AHOANA NY FOMBA IAROVANA NY ALA AO MENABE ? Fanadihadiana niarahana tamin’i Linjasoa Rakotomalala

© Durrell Madagascar

Harena be ho an’ny firenena ny ala ao Menabe. Ao aminy no ahitana ireo karazam-biby sy zava-maniry mampiavaka an’i Madagasikara, manomboka amin’ireo baobab tena lehibe indrindra ka hatramin’ireo gidro madinika indrindra eran-tany. 

Tao anatin’ny 20 taona dia ripaka ny antsasak’io ala io. Raha tsy hilaza afa-tsy ny taona 2020 fotsiny ohatra dia velarana mitovy habe amin’ny kianja fanaovam-baolina miisa 18.200 no potika. Raha mitohy izao dia ho ripaka tanteraka ity ala ity ao anatin’ny 4 taona. Goavana tokoa ny olana : tsy vitan’ny maha loza ara-tontolo iainana azy fotsiny ny fahasimban’ity ala ity fa ho loza be ho an’ny olombelona ihany koa, indrindra ho an’ireo olona miankina aminy.

Tombony ho an’ny INDRI ny fananany mpiara-miasa toa an’i Dr Linjasoa Rakotomalala, izay manam-pahaizana manokana amin’ny siansa momba ny fambolena sy fiompiana ary ny tontolo iainana ho an’ny faritra Menabe. Homentsika azy ny fitenenana anio mba hanazavany misimisy kokoa ireo antony lehibe mahatonga ny fandripahana ny ala any amin’io faritra io, sy ireo vahaolana azo ampiharina hampitsaharana izany.

Linjasoa, inona avy moa ireo lalam-piofanana narahinao ary ireo traikefa anananao momba an’i Menabe ?

Manana ny mari-pahaizana « doctorat » amin’ny siansa momba ny fambolena sy fiompiana ary ny tontolo iainana aho sady injeniera nianatra momba ny fambolena sy fiompiana, niompana tamin’ny resaka rano sy ala. Tamin’ny nanoratako ny asa-soratra hahazoana « doctorat » no nahafahako nikaroka lalina, nandritra ny 4 taona mikasika ny zava-misy ao Menabe, indrindra ireo antony mahatonga ny fanaovana tavy any amin’io faritra io.

Linjasoa nandritry ny tohan-kevitra momban’i Menabe, izay nahazoany doctorat.

Inona no tena nanosika anao hifantoka manokana tamin’i Menabe ?

Tamin’ny taona 2007, talohan’ny nanaovako ny doctorat dia efa nanao fikarohana tany amin’ny faritra Menabe-Antimena aho ho fanomanana ny mari-pahaizana hivoahana ho injeniera.

Raha vao nidina voalohany tany an-toerana aho dia avy hatrany dia liana tamin’ny fisian’ny ala maina, izay mitahiry ireo karazan-java-boahary tsy fahita afa-tsy eto amintsika toy ireo karazan-gidro madinika indrindra eran-tany (Microcebus berthae), ireo voalavo vaventy mpitsambikina, na koa ireo baobab goavana izay isan’ireo famantarana ny firenentsika. Tsapako avy hatrany ny maha harena sarobidy ireo ala ireo ho an’ny firenena ary hatramin’ izao tontolo izao mihitsy aza, satria maro be ireo karazana zava-maniry sy biby izay tsy hita afa-tsy ao ihany. 

Tamin’izany fotoana izany dia efa hita fa marefo tokoa ny voahary tao amin’ny faritra Menabe, sady ahiana handripaka azy ny fanaovana tavy izay nihanahazo vahana tao amin’ity faritra ity.

Rehefa niverina tany Menabe ianao tamin’ny fanomanana ny doctorat, 7 taona taorian’io fidinana voalohany io, nanahoana ny fivoaran’ny toe-draharaha?

Tena nahafaly ahy ny nahafahako niverina indray tany amin’io faritra io mba hanao fikarohana tamin’ny taona 2014; hahita indray ilay ala mahafinaritra sady ho afaka handray anjara amin’ny fiarovana azy. 

