« Fiovan’ny toetrandro, kihon-dalana ho an’i Madagasikara »

« Fiovan’ny toetrandro, kihon-dalana ho an’i Madagasikara  

Firenena fahaefatra ianjadian’ny fiovan’ny toetrandro i Madagasikara. Efa hita sy tsapa ny vokatr’izany ankehitriny ary mbola hiombo hatrany amin’ny taona hifanesy. Na dia miaina izany aza Madagasikara dia mbola maro ireo lohahevitra izay laharam-pahamehana ary tsy azo ihodivirana toy ny : fahantrana, kere, tsy fahampian’ny fotodrafitrasa, sns. Kanefa, ny fiovan’ny toetrandro dia loza mitatao mifandraika amin’ny antom-pisiana ho an’i Madagasikara, ka mitaky fiomanana dieny izao. 

Mifanandrify amin’izay, fotoana izao, hihetsehan’i Madagasikara, hirosoana ho any amin’ny fampiasana tontolo maitso izay anisan’ireo lohahevitra lohalaharana maneran-tany, toy ny famerenana fandrokafana ala sy fampiasana angovo avy amin’ny herin’ny masoandro. 

I Palasi Jean-Philippe dia niasa sy nifantoka tanatin’ireo lokanady ireo nandritra ny roapolo taona. Nanomboka teo anivona rafitra sy fikambanana iraisam-pirenena misehatra amin’ny fiarahamonina sy asa sosialy, nandritra ny fifampiraharahana amin’ny lafiny toetrandro. Ary efa teto Madagasikara nandritra ny taona maro, izay firenena andrianin’ny fony.  Efa Tale teo anivon’ny Blue Ventures teto Madagasikara ihany koa izy ary niara-nanangana ny ivon’ny fampivondronan-kevitra Malagasy INDRI. Indro mizara amintsika ireo fandinihany momba ireo fanamby miandry ny firenentsika izy, ary manolotra hevitra sy vinavina-kevitra lavitr’ezaka amin’ny fiatrehana izany. 

Inona no naharisika anao hiasa sy hifantoka amin’ny lokanady mifandraika amin’ny toetrandro ?

Raha nanomboka niasa sy nifantoka tamin’ny tontolo iainana aho, roapolo taona lasa izay, ireo olona niasa tamin’ny fitandrovana ny natiora dia tsy nifantoka loatra tamin’izany fiovan’ny toetrandro izany. Misy loza mitatao mandrahona ireo karazajavamananaina ireo anefa, tahaka ny fahasimban’ny rohivoahary, izay avy amin’ny asan’ny olombelona na koa vokatry ny loto. Ny vondrona iraisam-pirenena izay misahana ny rohivoahary dia efa nihetsika manoloana ireo fanamby ireo, ka nanomboka tamin’ny fihaonambe tany Kyoto ny taona 1997 dia misy firenena nanandratra ho fifaninanana ny fifehezena ny toetrandro manoloana ny firoboroboan’ ity lohahevitra ity. Lasa lohahevitra laharam-pahamehana ary hanetsehana ireo fitaovana sy loharanon-karena arak’izany ny toetrandro, koa nampiena ny lohahevitry ny karazanjavamananaina.

Tamin’izany fotoana dia anisan’ireo olona teo anivon’ny Vondrona iraisampirenena ho amin’ny fitandrovana ny natiora (UICN) izay nanaitra fa hiteraka fiantraika amin’ny rohivoahary sy ny karazajavamananaina ary ny mponina ny fiovan’ny toetrandro. Tsy mitondra mankaiza ny fanatsarana ny zava-misy eny ifotony raha tsy mampiditra ny resaka fiovan’ny toetrandro isika. 

