Fambolena ara-pomba voajanahary sy menaka palma ekolojika: fanoitra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara

Rehefa miresaka ny fanamaitsoana an’i Madagasikara dia mby an-tsaina avy hatrany ny fambolen-kazo, fa tsy izany ihany anefa ! Mba hampahomby ny fanorenana  ny tontolo dia tena ilaina ny hisian’ny fifandanjana eo amin’ny ala, ny fambolena mahavokatra sady mitandro ny tontolo iainana, ary hetsika ara-toekarena maharitra ho an’ny mponina.

Tombony ho an’ny INDRI ny fananana an’i Gaëtan Etancelin ho mpikambana ao aminy tao anatin’ny fotoana fohy izay; izy izay manam-pahaizana manokana momba ireo sehatra ireo. Misahana andraikitra maro i Gaëtan: talen’ny Huilerie Melville Groupe Savonnerie Tropicale S.A izy, filoha lefitry ny Commission des Jeunes et Entrepreneuriat eo anivon’ny FIV.MPA.MA ihany koa, ary efa filohan’ny Syndicat Malgache de l’Agriculture Biologique y taona 2017 hatramin’ny 2021.

Fanontaniana mipetraka iarahana aminy ankehitriny ny amin’ny lanjan’ny fambolena ara-pomba voajanahary sy ny famokarana menaka palma maharitra mba ho fanoitra ho amin’ny fampandrosoana sy fanamaitsoana ny firenena.

Araka ny hevitrao, afaka mitana toerana, manana toerana lehibe eo amin’ny fanarenana ny tontolo sy ny ala eto madagasikara ve ny famoblena ara-pomba voajanahary?

Ny fambolena ara-pomba voajanahary dia tena mety sy mifanaraka amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena, indrindra noho izy tsy dia mitaky zavatra betsaka: fantatra fa ny ankabeazan’ireo fambolena ataon’ny Malagasy dia fambolena madinika mivangongo eo amin’ny toerany, tsy dia ahazoan’ny mpamboly tombony loatra ny mitondra ireo vokatra any amin’ireo faritra mitoka-monina sy saro-dalana. 

Tena tokony hataon’i Madagasikara izay hananana kalitao tsara. Tonga dia resy avy hatrany ny vokatra Malagasy manoloana ireo famokarana goavana izay hita any Amerika Atsimo ohatra. Rehefa mitombo moa ny vokatra vokarina dia midina ny vidiny, ary vokatr’izany dia mora kokoa no vidy ividianana ny katsaka izay hafarana avy any amin’ny firenena tena lavitra raha ampitahaina amin’ny vokatra eto Madagasikara izay amidy amin’ireo tsena kely eto an-toerana. 

Etsy an-daniny, vokatry ny fambolena ara-pomba voajanahary izay ataony dia tena tokonyo afaka hifaninana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena toka ireo tantsaha eto amintsika. Porofo iray maneho izany ny nitomboan’nireo mpamokatra ara-pomba voajanahary ho avo roapolo heny tao anatin’ny 10 taona monja. Efa mahatratra 70.000 izy ireo aknehitriny no voaisa sy mahazo tari-dalana! 

Inona avy ireo vokatsoa avy amin’ny fambolena ara-pomba voajanahary eo amin’ny lafiny sosialy sy tontolo iainana ?

Ny tsy fampiasana ireo vokatra izay misy fiantraikany ratsy ho an’ny olombelona sy ny tontolo iainana dia tena vokatsoa lehibe tokoa, kanefa tsy izany ihany akory. Ny tavy dia tena mamotika tokoa ny ala ka noho izany dia ao amin’ny fikambanany no ampianarana ireo tantsaha mpanaraka ny fomba fambolena ara-boajanahary ireo fomba fambolena hafa izay mahavokatra kokoa sady miaro ny tontolo iainana. Ny tena imasoana ankehitriny dia ny fampivadiana fambolena sy ny voly kolo ala izay ahafahana manamasaka ny nofon-tany sady ahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro.  

Izany rehetra izany moa dia tanterahina ao anaty fanomezan-danja tanteraka ireo fomba fambolena nentim-paharazana, ary vokatry ny fisian’ireo fikambanan’ny mpamboly arapomba voajanahary dia hitan’ireo tantsaha mivantana ny fahombiazan’ireo izay nanova famindra. izaho manokana ohatra dia nahita fa maro ireo mpamboly ara-pomba voajanahary no afaka mampiana-janaka hatreny amin’ny oniversite.

Nisy ny volavolan-dalana izay efa tao hatramin’ny taona 2018 mikasika ny fambolena ara-pomba voajanahary ary efa mihatra ankehitriny. Inona avy no voarakitra ao anatin’io lalana io?

