankevi-pitantanana nanomboka ny taona 2020. Anisan’ny mahaliana ahy ny asa miompana amin’ny fanomezana lanja ny vondron’olona ifotony ary tsapako fa laharam-pahamehana ny fahafahana mitondra ny hevitr’izy ireo amin’ny hetsika iraisam-pirenena tahaka ny COP.

Ramatoa Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, nandritra ny resadresaka niarahany tamin’ireo haino aman-jery iraisam-pirenena, dia nitondra avo ny feon’ny vondrom-piaraha-monina malagasy eny amin’ny tontolo ambanivohitra. Notsindriany sy naveriny ny zava-misy iainan’izy ireo sy ny maha-zava-dehibe ny fanampian’ireo vondrona iraisam-pirenena an’i Madagasikara mba iatrehana izany fanamby lehibe izany. 

Vatosoa avec Sarobidy Rakotonarivo et Marie Christina Kolo aux cotés du Président de la COP 26, M. Alok Sharma

Rakotoarinivo Sarobidy, mpikaroka, dia nandray anjara mavitrika sy nanentana nandritra ny fifampizarana mikasika ny fifandraisan’ny vondron’olona ifotony sy ny ala, izay notohanany tamin’ny alalan’ny fandefasana horonan-tsary momba. Nahaliana tokoa ity fifampizarana ity, izay nampametra-panontaniana hoe : ahoana ny fomba ahafahana manetsika ireo famatsiam-bola ho an’ny toetrandro tahaka ny REDD + amin’ny fiarovana ireo alantsika ka hiaraha-misalahy amin’ny vondron’olona ifotony amin’ny fiaraha-mitantana ny ala ? Amin’ny maha mpandrindra ny asa santatra Alamino ahy dia fanontaniana anisany mahaliana ireo napetraka ireo.

Marie Christiana Kolo, izay mpisehatra mavitrika miaro ny tontolo iainana ihany koa dia nitondra fanazavana mikasika ny zava-misy iainan’ny vehivavy malagasy, izay singa feno mandrafitra fiaraha-monina iray. Anisan’ny natsidik’Andriamatoa Alok Sharma, filohan’i COP 26 nandritra ny lahateniny aza ny fifampizarana nataon’i Marie Christina tamin’ireo vehivavy mpitarika avy any Androy, tapa-bolana mialohan’ny COP. 

Hitako fa efa manana toerana tsara isika ary faniriako raha hitohy hatrany ny hetsika, mba hanomezan-danja sy hampandraisan’anjara ny vondron’olona ifotony eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Maninona aza moa raha ampitomboina ny isan’ireo solontenan’ny vondron’olona ifotony avy amin’ireo delegasiona malagasy amin’ny fihaonan’ny COP manaraka ?

Tany an-toerana, ahoana ny fahitan’ny mpisehatra isan-tsokajiny an’i Madagasikara ? 

Vantany vao nilaza aho fa avy any Madagasikara, dia tsy afaka am-bavan’izy ireo ny mosary mitranga any atsimo, mibaribary amin’ny vaovao maneran-tany ny Kere, ary heverina fa anisan’ny ianjadian’ny fiovan’ny toetrandro mafy dia mafy i Madagasikara. An-kitsipo no ilazako fa mafy tamiko ny nandre fa ny mosary no tena ahafantarana ny fireneko. Fa etsy ankilany, zava-dehibe ny fahatsapan’ny vondrona iraisam-pirenena ny vokatry ny fiovan’ny toetrandro eto Madagasikara, ary tokony hiray hina izy ireo.

Mba hamadihana izany fahatongavan-tsaina izany ho tan-tsoroka sy asa, dia tsy afaka mionona ho eo amin’ny toeran’ny ianjadian’ny olana fotsiny isika. Tokony asehotsika ny fahafahana mioitra, manolotra drafitra maty paika ary mamaritra ny karazana tosika sy fanampiana tena ilaintsika. Manoloana izany, mbola betsaka ireo asa miandry. Mino aho fa mandrapahatongan’ny fihaonana manaraka, dia hisy ny fifanakalozana sy fifampiresahana nasionaly lalindalina kokoa, iarahana amin’ireo mpisehatra isan-tsokajiny, ahafahana manolotra vahaolana mafonja sy maharesy lahatra.

Y a-t-il des éléments qui t’ont donné de l’espoir ?

Tena nisy ! Anisan’ny tena nahaliana ahy ny fanaovana ho laharam-pamehana ny resaka Ala tamin’ity taona ity. Sehatra iray nahitana asa santatra mihabo sy mahavelombolo maro toy ny an’i Kolombia sy Indonezia. Izaho mahita fa izany rehetra izany dia loharano anovozana aingam-panahy ho an’i Madagasikara sy ho an’ny asa santatra Alamino, izay iandraiketako ny fandrindrana azy. Atambatry ny Alamino ireo mpisehatra isan-tsokajiny eto Madagasikara mba hanatrarana ny tanjona iombonana, izay hamerenanana indray ny Nosy ho maitso. Ampoka asa santatra ity fihaonana COP ity, ary azo hisintomana lesona sy ainga tsy manin-droa, ho famerenana indray ny Nosy ho maitso. 