Rehefa tonga saina aho fa ny faritra rakotr’ala ao Amazonia, ny any Alpes ary ny eto Madagasikara dia ho voakasik’izay fiovan’ny toetrandro izay, dia nataoko lahasa lohalaharana ny hifantoka amin’izany. Mila ahetsika ny hery rehetra hananana iadiana amin’ny fiovan’ny toetrandro. Fa eo ihany koa ny fiatrehana ny voka-dratsiny izay efa hita sy tsapa ankehitriny ary indrindra ny fiomanana amin’ny fiantraika hafa izay tsy ho azo ihodivirana : loza voajanahary mifandraika amin’ny toetrandro, vokany eo amin’ny fahasalamana, fahapotehan’ny rohivoahary…

Aiza ho aiza isika izao manoloana ny fiovan’ny toetrandro raha ny maneran-tany no hoharina ?

Efa niakatra hatramin’ny 1,2°C ny hafanan’ny tany ary araka ny nambaran’ireo manam-pahaizana avy ao amin’ny GIEC dia hihamafy sy ho loza manambana ny voka-dratsy ateraky ny fiovan’ny toetrandro raha mahatratra ny 1,5°C ny fiakaranan’ny marimpana. Efa hita maso ireo voka-dratsy mampihorin-koditra etsy sy eroa. Tany Vancouver izao dia nahatratra 45°C ny marimpana tao anatin’izay volana farany nifanesy izay, ary nahatratra 800.000 Ha ny faritra rakotr’ala may tany Sibérie, ny tany Eoropa sy Chine kosa dia niharan’ny tondra-drano misesisesy. Tsy voafehy intsony ankehitriny izay olana ateraky ny fiovan’ny toetrandro izay. Tsy mitsaha-mitombo ny tahan’ny entona karbonina miely ary ho tonga amin’ny fatra ambony indrindra, mbola tsy nisy hatramin’izay ho amin’ny taona 2023 any araka ny Masoivoho iraisampirenen’ny angovo. Hihamafy hatrany arak’izany ny voka-dratsy hihatra amintsika ny taona ho avy hifanesy. 

Ity no loza mitatao hosedrain’ny zanak’olombelona goavana indrindra, tsy anavahana fa maneran-tany ary anisan’ny sarotra indrindra ny ihatrehana azy. Raha ny vinavina dia ahatratra 216 tapitrisa ny mpitsoa-ponenana noho ny fiovan’ny toetrandro maneran-tany any amin’ny taona 2050. Tokony ho tonga saina amin’izany zavatra izany: ao ny fikorontanan’ny planeta  izay ahiana  hiteraka  kere sy ny ady an-trano amina faritra maro maneran-tany. 

Na dia eo aza izany rehetra izany, mbola misy fanantenana ve eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ?

Eny, misy ny fanafainganana ny fahatongavan-tsaina. Ny ankamaroan’ireo firenen-dehibe dia mandray ity lohahevitra ity ho laharam-pahamehana politika, ary matetika arahana fanapahan-kevitra azo tsapain-tanana. Ohatra, ny Vondrona Eoropeanina dia nametraka vina ny handrara ny fampiasana ny fiara mampiasa solika ao amin’ny taniny manomboka ny taona 2035, ary vao nanambara I Chine fa hampitsahatra ny famatsiam-bola ireo toby famokarana angovo amin’ny alalan’ny arina fandrehitra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Hita ihany koa fa ny tsenan’ny famatsiam-bola dia misitaka tsikelikely amin’ny fampiasam-bola amin’ny famokarana angovo azo avy amin’ireo singa sisan-karingarina. Ankehitriny, ireo orinasa mitsipaka ny fiovana dia hanana hoavy mangitsokitsoka, hidina ny tombam-bidin’ny masonkarena ary tsy hiala tsikelikely ireo mpampiasa vola.

Noho izany, eny mihetsika isika, na dia tsy haingana loatra aza. Raha amin’izao hafainganam-pandeha izao, maha kely finoana ny ilazana fa ho ampy hanajanonana ny hafainganan’ny loza ateraky ny olana ny ezaka, ny am-polotaona hoavy. Ilaina ny fandraisana fepetra hentitra sy haingana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.

