Madagasikara Nosy maitso? Azo atao tsara, raha manaraka fepetra miisa 8

Taratasy misokatra navoaka tao amin’ny L’Express de Madagascar tamin’ny 25 Janoary 2020

Manana fanamby lehibe ny Filohan’ny Repoblika : handrakotra ala an’i Madagasikara ary hanova ny Nosy mena ho nosy maitso. Fanapahan-kevitra noraisina ary noraketina an-tsoratra tamin’ny 27 febroary 2019 tao amin’ny Filankevitry ny Minisitra izany. Koa nosokafana tamin’ny 19 Janoary 2020 tamin’ny fomba ofisialy ny fambolenkazo. Miisa 1,2 tapitrisa ny zanan-kazo novolena tao amin’ny faritra Analamanga. Mampiseo ny favononan’ny Fanjakana hanentana sy hanetsiketsika amin’ny fandrakofana ala an’i Madagasikara hatrany izany. Miavaka tokoa ny fanamby sy ny etsika, ary ekena sy hoderaina. Manamafy ny fanapahakevitra noraisiny i Madagasikara : ny hamerina aminy laoniny 4 tapitrisa hekitara anà tany sy ala hatramin’ny 2030 ; ary mifanaraka tsara amin’ny Décennie des Nations Unies pour la Restauration des Ecosystèmes izany.

Tsy vitan’ny hoe rariny izany laharam-pahamehim-pirenena izany fa tena fanambim-piainana mihitsy. Ireo izay mandray fiaramanidina dia mahita fa manana faritra midadasika be izay tsisy zava-maniry Madagasikara ankehitriny, saika tsy mamokatra ary mihangazana tsy kely kely. 80% ny mponina ao aminy kanefa dia mponina ambanivohitra mivelona amin’ny fiompina sy fambolena avokoa. Koa inty fahapotehana ny tontolo iainana inty no antony iray lehibe mahatonga ny fahantrana ary manasarotra ny fampandrosoana iarahana sy maharitra. Hita sy tsapa ary fa anisan’ny fahalemen’ny firenentsika efa am-polotaona maro ny fahapotehan’ny ala.

Hiharatsy ny toe-javatra. Atahorana anjavona ny ala sasany, toy ny ala maina ao Menabe Antimena. Hiakatra avo roa eny koa ny mponin’i Madagasikara ao anatin’ny 25 taona ho avy, misy fiantrakany amin’ny tontolo iainana ary indrindra ny ala izany. Ary hiharatsy ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro, izay efa tazana sy tsapa manerana izao tontolo izao (fihangazana aingana, ny afo mia-mahery vaika, ny tondra-drano mampivaloharika).

Ho fiarovana ny firenena dia tokony tanterahana tokoa ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika. Izay fanamby lehibe tokony hararaotina. Ny fandrakofana ala an’i Madagasikara dia mampihena ny fahantrana, mampandroso ny toekarena miankina amin’ny ala, miantoka ny famatsiana maharitra  amin’ny hazo fandrehatra, mampihena ny kaon-tany, mamerina aminy laoniny ny tsiron’ny tany, manome antoka ny fisihan’ny rano mitobaka kokoa sy maharitra mandava-taona, mampihena ny tondra-drano, mikajy ary mamerina amin’ny laoniny ireo faritra arovana sy ny zavamananaina, mampitombo ny fizahantany ara-tontolo iainana, ary manalefaka ny fiovaovan’ny toetr’andro. Ity ezaka nasionaly ity dia hanamafy orina ny fahatokisan’ny vahoaka amin’ny Firenena, hanatsara endrika an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary, ambonin’izany rehetra izany, hanome fiainana tsara kokoa ho an’ny olona an-tapitrisany.

Toa vory avokoa ny fepetra rehetra: ny finiavana politika, ny fahaizana ary ny fahasamihafana ny mpisehatra, ny teknolojia vaovao amin’ny fanaraha-maso sy ny fitantanana ny ala ary ny famatsiam-bola. Ny havitantsika miaraka izany no fanamby ankehitriny, amin’ny alalan’ny fanetsiketsehana ireo fahaiza-manao rehetra araka ny vina iraisana, ny drafi-fampiharana iraisana ary ny vokatra azo antoka ho an’ny firenena. Amin’ny fomba ahoana ary no hanatanterahana izany?