Nisy singa iray tena nahasarika ahy koa, ary ain-dehiben’ny asa rehetra ao amin’ny INDRI, dia ny asa saina iombonana. Ankoatra ny eo amin’ny lafin’ny fifampiraharahana, maro amin’ireo mpisehatra no mahatsapa fa tsy azo hiodivirana ny fanovana ny fomba fisainana sy fandalinana iombonana momba ny resaka toetrandro. Tamin’iny fihaonana iny koa no nahitako vondrona vitsivitsy, nanolotra fomba fiasa vao mba anatsarana sy anetsehana ny asa saina iombonana. Tena mahafaly sy maharisika ny mahita fa ny fomba fiasa nosafidiana manokana sy izay ezahana apetraka, iarahana amin’ny INDRI eto Madagasikara dia ampiharina sy nahitam-pahombiazana any amin’ireo firenen-kafa maneran-tany.

Anisan’ny nanamarika iny fihaonambe COP 26 iny ny fanavaovan-tsonia ny fifanarahana ny fampitsaharana ny fandripahana ala katramin’ny 2030, izay nataona firenena maherin’ny 100. Anisan’ny nanao sonia izany i Madagasikara, midika ho inona ho an’i Madagasikara izany ? 

Tsy vao voalohany i Madagasikara no nandray anjara tamina fifanarahana iraisam-pirenena sy nanao sonia ny fifanarahana mikasika ny ady atao amin’ny faharinganan’ny ala na koa ny resaka fambolen-kazo. Ohatra amin’izany ny fandraisana anjara sy firotsahana, hanarina 4 tapitrisa hektara hatramin’ny 2030, ao anatin’ny fandaharanasa AFR 100. Santatra am-bavarano ihany ireo fifanarahana ireo manoloana ny asa izay ho tanterahana, fa mino aho fa azo heverina ho ainga ho antsika izany. Manoloana ny fifanarahana nataon’i Madagasikara sonia tamin’iny fihaonana iny, firenena roambinifolo no nanaiky hanetsika famatsiam-bolam-panjakana, izay mitentina 12 miliara dolara, nanomboka ny taona 2021 hatramin’ny 2025, ary azo heverina ihany koa ny fisian’ny famatsiam-bola tsy miankina mitentina 7,2 miliara dolara.

Raha vitantsika ny manolotra drafitra maty paika sy maharesy lahatra, hanatrarana ny tanjona, izay fanarenana sy fambolen-kazo, afaka manampy antsika izany amin’ny fisarihana famatsiam-bola goavana ho an’ny fandrosoan’ny firenena. Sehatra iray manan-danja ho an’i Madagasikara ihany koa ny fahafahana manolotra sy mamaritra ny tanjon’ny famerenana ny Nosy ho maitso, izay nentin’ny Filohan’ny Repoblika.

Nifarana ny 12 novambra teo ny COP 26 : inona ireo dingana manaraka ho an’i Madagasikara ? 

Olom-bitsy no tena voakasika sy mandray anjara amin’ny COP eto Madagasikara isan-taona, ary tsy mbola tsapan’ny sarambabembahoaka izay tsy nanatrika ny lokanady sy ny zava-misy ao anatin’io. Mitaky fifampizarana sy fisokafana amin’ireo mpisehatra izay liana hisaintsaina sy handalina mahakasika ity asa ity. Tena mahavelombolo ahy ny fanetsehan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ity asa iombonana ity ny 30 novambra tamin’ny alalan’ny fifampizarana teo amin’ny delegasiona malagasy nanatrika ny COP sy ireo mpisehatra maro isan-tsokajiny. Anisan’ny asan’ny INDRI ny mampifandray sy mampihaona ireo vondrona isan-tsokajiny mba hisaintsaina sy handalina ary hiara-hietsika sy hiasa. Fikasanay ny hitondra ny anjara birikinay amin’ny fiaraha-misalahy amin’ny tomponandraiki-panjakana sy ny manampahefana.

Ireo asa saina iombonana sy fandalinana ireo dia entina hamaliana ny fifanarahana amin’ny fanarenana sy ady amin’ny fandripahana ny ala nankatoavina nandritra ny COP 26. Maro arak’izany ireo lalana misokatra ho an’i Madagasikara ary tokony porofoina mandritra ny volana ho avy fa afaka miatrika sy manatanteraka izany fanamby izany isika.

Post a comment