Efa re matetika fa ny kere dia efa voka-dratsin’ny fiovan’ny toetrandro, mitombina ve izany ?

Aoko hazava, na tsy nisy aza ny fiovan’ny toetrandro, dia nisy foana ny kere ao Androy. Ity faritra ity tsy misy mpiraharaha, very ny ankamaroan’ny asa fihariana, ary nahitana ihany koa faharinganan’ny zavamaniry, izay mahatonga ny faritra ho karakaina. Nanampy trotraka izany ny valanaretina covid izay namparefo ny fiharian-karena manerana an’i Madagasikara. 

Noho izany, ity tranga misy ity dia marofototra. Na tsy hilaza afa-tsy ny fahitana faritra izay mitombo ny velaran’ny fihangazanana. Ity trangan-javatra ity dia mazava fa anisan’ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetrandro, araka ny fikarohana.

Mila tonga saina ihany koa anefa fa na dia vita aza ny manatsara ny fambolena sy ny fandrosoana eny ifotony, dia hihamafy hatrany ny fototry ny fiovan’ny toetrandro. Miankina amin’io toetrandro io no ahafahana mametraka drafitra sy lamina ary sori-dalana, hampandroso ny faritra. Mety hampametram-panontaniana aza hoe, azontsika honenana maharitra ve io faritra io? Mitaky fijerem-bahaolana marolafy noho izany amin’ny alalan’ny fampitahana sy fampifandraisana azy ireo amin’ny zava-misy eo amin’ny lafin’ny toetrandro.

Ho lasa mpitsoam-ponenana noho ny fiovan’ny toetrandro ve ny Malagasy ?

Fantatra ankehitriny fa maro ireo faritra eran’izao tontolo izao (ohatra any Moyen-Orient) no mihamafana loatra ary tsy ho azo honenana intsony. Raha ho toy izany koa any amin’ny faritra atsimon’ny Madagasikara, mila fiomanana ny hisian’ny fitsoaham-ponenana faobe. Amin’ny maha Nosy an’i Madagasikara, ny ankamaroan’ny mponina dia tsy afaka hiala ny fireneny. Mitaky lamina sy drafitra ny fifindrafindran’ny mponina isam-paritra, azo vinavinaina ho faobe.

Raha vinavinaina ny toe-draharaha : Ny faharinganan’ny alan’ny Menabe dia noho ny fiavian’ny mpitsoam-ponenana an’arivony avy any amin’ny faritra Androy. Efa mihoampampana ny voka-dratsin’izany. Nefa, hitombo ary hihamafy hatrany ny fitsoaham-ponenana any amin’ny 2050 any ho any : tsy ho an’arivony intsony ny mpitsoam-ponenana fa ho an-tapitrisany. Hanampy trotraka ny toe-draharaha ihany koa ny fitomboan’ny mponina eto Madagasikara. Tsy azo tsinotsiniavina fa efa nitombo avo roa heny ny mponina nandritran’izay ampahefan’ny anjaton-taona izay, izay mbola hitombo avo roa heny izany ny taona 2040.

Ankehitriny, latsaka an-katerena ny tranga eo amin’ny lafin’ny fiharian-karena, sosialy ary ny lafin’ny tontolo iainana, fa raha atao tsinjo lavitra ny toe-draharaha eo amin’ny lafin’ny toetrandro sy ny voka-dratsiny dia azo vinavinaina fa afaka 10 na 20 taona dia ho zary fahatsiarovana sisa izao zava-misy ankehitriny izao.

Amin’ny faritra maro eto Madagasikara, mbola an-tapitrisany ireo tantsaha mahavita miaina sy monina eo amin’ny tanindrazany, ary mahavita mamboly. Na dia mananosarotra aza izany, mbola azo lazaina fa mahavelona azy ireo. Kanefa, tsy afaka ny hiantoka ny hoaviny izany. Loza mitatao ny tsy fanjarian-tsakafo mihoampampana sy be velarana, ny kere, ary ny fitsoaham-ponenana anatiny izay mety hahatafalatsaka ny firenena anaty fahantrana mangitsokitsoka.

