Manarina ala zanatany : azo atao izany !

Mampiseho ny lalana tokony izorana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Tropical Biodiversity & Social Enterprise (TBSE) sy ny Ecosia. Ny tetikasa : mamboly hazo zanatany 4 tapitrisa ary manarina ny ala, ary mitantana izany miaraka amin’ny vondrona olona ifotony mandritra ny 24 taona avy eo.

Ny TBSE moa dia orinasa miorina ao Fort-Dauphin manana traikefa amin’ny fanarenana ny ala. Ny fanohanan’ny orinasa Ecosia dia ahafahany mampihatra ny fahaizany amin’ny sehatra mivelatra kokoa. Ny tanjony : mitahiry ny sisa tavela amin’ny ala voajanahary ao Ambatotsirongorongo, ary hamboly hazo eo amin’ny faritra tsy misy izany amin’ny alalan’ny fambolena hazo zanatany.

Jean-Baptiste Ramanamanjato, Talen’ny TBSE, no hiresaka amintsika momba ity tetikasa fatra-paniry laza ity izay mety ho maodely ho an’ny hetsika fanarenana ny ala hafa.

Fantaro ny antsipirian’izany tetikasa izany amin’ny famakiana ny tafatafa feno niarahana taminy. Mamakia finaritra!

Nandeha tany Ambatotsirongorongo ny ekipan’ny INDRI nijery akaiky ity tetikasa lehibe mitondra fanantenana ity. Nitafatafa tamin’i Jean-Baptiste Ramanamanjato, Talen’ny Tropical Biodiversity & Social Enterprise (TBSE) tao amin’ny biraon’izy ireo ao Fort-Dauphin i Linjasoa Rakotomalala, Tompon’andraikitry ny Tontolo an-tanety sy ny ala. Faly izy nahita fa mipetaka ao amin’ny biraon’ny TBSE ny “Fenitra folo mampahomby ny fandrakofana ala an’i Madagasikara”, izay novokarin’ny vovonana Alamino.

Inona moa ny TBSE ary inona no tena asany ?

Ny Tropical Biodiversity & Social Enterprise dia orinasa manana fahaizana manokana amin’ny fitantanana ny tontolo iainana sy ny fiarovana ny karazanjavamananaina. Miompana amin’ny fitantanana ny fiantraika ara-tontolo iainana mifandray amin’ny fampiasam-bola, ny famerenana amin’ny laoniny ny tontolo iainana efa simba, ary ny fiarovana ireo karazan-javamaniry tsy fahita firy eto Madagasikara izahay. Ny taona 2017 no nanombohana ny fiarovana ny alan’Ambatotsirongorongo, akaikin’i Fort-Dauphin.

Azonao zaraina aminay ve ny mombamomba ny tetikasa fanarenana ekolojika iarahanareo amin’ny Ecosia ?

Ecosia dia fitaovana fikarohana amin’ny aterineto izay mampiasa 100%-n’ny vola azony avy amin’ny dokambarotra hamatsiana tetikasa ara-tontolo iainana manerana izao tontolo izao, indrindra ny fambolen-kazo. Tsy mijanona eo ihany anefa ny hetsika tohanany : fa mikatsaka fanarenana ala maro, manatsara ny karazanjavamanaina, ary mamorona asa ho an’ny vondrona olona ifotony.

Miara-miasa ny TBSE sy Ecosia hanarenana ny alan’i Ambatotsirongorongo amin’ny fampifandraisana ireo ala kely mitsitokotoko, amin’ny alalan’ny “restauration active” (fambolena ala eo amin’ny 300 ha) sy ny “restauration passive” (manampy ny ala haniry amin’ny fomba voajanahary amin’ny 500 ha). 4 tapitrisa ny ala zanatany ho volena ary maharitra 24 taona izany (2021-2045).

Inona ny zanakazo tena volenareo ?

Amin’ny ankapobeny dia zanakazo zanatany ireo 1 361 000 zanakazo voavoly isan-taona, toy ny voalava (Ophiocolea delphnensis), ny dragonnier de Madagascar (Dracaena bakeri), ny hazombaroa (Asteropeia micraster), ny satrana telolafy (Dypsis decaryi) ary ny hintsy (Intsia bijuga). Na izany aza dia mamboly karazan-javamaniry tsy zanatany vitsivitsy ihany koa izahay izay tena mifanaraka amin’ny faritra maina indrindra, toy ny akasia (Acacia leptocarpus).

Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanohanana ny asa fampidiram-bola (AGR) ho an’ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana ihany koa ny taninjanakazo eto aminay, indrindra amin’ny alalan’ny famokarana hazo fihinam-boa (voasary, letisia, akondro).

Nahita olana ve ianareo tamin’ny fambolena ireo karazan-kazo zanatany ireo ?

Tamin’ny voalohany aloha dia somary nijaly ny zanakazo, ary kely dia kely ny taham-pahavelomany. Na izany aza, ireo karazana “mpisava lalana” sy heliophile toy ny mamy (Hymenaea verrucosa), ny dingadingana (Psiadia altissima), ny ambora (Tambourissa purpurea) ary ny bois de reinette (Dodonea viscosa), izay mifanaraka tsara amin’ny fahamainana, dia nampiseho taham-pahavelomana ambony kokoa.

Tamin’ny 2023, taorian’ny roa taona nanaovana ny tetikasa, dia nanitsy ny paikadiny ny TBSE ary nifantina tamin’ny manodidina ny folo amin’ireo karazana ireo, ka nampilamina tsikelikely ny ala. Na izany aza, ao anatin’ny fotoana maharitra, misy ny mety hisian’ny “monospécifité”, manakorontana ny karazanjavamananaina. Mba hanarenana izany dia mikasa ny hampiditra indray ireo karazana saro-pady izay very tany am-boalohany ny TBSE, rehefa mihamatanjaka kokoa ny rohivoahary.