Io lalàna io dia manome alalana ny fanamarinana ny maha vokatra ara-pomba voajanahary tsy eo amin’ny famokarana irey ihany fa amin’ny fari-pamokarana iray manontolo. Voalohany eto amin’izao tontolo izao izany karazan-dalána izany. Izao hevitra momba ny “Faritra Famokarana ara-pomba voajanahary” izao dia ahafahana manamora ny fahazoana fanamarinana ny maha ara-boajanahary, indrindra ho an’ireo mpamokatra madinika, ary koa ahafahana mampifanindran-dalana ny fitantanana ny famokarana sy ny tontolo. Tsy ny tanimboly iray intsony no heverina fa dia ny fifampiankinan’ny fambolena sy ny tontolo iainana.

Anisan’ireo asa sahaninao ny fitantanana fambolena hazo palmie tsy lavitra an’i Toamasina. Fantatra fa dia ratsy laza tokoa ny menaka palma maneran-tany, satria nandripahana velarana ala maro be. Inona no maha samy hafa ny zava-misy eto Madagasikara, ary ny ahazoana milaza fa ny famokarana am-piheverana ny menaka palma aza dia fomba azo iarovana ny tontolo iainana?

Mampitovy lakana aman-jahatra raha mampitovy ny famokarana ataonay amin’ireo famokarana indostrialy misy any Malaisie sy Indonésie izay tena loza manapotika ny tontolo iainana. Eto Madagasikara ny velaran-tany azo trandrahana ho amin’ny fambolena dia 30%-n’ny velaran’ny firenena iray manontolo. Lehibe tokoa izany raha miohatra amin’ireo faritra hafa maneran-tany. MIdika izany fa ny famokarana menaka palma eto dia tsy voatery hisy fandripahana ala, ary azo heverina tsara aza ny hahatonga azy ho fanoitra amin’ny fampandrosoana sy fanarenana ny tontolo iainana. Araka ny fanadihadiana nataon’ny Proforest, ny fambolena ataonay dia voamarina fa tena manana lenta ambony tokoa amin’ny resaka fiarovana ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fihazonana ny karbona. HIta araka izany fa tena azo atao tokoa ny mamokatra menaka palma sady miaro ny tontolo iainana. Tena tokony hatao laharam-pahamehana mihitsy aza izany raha jerena ny filana maneran-tany. 

Ny hazo palmie dia mety ho tsara tokoa ho an’ny nofon-tany sy ny zavaboary. Izy dia afaka miaro maharitra ireo zavamaniry mandrakotra fa tsy mba tahaka ireo voly fakana menaka hafa toy ny soazaha, ny kolza, ny tanamasoandro izay mety hampihanjaka tanteraka ny nofon-tany izay mety ho kaohin’ny riaka mandritra ny fotoana maharitra anatin’ny taona. Eo amin’ny faritra ambolenay aza dia mbola nirosoanay lalindalina kokoa izany hevitra izany amin’ny fampivadiana ny fambolena hazo palmie sy voly hafa toy ny lavanilina, kakao, ylang, ravintsara, vary ary legioma! Nahazoanay loka teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy aza moa ny fomba fambolenay, isan’izany ny  “Organic and Fair Palm Oil Production – Assessment Project” izay manasokajy anay ho isan’ireo fambolena tena maharitra maneran-tany. 

Ary farany eo amin’ny sehatry ny sosialy, ny famokarana iray ataonay amin’ny velaran-tany mirefy 3 000 hektara dia namorona asa mivantana miisa 600 eo ho eo mandritra ny taona. Tena zava-dehibe tokoa izany ho amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ho fandraisana anjara amin’ny fanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoan<a lovain-jafy eto Madagasikara. 

Mifandraika amin’ny fanontaniana teo aloha: ny famokarana menaka palma izay ataonareo ve efa nahazo fanamarinana ny maha famokarana ara-pomba voajanahary?

Eny tompoko! Ary izahay aza no anisan’ireo mpamokatra menaka palma voalohany nahazo fanamarinana maneran-tany tany amin’ny 30 taona lasa. Ary tsy izany ihany fa ny laza ratsin’ny famokarana menaka palma eny anivon’ny mpanjifa dia nanosika ireo mpamokatra tonga saina hamorona fitsipika mafy mikasika ny fiantraikan’ny famokarana ataony amin’ny olona sy ny tontolo iainana. Ny RSPO na Round Table on Sustainable Palm Oil izay niforona tamin’ny 2004 ankehitriny no mari-drefy ho amin’ny fanamarinana ny famokarana maharitra. Toy izany koa ny fitsipika BIOSUISSE izay nandraisan’i Madagasikara anjara ny fandrafetana azy, izay mijoro ho ohatra amin’ny famokarana menaka palma amin’ny fomba voajanahary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. 