Fepetra miisa 8 izay tena ilaina mba hahombiazana

Fepetra voalohany: manentana sy mampandray andraikitra ny vahoaka. Zava-dehibe ny fifampizarana fahaizana amin’ny samy mpisehatra sy ny vondron’olona, mba hahafahan’ny tsirairay mahita fa miankina aman’aina ny fiarovana sy ny famerenana amin’ny laoniny ny ala sy ny manodidina azy. Izay ny fomba hamporisihana ny mponina hirotsaka an-tsehatra an-tsitrapo hiaro ny ala, hamboly sy hikolokolo ny ala, ho azy ireo sy ny taranany. Tokony mandray anjara amin’ny vinam-pajankana daholo, miaraka mametraka ireo vahaolana izay azon’ny mponina tohanana tsara ary ho mora aminy ny fanatanterahana azy ireo. Mila asina fiheverana manokana ny tanora ary ny fanoloran-tena miralenta ny vehivavy sy ny lehilahy. Zava-dehibe tokoa ny fanekena ho entin’ny fiaraha-monina. Maro tokoa ireo mpisehatra avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, ny sehatra tsy miankina ary ny haino aman-jery izay manana traikefa amin’ity sehatra ity ary afaka manampy ny Fanjakana hahatratra ny tanjony.

Fepetra faharoa: miady amin’ny fahantrana. Ny fanatsaran’ny fiainan’ny mponina no tena tokony himasoan’ny mpitondra sy ny mpisehatra rehetra, amin’ny alàlan’ny fampiharana ny Stratégie Nationale de Restauration des Paysages et des Forêts (RPF). Io paikady io dia ahitana fomba fijery ara-toe-karena mandrisika: fanamafisana ny zo mba hampazoto ny mponina, fitantanana ara-drariny ny harena an-ala, fampiroboroboana ny asa fambolena. Ohatra, afaka ampiarahana ny fambolena ireo zava-maniry zanatany any amin’ny faritra arovana, sy ny fambolena be dia be ireo hazo mampidim-bola (voankazo, kanelina, kakao, raffia, kitay, hazo, sns) ivelan’ny faritra arovana. Mila mamorona fampirisiana, anisan’izany ny eo amin’ny sehatry ny fananan-tany, mba hapazoto ny mponina sy ny sehatra tsy miankina hampiasa ny volany. Ilaina ihany koa ny fanatanterahana ny Stratégie Nationale Bois Énergie, izay mametraka ny fampandrosoana ny famokarana ny hazo azo anaovana arina mateza, ny fanapariahana ny fatana mitsitsy ary ny fivoaran’ny loharanom-angovo hafa.

Fepetra fahatelo : manajana ny lalàna. Tsy maintsy apetraka ny fitsipika sy ny fampiharana azy mba afahana mitantana ny soa hiombonana. Ny Fanjakana dia tsy maintsy miady tsy ankiato ary amin’ny fomba mangarahara amin’ny kolikoly, amin’ny ny fanondranana tsy ara-dalàna; ary mitradranka hatrany ny fanajana ny lalàna velona rehetra mifandraika amin’ny tontolo iainana, amin’ny faritra voaharo sy ny harena voajanahary, anisan’izany ny ala sy ny honko. Tokony hajaina iany koa ny drafitra isam-paritra.

Fepetra fahefatra : miaro ny ala sisa tavela. Tsy misy dikany ny mamboly hazo raha tsy misy fiarovana ny ala sisa tavela, satria dia hihena isan-taona ny faritry misy ala eto Madagasikara. Ho fanampin’izany, ny ala voalohany eto Madagasikara dia fonenan’ny lova tokana atahorana ho lany tamingana koa tsy maintsy arovana maika, anisan’izany 11000 karazan-javamaniry sy karazana lemona 100 mahery. Tsy maintsy apian’ny Fanjakana koa ireo mponina sy ireo fitaovana afahana hiarovana ny ala sy hiadiana amin’ny doro tanety. Farany, ny fambolekazo dia tsy maintsy manaja ny zavamananaina : tokony ho laharam-pahamehana sy hamoraina araka izay tratra ny fambolenkazo zanatany, ary ny hazo izay heverina fa manaranaka be dia tsy tokony hambolena akaikin’ny ala voajanahary.

Fepetra fahadimy: ny fampitoviana. Fanamby goavana eo amin’ny tantaran’ny firenena ny firakofana ala an’i Madagasikara. Mitaky paikady hentitra sy mila tohanan’ireo mpisehatra Malagasy sy mpamatsy vola ary miaraka amin’ny tanjona mahatratra 5, 10 ary 30 taona izany. Raha tiana arovana ny ala sisa tavela eto amin’ny firenena dia mila mamboly hazo be dia be, izany koa no hany ahafahana mamaly ny filan’ny mponina nefa tsy manohitohina ny Ala Gasy fototra. Tokony mihainga avy aminy drafi-pananjariana sy fitantanana mahataka-dafitra mikasika ny endrikin’ny voary, ny famerenana amin’ny laoniny ny endrikin’ny zava-boary sy ny ala, ary mihevitra ny momban’ireo sehatra ara-toekarena samihafa, mamakafaka ireo sakantsakana momba ny fananan-tany ary manamora ny fomba fananan-tany