Nalahelo anefa aho rehefa nahita ireo faritra voadoro. Tsy hita intsony ireo ala tamin’ny ilany ankavian’ny lalana mankany Belon’i Tsiribihina; hazo vitsivitsy izay zary takon-kenatr’ireo fambolena tao no hany sisa tazana.  Indrisy fa dia nitombo ny fahasimbana tao anatin’ny taona vitsivitsy na dia eo aza ny ezaka ataon’ireo fikambanana izay miasa any an-toerana.

Ireo faritra simba ao Menabe / martsa 2020 / © Dry Forest

Inona no antony nahatonga izany fahapotehan’ny ala izany ?

Ny antony mivantana izay hita dia ny fanaovana ny tavy na antsoina koa hoe hatsaky any amin’ny faritra  MenabeTapahin’ireo mponina ny ampahany amin’ny ala, avelany ho maimaina kely aloha ireo zava-maniry dia dorany avy eo. Lonaka kokoa ny tany azo avy amin’izany ary afaka tonga dia ambolena.
Ity hatsaky ity moa dia antony mivantana ihany. Mipetraka kosa ny fanontaniana hoe : inona no tena manosika ny olona hanao ny hatsaky ? Ary inona no mahatonga azy io tena mahazo vahana any amin’ny faritra Menabe ? Ireo fanontaniana ireo indrindra no nanaitra ny saiko nandritra ny asako nanomanana ny doctorat.

Ny tavy na antsoina koa hoe hatsaky any Menabe / © Durrell Madagascar

Raha araka ny fikarohana nataonao, inona avy ireo antony lalim-paka mahatonga ny fandripahana ny ala any amin’ny faritra Menabe ? 

Ireo tompon-tany ao Menabe dia efa nanao ny teviala hatramin’izay mba hahafahana mamboly, saingy manana fombam-pitantanana manokana ny ala izy ireo ka voafetra ihany ny fiantraikan’izany. 

Ny fahatongavan’ireo mpifindra monina avy any Androy no tena nahatonga ny fahapotehan’ny ala aingana be.

Inona no manosika ireo mpifindra monina ho any amin’ny faritra Menabe ?

Antony maromaro mifaningotra no manosika azy ireo : voalohany indrindra dia ny haintany any Androy izay tsy mitsaha-mitombo isan-taona, sy ny lanjan’ny fananana omby eo amin’ny kolontsaina Antandroy izay manosika azy ireo hila ravinahitra any an-toeran-kafa mba hahafahany mividy omby.

Etsy andanin’izany, any amin’ny faritra Menabe dia misy ireo seha-pihariana momba ny fambolena voanjo sy ny katsaka izay ambony vidy. Izany rehetra izany no manosika ireo mponina ireo hifindra monina any Menabe ka hanao tevy ala tsy ara-dalana mba hahafahany manao ireo karazam-pambolena ireo. 

Nisy sasany tamin’ireo mpifindra monina ireo no niasa tamin’ny taona nisian’ny orinasa mpanamboatra taretra sy tamin’ny ozinina mpamokatra siramamy Sucoma saingy nikatona ireo orinasa ireo ka nahatonga ireo olona ireo nikisaka namonjy ny fambolena voanjo sy katsaka tsy manara-dalana.

Fambolena katsaka tsy ara-dalàna ao amin’ny alan’i Menabe / © Durrell Madagascar

Inona no tena sakana manokana ho an’io faritra io ka mahatonga ny toe-draharaha hiharatsy sy ho sarotra hitadiavam-bahaolana ?

Araka ny efa voalazako tany aloha dia maro tokoa ireo antony mahatonga ny olona hifindra monina ary miankina amina sehatra maro izany : ara-toe-karena, ara-indostria, ara-pambolena, ara-tsosialy … Raha tiana hihena araka izany ny fifindra-monina izay mahatonga ny fandripahana ny ala  dia mila hetsika mampifandray ireo sehatra rehetra voakasika. 

Tsapa fa na dia eo aza ny ezaka izay ataon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ireo fikambanana any an-toerana dia mihasimba hatrany ny ala. Mila ny fanohanan’ireo sehatra hafa izy ireo mba hahazoana fahombiazana ! Ilaina ny hisian’ny ho enti-manana ho fampanajana ny fitsipika ho amin’ny fiarovana ny ala sy ho fiadiana amin’ny olana goavan’ny kolikoly any amin’ny faritra izay manampy trotraka ny zava-misy.