Ary tsy ny hazo palmie ihany no vokatra ara-pomba voajanahary mampalaza an’i Madagasikara maneran-tany. Ny kakao, ny makamba, ny ylang-ylang ary ny lavanilina ihany koa dia mazána no mahazo loka iraisam-pirenena, ary ireo vokatra ireo dia hita any amin’ireo toeram-pisakafoanana lehibe maneran-tany. Na izany aza anefa dia mbola kelikely ihany ny fahafantaran’ny izany fisongadin’ny famokarana malagasy izany, noho izany dia tena zava-dehibe ny hanatsarana hatrany halaza ny anarana eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.

Manahoana ny mety ho fahafaha-mivelatry ny famokarana ara-pomba voajanahary eto Madagasikara?

Tena goavana ny fahafahany mivelatra. Tamin’ny taona lasa ohatra, raha nitranga ny valanaretina dia nitombo hatramin’ny 12% ny fanjifana ny vokatra ara-pomba voajanahary! Manaraka izany fironana izany koa ry zareo ao Eropa ary ny sasany dia azo inoana fa hanaraka izany firehana izany koa. Izany dia hiteraka fiakarana mihoapampana ho an’ny filana maneran-tany, ary hita fa tsara toerana tokoa i Madagasikara ka afaka hanararaotra izany. Raha toa ka te hampiakatra 25% ny velaran-tany hanaovana fambolena ara-pomba voajanahary i Eropa hatramin’ny taona 2030, Madagasikara kosa dia tokony hikendry hatramin’i 50% .

Hita fa mahaliana tokoa ny tsena iraisam-pirenena, fa mba manahoana kosa ny tsena ato anatiny?

Efa misy ireo sokajina mpanjifa mahalala tsara ny amin’ny vokatra ara-pomba voajanahary. Amin’ireny trano fivarotana lehibe ireny ohatra dia efa ampahany lehibe no ahitana ireo vokatra ara-pomba voajanahary saingy indrisy fa vokatra avy any ivelany no tena mameno azy ireny. Efa vonona araka izany! Raha mivarotra vokatra ara-pomba voajanahary maro be toy izany ireo tsena lehibe ireo dia azo antoka izany fa efa misy ny filana.

Ary raha miresaka ny vokatra vaovao dia hita fa niroborobo tokoa ny varotra legioma aterina an-tokantrano nandritra ny fihibohana. Maro ireo milaza ny entany ho “sobika ara-pomba voajanahary” na dia tsy nahazo fanamarinana aza. Ny tsikaritra dia efa ampiasaina handresen-dahatra ny mpanjifa ny maha ara*pomba voajanahary ny vokatra! Amin’ny fisian’ilay lalána vaovao izay noresahina tetsy ambony dia azo atao tsara ny mifehy ny fampiasana io fiantsoana ho ara-pomba voajanahary io sy manamarina fa ireo vokatra dia tena azo tamin’ny fomba fambolena ara-boajanahary tokoa izay nisy vokatsoa ho an’ny olona sy ny tontolo iainana.

Ianareo dia ao anatin’ny sehatra Alamino izay arindran’ny INDRI ary ivondronan’ireo mpisehatra samihafa mandray anjara hampahomby ny fanamaitsoana ny firenena. Araka ny hevitrao, inona no mety ho azo avy amin’izao ainga izao ho enti-manatratra izany vina nasionaly izany?

Ny Alamino dia afaka hanampy anay mba hilamina kokoa, hipetraka tsara ny rafitra ary hirindra ny asa rehetra. Tena ilaina tokoa ankehitriny ny hanamafisana ny fifanakalozana eo amin’ireo sehara tsy miankina sy ireo mpisehatra hafa (mpitondra, fiarahamonim-pirenena …) momb any resaka tontolo iainana. Izany no heveriko fa singa lehibe indrindra entin’ny Alamino. Marobe ohatra ireo sehatrasa izay te handray anjara amin’ny fambolen-kazo nefa tsy mahita izay hevitra ho enti-manatanteraka izany na izay mpiara miombon’antoka hatonina hanatanterahana izany.

Ny sehatra tsy miankina dia tena hery lehibe tokoa ho an’ny firenena, amin’ny fahafahan’izy ireo miaina sy miatrika ny zava-misy. Antoka iray lahibe hahazoana fahombiazana ny fahafahantsika mampiditra ireo sehatrasa isankarazany amin’io fanamby lehibe ho fanamaitsoana ny firenena io.

Post a comment