Mila raikitra an-tsaina fa loza mitatao mifandraika amin’ny antom-pisiana ho an’ny Madagasikara ny fiovan’ny toetrandro, tsy ho an’ny taranaka ao afara ihany, fa efa iainan’ny mpiara-belona amin’ny andavanandrom-piainany izany ankehitriny.

Inona avy ireo vahaolana azo aroso eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena entina miady amin’ny loza manambana ateraky ny fiovan’ny toetrandro ?

Voalohany indrindra, fototra tsy azo ivalozana ny resaka rano. Ny 80%-ny mponina dia monina eny amin’ny tontolo ambanivohitra avokoa ary tsy velona izy ireo raha toa tsy misy rano. Tsy rano be fiavy indray miserana na koa kely loatra : mila loharano miboiboika mandavan-taona sy itokisana izany.

Indrisy anefa, ny fiovan’ny toetrandro dia mety hiteraka voka-dratsy eo amin’ity loharanon-karena ity : etsy andaniny, miha maharitra hatrany ny haintany, etsy ankilany, ny orana mikija mahatonga tondra-drano goavana. Manoloana ireo tranga roa ireo, ny fananana zava-maniry mandrakotra ny tany no ahafahana manalefaka ny voka-dratsin’izany. 

Raha ny momba ny haintany, fantatsika tsara fa ny faritra manana ala dia manamando ny tenany, mamorona ny rahony, ary misitraka orana matetika. Ary manoloana ny tondra-drano izay loza manambana, ny ala ihany koa no manalefaka azy, toy ireny spaonjy ireny ny fiasany, izay sady afaka manangona rano betsaka no misahana ny fizarana azy sy ny fitsinjarana azy.  

Ilaina arak’izany ny fanarenana ny sahanala sy ny ala, ary tsy atao ambanin-javatra ny fiarovana ireo ala mikitroka mbola tavela. Raha raisina ohatra izao ny alan’i Menabe, izay niaina an’arivon-taona ary nahazaka ny fiovan’ny toetrandro maina sy ny orana mitsimbadimbadika fotoana. Tsy azo ihodivirana ny fampitsaharana ny fanimbana azy ankehitriny. Zary nofy ririnina ny fiheverana fa azontsika atao ny mandringana ity ala voajanahary ity ary honerana amin’ny fambolena karazan-kazo 3 na 2 mahazaka ny fiovan’ny toetrandro.

Anisan’ny fototra lehibe amin’ny faharinganan’ny Ala eto Madagasikara ny Afo. Mety mbola hanampy trotraka izany zava-misy izany ve ny fiovan’ny toetrandro ?

Azo lazaina fa olana manahirana sy mianjady mivantana amintsika ankehitriny ny afo. Mizarazara sy mifanalavitra ny ambina ala eto Madagasikara, raha mihoatra ny any Siberia na i Canada, izay ahitana afo goavana sy be velarana amina kilometatra maro. Na dia izany aza, ny fiovan’ny toetrandro dia hampisedra sy hampiombo ny olana, noho izany, ilaina ny fiomanana. Mitaky ny fanamafisana ny fampiasana fitaovana sy loharanon-karena entina miady amin’ny afo. Ny INDRI dia manampy sy manamora ny asa santatra andraisan’ny mpisehatra marolafy anjara, antsoina hoe Alamino (na Ivontoeran’ny Sahanala sy ny Ala eto Madagasikara) ary efa natao ho laharam-pahamehana ny resaka Afo. Tolo-kevitra avy tao amin’ny Alamino ohatra ny manandrana ny fampiasana angidimby entina mamono ny afo, ahafahana miomana dieny izao amin’ny fampitomboana izany.