Na eo aza izany fahasarotana rehetra izany, mba misy zavatra tsara  mampisy fanantenana ho amin’ny ho avy ihany ve? 

Eny tompoko ! Efa misy tokoa ireo mpisehatra mavitrika mandray andraikitra ao Menabe, izay tena efa nahazo traikefa sarobidy vokatr’ireo taona maro efa niasany. Ireo fikambanana rehetra ireo dia mivondrona amina tarik’asa iray mba handrindra ny asan’izy ireo. Na dia eo aza ny krizy ara-pahasalamana ankehitriny izay manasarotra ny asan’ity tarik’asa ity dia azo lazaina fa efa fototra hiaingana io sehatra io hahafahana mikaroka vahaolana iombonana. 

Ny tena zavatra tsara hitako dia ny fananan-dramatoa ministry ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy finiavana hanao ho laharam-pahamehana ny fiarovana an’i Menabe. 

Na izany aza anefa dia tsy ho vitan’ny MEDD irery ihany ny famahana ny olana. Manahirana ny zava-mitranga eny an-toerana izay ilaina fitaovana sy enti-manana ary fiaraha-mientan’ireo sehatra hafa, indrindra ireo miadidy ny varotra, ny indostria, ny mponina, ny atitany, ny fitsarana ary ny filaminana. 

Azo heverina ve araka izany ny ho avy tsara ho an’io faritra iray eto Madagasikara io ?

Eny tokoa. Tena manana tolotra azo tratrandrahana ho an’ny zahavoary ny faritra arovana ao Menabe-Antimena. Ny faritra ihany koa dia mety ho an’ireo vokatra toy ny tantely, ny manga na ny mahabibo.  I Menabe dia mety ho tonga faritra afaka mampifanindrandalana ny famokarana ireo vokatra maharitra sy ny  fitantanana mahomby ny faritra arovana ary ny fanarenana izay simba koa aza.  Maro ireo mpisehatra no manana izany vina izany. Ny fanamby dia ny hananganana paikady mivaingana kokoa ary indrindra iombonan’ny governemanta, ny fiarahamonim-pirenena, ireo mponina, ny sehatra tsy miankina, ireo fikambanana tsy miankina ary ireo mpamatsy vola.

Inona ary no andraikitra azon’ny INDRI raisina ?

Tao anatin’ny telo volana izay ny hetsika Alamino izay entin’i INDRI dia nanangana drafitra goavana fakan-kevitra ifarimbonan’ireo mpisehatra mba hahafahana mandrafitra fehezam-pitsipika hiadiana amin’ny afo. Rehefa nahita ny zava-misy ireo mpisehatra mpandray anjara dia nisafidy ny hanome jery manokana ho an’i faritra Menabe. Fikasana ny hanao azy io ho “zone pilote” amin’ny fanandramana ny fampiharana ireo fepetra izay iasan’ny Alamino. 

Ny firotsahan’ny Ministeran’ny tontolo iainana an-tsehatra, ny fihetsehan’ny firahamonim-pirenena, ny fandrindrana ataon’ireo mpisehatra izay mivoatra aingana, ny fitomboan’ny fahatongavan-tsain’ireo mpisehatra maro, dia hita fa firosoana mankany amin’ny tsara … Mbola tena enjana ny zava-misy ary mahatsapa aho fa manana andraikitra sy tena ilaina izahay, ary fifaliana ho ahy ny ahafahako mandray anjara ao anatin’izany ezaka iombonana izany. Arakaraky ny maha sarotra ny olana no maha zava-dehibe ny hanetsehana ny fahiratan-tsaina iombonan’ireo mpisehatra mba hahafahana mahita vahaolana sy mandrafitra vina vaovao ho amin’ny ho avy. Izany no irotsahanay an-tsehatra.

Raha mitohy izao fahavitrihana sy firaisankina ary fiaraha-misalahy asehontsika izao dia mino aho fa ho afaka hanavotra ny faritra arovana ao Menabe-Antimena isika.

Post a comment