Fepetra fahenina : ny fahatezana. Raha ny marina dia asa maharitra ny famerenana amin’ny laoniny ny ala sy ny voary. Tokony hisy isakin’ny manao fambolekazo ny fanaraha-maso ny tahan’ny zanakazo velona, ny fikojakojana azy ireo ara-potoana sy ny tomban’ezaka. Tsy maintsy maharitra ihany koa ny sehatry ny ala. Midika izany hoe mila fifamenoana eo amin’ny Fanjakana, izay mametraka ny vina, ny fitsipika sy mamporisihana, ary ny sehatra tsy miankina izay manana andraikitra lehibe amin’ny fitantanana ny ala. Tokony ho laharam-pahamehana ny famokarana maharitra ny hazo satria hafahana mampidi-bola sy manome asa ho an’ny mponina eo an-toerana.

Fepetra fahafito : misaina ny olana ateraky ny toetr’andro. Zava-dehibe ho an’ny ho avy ny fiheverana ny siansa momba ny toetr’andro sy ny fisafidianana ireo karazana hazo izay mety sy mazaka kokoa ny fiakaran’ny mari-pana sy ny loza mety hitranga amin’ny afo ; izay karazana hazo izay manalefaka ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro eo amin’ny mponina. Tokony atao maro isan-karazany ny hazo hambolena mba hitsinjovana izay mety ho fiovana eo amin’ny natiora izay sarotra vinaina.

Fepetra fahavalo : manetsiketsika ny fahiratan-tsaina iraisana. Rehefa voapetraka ny vina, dia manana fahafahana ny mpitondra ara-politika ny hiara-hiasa amin’ireo mpisehatra ara-panjakana, ireo fiarahamonim-pirenena ary ireo sehatra tsy miankina. Manana ny traikefa, ny fahaiza-mamorona ary ny fitoavana ilaina izy ireo mba hanatanterahana ireo fepetra rehetra ireo. Betsaka ny mety ho fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka isan-karazany, ary maro ny fomba amam-panao tsara mila fantarina sy azo hitarina amin’ny sehatra maro.

Aorian’ny etsika natao ny 19 Janoary teo dia manana fahafahana ny Fanjakana hanamafisana ny risim-po-mpirenena, miarakamin’ireo teknisianina misy ao aminy sy ireo « consultants », mivondrona sy mampandray andraikitra ireo mpisehatra hamolavola paikady iraisana. Ity paikady ity dia tsy maintsy miorina amin’ny fotokevitra hiraisana, amin’ny fitsipi-pivoarana sy amin’ny tomban’ezaka. Hafahana manao hetsika mahomby sy maharitra ary hampandresy lahatra ireo mpamatsy vola izay hanome fanampiana mifanaraka amin’ny haben’ny fanamby iany koa io paikady io. Ary hanampy ny fanjakana hanamora ny fampiharana mirindra eo amin’ny sehatra nasionaly, isam-paritra sy eo an-toerana .

Fantatsika izay tokony hataontsika. Ireo fepetra valo amin’ny fahombiazana ireo dia vitan’i Madagasikara. Izay manao sonia ity taratasy misokatra ity, manome toky izahay fa hanampy ny Filoham-pirenena, ny Governemanta ary ireo mpisehatra voakasiky izany mba hahomby ny fanamby hoe « Madagasikara Nosy Maitso », mba hiadanan’ny mponina, ary hanao azy ho fandaharana fanta-daza eran-tany.

Taratasy misokatra narindrin’ny INDRI, l’Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation (www.indri.solutions)

Ireo mpanao sonia, araka ny filaharan’ny abidia:

Noro Andriamamonjiarison

Laurencia Idealisoa Andriamparamasy
11 ans, scoute Fanilo à l’ECAR « Fo Masin’i Jesoa », engagée pour le reboisement à Antsiranana

Christian Andriantiana Assomany
Consultant, Porteur du projet Tree4Life

Luc Arnaud
Directeur Général du GRET

Christian Burren
Forestier, expert en gestion des ressources naturelles

Christian Camara
Représentant permanent du Programme de Recherche et de Conservation de la Nature à Madagascar, Missouri Botanical Garden

Emmanuel Cotsoyannis
Directeur Général du fonds Miarakap

Jean-Luc Dama
Président du Groupement des Exportateurs de Girofle de Madagascar – GEGM

Frédéric Debouche
Président de l’ONG Graine de Vie

Hermany Emoantra
Président National du réseau MIHARI

Gaëtan Etancelin
Président National du Syndicat Malgache de l’Agriculture Biologique – SYMABIO