Inona ny mety ho fiatraikan’ny fiovan’ny toetrandro amin’ny sahanala amoron-dranomasina eto Madagasikara ?

Madagasikara no manana moron-dranomasina lava indrindra eto Afrika. Nahitana fiakarany ny fari-dranomasina ary mihamahery vaika ny rivo-doza. Mazava arak’izany fa ireo faritra manamorona ny ranomasina dia hiharan’ny tondra-drano izay hiteraka fahasimbana mirarakopana. Maro ireo mponina voatery handao ny toera-ponenany noho izany. 

Andry sarobidy iankinana ny rohivoahary entina miatrika izany. Tahaka ny hita tany Asia, nandritra ny « Tsunami » ny taona 2005. Voaaro ary nalefaka ny fiantraikan’izany tamin’ireo faritra manamorona ny ranomasina misy ala honko.  Efa very 20% amin’ireo ala honko ananan’i Madagasikara, noho izany, mila atao vaindohan-draharaha ny fampitsaharana sy fandringanana azy ireny, sy ny famerenana mamboly, hanonitra ireo efa very.

Anisan’ny fanamby goavana hafa ihany koa ny fiarovana ireo sakana voajanahary avy amin’ny vatosokay izay efa tandidomin’ny fiovan’ny toetrandro sy ny tsindry ataon’ny mponina eny ifotony ankehitriny. Hiteraka fikorontanana eo amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny faritra manamorona ny ranomasina ny fahaverezan’ireo, indrindra any amin’ny faritra andrefan’i Madagasikara.

Tombontsoa ho an’Antananarivo ve ny maha faritra tsy manamorona ny ranomasina azy manoloana ny tataon-doza mifandraika amin’ny toetrandro ?

Eny, satria na Antananarivo aza no betsaka mponina indrindra amin’ireo renivohitra, tsy voakasika mivantana amin’ny fiakaran’ny ranomasina izy. Kanefa, tena marefo amin’ny tondra-drano ny renivohitra, ary manampy trotraka izany ny fiovan’ny toetrandro. Mitaky fepetra fisorohana ireo manoloana izany. Atao ho lohalaharana ny fampitsaharana ny fanotofana tany izay ahiana ho tataon-doza ateraky ny tondra-drano, ary manakana ny rano tsy andeha amin’ny lalany. Raha vao mitombo ny fanotofana ny tany etsy sy eroa dia mihombo arak’izay ny habetsahan’ireo fanonerana eo amin’ny mponina sy ny toe-karena ateraky ny tranga mahery vaika mifandraika amin’ny toetrandro, izay hihamafy hatrany. 

Ny tsy fahampiana eo amin’ny lafiny sakafo dia mbola ahiana ihany koa ho an’Antananarivo ary anisan’ny tataon-doza amin’ny toetrandro. Amin’ny fomba ahoana moa ny hamatsiana sakafo ny mponina eto izay tsy mitsaha-mitombo, raha miantraika mivantana amin’ny fambolena ny fiovan’ny toetrandro ? Eo indrindra no ilaina ny fampitsaharana ny fanotofana tanimbary izay loharano amin’ny famatsiana sakafo ny mponina. 

Manoloana izay indrindra, ahoana no ahafahana misoroka ny kere amin’ny tataon-doza amin’ny toetrandro ?

Voalohany indrindra, tsy vahaolana ny fanaovana ny tavy. Mitaky fitadiavam-bahaolana maharitra manoloana io fomba fanao io. Mitondra ny firenena any an-davaka mantsy ny famokarana sy fambolena miompana amin’ny fanaovana doro tanety sy ny tavy. Zava-dehibe ny fiarovana ireo ala sisa tsy ringana manoloana izao fiovan’ny toetrandro izao.   