Ahitana karazanjavamanaina tsy manam-paharoa ny toeram-pambolenareo. Anatin’ny lamina napetrakareo ve ny fiarovana azy ireo ?

Tena mifantoka amin’ny fikajiana ny ala izahay ho fiarovana ireo karazam-biby, toy ny varika izay miankina betsaka amin’ny ala ho an’ny sakafony sy ny fonenany. Samy hita eto amin’ny faritra manko ny ala mando sy ny ala maina izay 93% ny maha tsy manam-paharoa azy. Fonenana karazana varika sivy io ala io, izay atahorana ho lany tamingana ny sasany toy ny microcèbe (Microcebus manitatra).

Mikatsaka ny fiarovana ny toeram-ponenana marefo izahay, izay ahitana karazana varika hafa atahorana ho lany tamingana toy ny maki (Lemur catta) sy ny varika (Eulemur collaris). Kanefa ny tavy sy ny fanaovana arina ary ny doro tanety mbola loza mitatao manoloana izany.

Manoloana izay indrindra, inona no azo atao hisorohana sy hitantanana ny afo?

Ny TBSE dia manao hetsika fanentanana ho an’ny vondrona olona ifotony ary mametraka rafitra fiarovana mifanaraka amin’izany manodidina ny ala harenina. Fomba hafa mihitsy no entiny miasa raha resaka aroafo satria zarazarainy ny aroafo amin’ny fomba stratejika toy izao manaraka izao : 

Faritra mangadihady mirefy 5 metatra ny sakany x 25 km ny halavany no manodidina ny ala mba hampitsaharana ny afo. Ity faritra voalohany ity dia arahina zavamaniry, toy ny akasia sy ny albizia, izay mitroka ny hamandoana ary mampiadana ny fivoaran’ny lelafo noho ny fahafahany mampihena ny hamafin’ny afo. Any amin’ny faritra ivelany indrindra, dia misy faritra natokana ho an’ny fambolena eo an-toerana izay miasa toy ny sakana fanampiny sy toerana fitahirizana.

Nihena kokoa ny fiparitahan’ny afo nony nampiditra ny bandy misy zavamaniry amin’ny aroafo ny TBSE, ary mametra kokoa ny loza tsy ho any amin’ny faritra narenina izany no sady manamafy ny fiarovana ireo voly.

Ary ahoana ny fampandraisanareo anjara ny vondrona olona ifotony amin’ny tetikasanareo ?

Miara-miasa amin’ny vondrona olona ifotony (VOI) 14 ary manampy azy ireo izahay amin’ny alalan’ny fanomezana asa fampidiram-bola. 

Fantatr’izy ireo ny mahazava-dehibe ny tontolo iainana ary tena mandray anjara amin’ny ady amin’ny afo ny VOI. Azon’izy ireo tsara fa ny afo no anisan’ny manimba ny loharanon-drano, ka mety hanembatsembana ny tanimbary. Manoloana ny fahabetsahan’ny afo tsy nahy, efa miomana hamono izany haingana ny VOI, matetika ao anatin’ny adiny efatra, amin’ny alalan’ny fitaovana sy fotodrafitrasa sahaza toy ny famonoana afo, ny fitoeran-drano ary ny toerana misy rano efa voapetraka amin’ny toerana atahorana ho may indrindra.

Nahatsikaritra ireo “Fenitra 10” tao amin’ny biraonareo izahay. Manaraka azy ireo ve ianareo amin’ny tetikasanareo ?

Eny, tena manaja ny Fenitra 10 mampahomby ny fandrakofana ala eto Madagasikara izahay, amin’ny fametrahana ny firotsahana an-tsehatra maharitra ho an’ny tetikasanay. Ohatra, ny taninjanakazo dia napetraka tamin’ny fomba stratejika mihitsy eny akaikin’ny ala sy ny fotodrafitrasa hanamora ny fanaraha-maso sy ny fampiasana azy. Ankoatra izay, ny mponina eto Fort-Dauphin koa tena dia tena mandray anjara mavitrika amin’ny dingana tsirairay : manomboka amin’ny fikarakarana ny taninjanakazo hatramin’ny fibatana ireo zanakazo, ny fanondrahana, ny fanaraha-maso ny voly, ary ny fitantanana ny afo.

Hamaranana azy, inona no tanjona lavitra ezaky ny tetikasanareo ?

Ny tanjon’ny TBSE dia ny hampifandray ireo ala kely mitsitokotoko ho ala be iray, amin’izay misy fifampitohizany sady maharitra kokoa manoloana ireo tsindry. Ny tetikasa dia mikendry ny hanarina ny rohivoahary, sady mikatsaka ny filan’ny mponina ao an-toerana, ho fampandrosoana maharitra ny faritra. Ary manantena ihany koa ny hamporisika ireo mpisehatra hafa eto Madagasikara. Manoloana ny olana dia tsy misy afa-tsy vahaolana iray ihany: ndao hiasa!

Raha te hahafantatra bebe kokoa momba ny TBSE sy ny Ecosia, dia tsindrio ny sary famantarana eo ambany.

 

                                       

 

Comment(1)

  1. Hasina RIVONJANAHARY says:

    Bonjour, très bon projet, j’adhère complètement. Le projet de reforestation avec d’arbres endémiques, zanatany et l’existant qu’à Madagascar est une très bonne idée. Arrêtons de planter les kininina, kesika qui consomment beaucoup trop d’eau et tuent toutes les flores environnantes.
    Si souhaite suivre l’évolution de votre projet ou même y participer, comment dois-je faire svp? Merci.
    Cordialement

Post a comment