Claude Fanohiza
Directeur exécutif de la Fondation Tany Meva, PCA d’INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration écologique et l’Innovation

Amiraly Hassim
Président du Syndicat des Industries de Madagascar (SIM)

Georges Geerarts
Président du Groupement des Exportateurs de Vanille de Madagascar – GEVM

Marie-Christina Kolo
Coordinatrice de Green N Kool et responsable plaidoyer du Réseau Climat Océan Indien

Adrian Levrel
Directeur Pays du bureau d’études INSUCO

Richard Lewis
Madagascar Programme Director, Durrell

Lauréat Mandresilahatra
Représentant Pays, association Coeur de Forêt

François-Xavier Mayer
Administrateur de la Confédération du Tourisme de Madagascar, Responsable Scientifique de l’ONG Cétamada

Jean-Jacques Meunier

Aga Khan Foundation – Madagascar CEO

Jean-Philippe Palasi
Directeur Exécutif d’INDRI – Initiative pour le Développement, la Restauration Écologique et l’Innovation

Karine Rabefarita
Communicante, co-fondatrice de l’agence Solutio et de l’agence Dujardin Delacour & Cie

Erwan Rabenevanana
Fondateur, The Dry Forest Initiative

Ketakandriana Rafitoson
Directrice Exécutive de Transparency International – Initiative Madagascar

Julien Noël Rakotoarisoa
Point Focal National pour la Restauration des Paysages et des Forêts, Ministère de l’Environnement et du Développement Durable

Lanto Rakotoarisoa
Président du Groupement des Entreprises Franches et Partenaires – GEFP

Liva Raharijaona
Directeur Exécutif de la Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar.

Marie-Jeanne Raherilalao
Enseignant-chercheur à l’Université d’Antananarivo et membre fondateur de l’association Vahatra

Serge Rajaobelina
Président de l’ONG Fanamby

Fredy Rajaonera
Directeur Général Adjoint de la Chocolaterie Robert (Groupe Ramanandraibe) et PCA du fonds Miarakap

Sahondra Rajoelina
Directrice Pays de Conservation International

Mamy Rakotoarijaona
Directeur Général de Madagascar National Parks

Jean-Chrysostome Rakotoary
Ancien Directeur Général de l’ONE (Office National de l’Environnement)

Tovondriaka Rakotobe
Représentant à Madagascar de l’association Nitidae

Sanda Anjara Rakotomalala
Co-coordinatrice responsable du plaidoyer, Malagasy Youth Biodiversity Network

Olivier Rakotoson
Président du Groupement des Exportateurs des Huiles Essentielles, Extraits et Oléorésines de Madagascar – GEHEM

Barijaona Ramaholimihaso
Conseiller du Directeur Général, Banque BNI Madagascar

Madeleine Ramaholimihaso
Présidente de Association pour la Promotion de l’Entreprise à Madagascar (APEM)
Présidente d’honneur de l’Ordre des Experts Comptables et Financiers de Madagascar
Fondatrice et Présidente d’honneur du KMF-CNOE

Bruno Salomon Ramamonjisoa
Enseignant Chercheur, Ecole Supérieure des Sciences Agronomiques, Université d’Antananarivo

Guy-Suzon Ramangason
Ancien Directeur Général de Madagascar National Parks

Gérard Rambeloarisoa
Forestier, Ancien Directeur Exécutif de la Fondation pour les Aires Protégées et la Biodiversité de Madagascar

Sandrina Randriamananjara Andriamanjato
Secrétaire Exécutive de Association des Professionnels de l’Urbain de Madagascar

Max Fontaine Randrianarisoa
Directeur de Bôndy

Aimé Rasamison
Directeur Gérant de Biodev Madagascar Consulting

Lovy Rasolofomanana
Directeur Pays, Wildlife Conservation Society

Nanie Ratsifandrihamanana
Directrice Pays, WWF Madagascar

Jonah Ratsimbazafy
Président du Groupe d’Etudes et de Recherche sur les Primates de Madagascar (GERP)

Hanitrarivo Rasoanaivo
Présidente de l’Association OP500 Environnement et Société

Mbolatiana Raveloarimisa
Fondatrice de Wake Up Madagascar, Secrétaire Exécutive de la Coalition des Radios

Ndranto Razakamanarina
Président de l’Alliance Voahary Gasy

Andrinavalomanana Razafiarison
Président National, Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy – FIV.MPA.MA

Louis de Gonzague Razafimanandraibe
Président National du TAFO MIHAAVO, Réseau des communautés gestionnaires des ressources naturelles à Madagascar

Lucienne Wilmé
Coordinatrice Nationale, World Resources Institute