Mila manana vina mihoatra isika, mitaky fananana paika  hanomezana  lanja ireo velaran-tany midadasika tsy misy mitrandraka, amin’ny alalan’ny famporisihana  ny fampiasana ny loharanonkarena  amin’ny fambolena mifanaraka amin’ny fiovan’ny toetrandro, izay hiteraka asa ho ana mponina maro. Lokanady roalafy no vaoafehy ao anatin’izay : mamaly ny filana ara-tsakafo ho an’i malagasy, fa eo ihany koa ny mety hivelarana hatrany amin’ny fanondranana vary, izay efa tsy mitsaha-mitombo ny filana ara-tsakafo maneran-tany ankehitriny.

Efa hita fa misy mahavelombolo ny vokatra eo amin’ny sehatra io, indrindra ny fambolena biolojika (hita ao amin’ny dinidinika niarahana tamin’i Etancelin Gaetan). Mampiseho izany fa afaka miasa eo amin’ny tsena iraisam-pirenena i Madagasikara, izay manana vokatra tsara kalitao ary manana ny tombony manokana, ka hiantoka fidiram-bola maharitra sy famorona asa.

Mbola misy sehatra hafa azo  trandrahana ve i Madagasikara manoloana ny fiovan’ny toetrandro ?

Eny, tena manana tombony manokana azo trandrahana i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina avy amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro. Io no angovo tena amporisihana manerantany, ary efa hita fa miha miena ny vidin’ny fitaovana mampiasa ny herin’ny masoandro, tao anatin’ny folo taona lasa. Madagasikara rahateo dia manana velaran-tany ngeza amin’ny fampiroboroboana io sehatra io sy tahana fisian’ny masoandro avo. 

Mihamaro ireo mpamatsy vola mitady hanamboatra, vokatra azo jifaina, voamarina fa mampiasa 100% angovo azo havaozina. Hananan’i Madagasikara ohatra ny orinasa miasa amin’ny famokarana lamba, izay efa mampiasa 400.000 olona, ka afaka mitrandraka io angovo io. 

Ohatra faharoa ao anatin’izany ny fameranana fandrakofana ala sy ny fanarenana ny sahanala. Efa tsapa fa ilain’izao tontolo izao ny fampienana ny tahan’ny entona karbonina miely eo amin’ny atmosfera. Ny fameranana fandrakofan’ala no antoka hampiena ireo entona karbonina ireo. Hisy arak’izany ny famatsiam-bola eo amin’io sehatra io, ary hitodihan’ny mason’izao tontolo izao ireo firenena manana velaran-tany midadasika azo ambolena. Hananan’ i Madagasikara izany velaran-tany izany ary efa mihasimba, kanefa azo hanantanterahana ny fambolen-kazo amin’ny toerana maro. Miantoka ny fanarenana ny tsiron’ny tany sy ny filana amin’ny lafiny rano ihany koa izany fa tsy mijanona amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetrandro fotsiny ihany.

Hita arak’izany fa misy zavatra azo trandrahana manoloana izao olana mifandraika amin’ny toetrandro izao, izay mety hiteraka asa sy hanome lanja indray ny firenena ary hametraka an’i Madagasikara ho mpitarika eo amin’ny sehatry ny fiharian-karena maitso. Mitaky paikadim-pirenena matanjaka anefa izany ary indrindra ny fifanarahana eo amin’ny fanjakana, ny sehatra tsy miankina, ny mponina, ny firaisamonim-pirenena ary ny mpamatsy vola. Izany indrindra no ezahan’ny INDRI atao amin’izao, iarahana amin’ny manampahefana.

Ny Fivoriambe COP 26 dia hatao ny volana novambra hoavy izao. Inona no lokanady hoan’ny Madagasikara amin’ny fifampiraharahana iraisam-pirenena ?

 

 

Voalohany indrindra, ilaina ny mamerina ny tantara noho ny fisian’ny tsy rariny : Tsy tompon’andraikitra amin’ny fiovan’ny toetrandro i Madagasikara, nefa anisan’ny firenena tena tandindomin-doza amin’ny voka-dratsy aterak’izany. Ireo firenena mandroso no tena tompon’antoka amin’ izao tranga izao, satria izy ireo no tena manely entona mangeja hafanana nanomboka tamin’ny vanim-potoan’ny firoboroboan’ny indostria. Amin’izao fotoana izao, ny olompirenena amerikana iray dia manely entona karbonina 130 avo heny noho ny olompirenena malagasy iray !

Lokanady ho an’i Madagasikara ny fisarihana ny mason’ireo vondrona iraisam-pirenena amin’ity tsy rariny amin’ny lafin’ny toetrandro mianjady aminy ity, ary manery azy ireo hiray hina amin’ny fanampiana ny firenena hiatrika ny fanamby goavana miandry azy amin’izao krizy izao.

Hiaraha-mahalala fa miadana loatra matetika ny fanatontosana ireo hetsika lavitr’ezaka sy maharitra mandritra ny COP ary tsy nahomby hatreto tamin’ny famadihana ny rasa. Tena zava-dehibe hoan’i Madagasikara ve ny fandraisana anjara amin’ireo fifampiraharahana iraisam-pirenena ireo ?

Marina tokoa fa mahasorena ny fandehan’ny raharaha eo anivon’ny COP. Fa efa niarahan’ny ankamaroan’ny firenena mpandray anjara nanaiky  kosa, ny amin’ny raharaha iombonana sy ny fiaraha-miasa, ary anjaran’ny tsirairay no manao izay afany hanetsika  izany.

Etsy ankilany, raha ny eritreritro, sehatra iray ahafahan’ny firenena maneho ny vina goavana entiny, hisarihany ny mason’ny vondrona iraisam-pirenena ny fihaonanambe any Glasgow. Mba hampitombina ireo tolo-kevitra ireo dia mitaky fanomanana iarahana amin’ny mpisehatra marolafy malagasy izany, atao vaindohan-draharaha ny teny ierana, ary mitaky drafitra fanatontosana izany. Tsy atao ambanin-javatra noho izany ny dingana fanomanana ireo tolo-kevitra ireo.

Roa taona lasa izay, nataon’ny Filoham-pirenena ho laharam-pahamehana ny fanamaitsona indray ny Nosy, ary raha ny hevitro, fanalahidy sy sehatra iray ahafahan’ny Madagasikara manamafy ity vina ity ny any Glasgow, ahafahany ihany koa misarika ireo famatsiambola iraisam-pirenena, izay hanatontosana ny famerenana ho maitso ny Nosy, saingy, mitaky fananana paikady mazava  ahafahana manatontosa izany vina izany, an-tsakany sy an-davany. 

Hitombo be ny famatsiambola natokana ho an’ny toetrandro amin’ireo taona hoavy manaraka ireo. Tsy tokony hatao ambanin-javatra noho izany ny toeran’i Madagasikara, izay mametraka azy ho firenena manana vina mazava sy mitombina ny amin’ny famerenana ho maitso indray ny Nosy, ary ny fiatrehanana ny fiovan’ny toetrandro. Fa tsy tokony ho kobaka am-bava kosa   ireo resaka ifanaovana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mba ho fanamafisana ny fahavononany, dia mila manao izay ho afany i Madagasikara amin’ny fiarovana ireo alany, atomboka amin’ny faritra arovana Menabe Antimena, izay mampihorin-koditra ny zava-misy ao ankehitriny. Etsy ankilany, ny famerenana ny Nosy ho maitso dia tokony ho teny ierana, miaraka amin’ireo firaisamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina, sy ny fitambaran’ireo mpisehatra isan-tsokajiny. Ilaina ny fanetsehana ny asa saina iombonana malagasy, izany no anohizan’ny INDRI ny fanohanana ireo tomponandraikim-panjakana amin’ny fanamorana ny fifanankalozana, miaro asa saina tsara, iarahana amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.

Post a comment